Fanadihadina manokana ataonay mikasika ny Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra ity.
Andro nisiana rà mandrika ny 18 martsa hatramin'ny nisiana fihetsiketseham-panoherana tao Yemen, efa ho roa volana izay. Niantso mandrakariva ireo mpitandro ny filaminana i Ali Abdullah Saleh mba hiaro ny mpanohana sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta . Na dia izany aza, tsy nisy zava-niseho toy izany tany an-toerana. Tamin'ny Zoma, nitifitra ireo nanao fihetsiketsehana tamim-pilaminana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Sana ka namoizana ain'olona 46 farafahakeliny ary am-polony ireo naratra ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana manohana ny filoha Yemenita. Fanafihana izay nikendry ny hanafoana ireo fihetsiketsehana mameno ny firenena, ka nampitombo ny fangorahana sy ny fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Tamin'ny Alatsinainy, nanambara ny fanohanany ny “revolisiona milamina an'ireo tanora sy ny hetahetany” i Ali Muhsen, manamboninahitra ambony ao amin'ny tafika Yemenita.
Nanoratra i Nasser Arrabyee, mpanao gazety Yemenita mipetraka ao Yemen:
Nanambara ny fanohanany ny revolisiona milamina mifanohitra amin'ny 33 taona nanjakan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh ny lehiben'ny miaramila any amin'ny faritra andrefana, Ali Muhsen, ny Alatsinainy.
Tonga ny dingana manaraka taorian'ny nanaparitahana ireo miaramilan'ny jeneraly Muhsen manodidina ny sit-in ao amin'ny toby akaikin'ny oniversité tamin'ny Alahady 20 martsa 2011.
Nampiany hoe:
Dingana vaovao ho an'ny fihetsiketseham-panoherana an'i Saleh indray.
Jeneraly Mussen, iray amin'ireo akaiky ny Filoha Saleh, no heverina ho lehiben'ny miaramila faharoa maharitaka aorian'i Saleh.
Ny fihetsiketsehan'i Ali Muhsen dia toy ny midika fa maka ny mpanao fihetsiketsehana ireo miaramila ary mitsangana manohitra an'i Ali Abdullah Saleh.
Mpitolona Yemenita no ni-tweet (@yemen4change):
@RAHB1980 nanomboka androany, mino aho fa nizarazara ireo miaramila, saingy miaraka amin'ny fametra-pialàna marobe, mety hametra-pialàna koa ny ambin'ireo miaramila amin'ny andro manaraka
Taty aoriana, ny andro Alatsinainy, nanara-dia an'i Ali Muhsen nanao fametraha-piàlana faobe ny mpiasa-panjakana Yemenita, ny ambasadoro, ny miaramila jeneraly sy ny mpikambana ao amin'ny parlemanta
ni-tweet ny Suhail TV:
نعتذر عن عدم قدرتنا مواكبة جميع الإستقالات المتواليه من الحزب الحاكم ومن القاده العسكريين ومن المشائخ والشخصيات لكثرتها #yemen #suhail
Nitatitra koa izy hoe:
سفراء اليمن في كل من الكويت والصين وسوريا والأردن واليابان والسعوديه وباكستان وغيرها ينضمون لثورة الشعب والشباب #yemen #suhail #sanaa #yf
Nianjera toy ny lalitra izy ireo tao#Yemen, jeneraly miaramila 2, mpitondra teny ao amin'ny antenimieram-pirenena, ny ambasadaoro ao Japana dia niala daholo tamin'ny fitondrana
Yahya Al-Saryhi, namoaka tao amin'ny (G.C.Y) جيل التغيير اليمني lisitra an'ireo rehetra izay nametra-pialàna androany, ary nanambara ny fanohanany ny revolisiona. Hameer Al-Ahmer, Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ny masoivoho Yemenita ao amin'ny repoblika Czech, ny lehiben'ny televiziona Yemenita, sy ny governoran'i Aden dia ao anatin'io lisitra lavabe io avokoa.
Midika fa akaiky ny fiafaran'ny 33 taona nitondran'i Ali Abdullah Saleh noho ireo fametraha-pialàna .
Ben Wedeman ni-tweet:
Mivembena, efa hianjera: Ali Abdallah Saleh ao #Yemen
Wsaqaf ni-tweet:
Tantara ao #Yemen miaraka amin'ireo lehiben'ny miaramila mamonjy ny fihetsiketsehana. Andrasana hametra-pialàna na hitsoaka i #Saleh