Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny horohoron-tany tany Japana taona 2011 ity lahatsoratra ity.
Tetikasa ara-kolontsaina miisa telo mifandray no nivoitra vokatry ny fahasimbana naterak'ilay horohorontany sy ny tsunami (tondra-drano mahery vaika) izay nianjady ny faritry ny morondrano avaratr'i Japana tamin'ny zoma farany teo dia ny 11 Martsa, taona 2011 izany.
#prayforjapan logo
Namporisika ireo tsara sitrapo manerantany ny mpamorona ny #prayforjapan mba handefa hafatra fanohanana amin'ny alalan'ny famoahana vaovao ao amin'ny vohikala Twitter sy fanolorana fanampiana an-tserasera. Nanamboatra sary famantarana maro izy izay ahitana refy maro karazana azo avoaka printy, sy sorabe mihetsiketsika, ary sarintava amin'ny haino aman-jery sosialy.
Io tetikasa io dia notarihan'ny mpitoraka bilaogy iray sy olona matihanina amin'ny fanaovana doka dia i Naoyuki Sato izay fantatry ny maro amin'ny anarana hoe Satonao. Nanazava [jp] ny fomba nanombohan'io tetikasa io izy, taorian'ny nandraisany tweet avy any amin'i Mikihiko Sawahata (@hossib), ilay tompon'ny trano lehibe fisakafoanana Japoney Bissoh tao Beaune, Frantsa:
さとなおさん、店で義援金を募集したいのですが募金箱のデザインをして下さる方はいらっしゃいませんか? PDFファイルにして上げていただければ全世界でDLして印刷し、色々な場所におけます。
すぐに友人の石川淳哉さん(@junyaishikawa)にツイッターで相談し、「すぐ動こう」となり、あっという間に超多忙なデザイナー森本千絵さん(@morimotochie)にアプローチ。快諾をいただいて約1日、こんなデザインのマークが完成した。想いが詰まっていて、温かいいいマークだと思う。松永有子さん(@ebiita)、押井猛さん(@gatyaping2)のご協力も得て出来上がった。
Io tetikasa io koa dia manentana ny vahoaka haneho ny fomba fijeriny izay azo jerena ao amin'ny @prayjp.
#setsudencopy
#setsudencopy no tenifototra nampiasaina tamin'ny tetikasa fiaraha-miasa hamoronana sary apetaka amin'ny afisy izay nandefasana hafatra ny rehetra mba hitsitsy ny herinaratra. Nanazava ny anjara asany io vohikala io:
いまTwitter#setsudencopyで温かい節電コピーが生まれている。人が人を思う気持ちに感動だ。Twitterの中だけに留めておくのはMOTTAINAI!
そこで!
節電コピーのポスターを募集するぜ。印刷して、街中に貼ってくれ。(もちろん許可は取るんだよ。)
「アタシ家にプリンターなんて無いもの!」って子!なんと、セブンイレブンで印刷できちゃうんだぜ。各ポスターの下にある「ネットプリント」の番号をコピー機に入力するだけ!「俺もポスターつくった!」って人は、下の [節電ポスターを投稿する] ボタンをクリック!インターネット歴1年未満の子は、メールで送ってね!
Niforona manerana izao tontolo izao tao amin'ny Twitter ny teny filamatra izay mampihetsi-po tokoa miangavy ny rehetra hitsitsy ny herinaratra amin'ny alalan'ny tenifototra #setsudencopy. Niainga avy amin'ny fifampitsinjovan'ny vahoaka izy io. Mampalaelo raha tazonina ato amin'ny Twitter fotsiny izany!
Izany indrindra no antony angatahanay alalana hamoaka AFISY mba hitsitsiana ny herinaratra ! Avohay printy izy ireo, ka fenoy ny rindrina rehetra ao amin'ny tanananareo (Fa mangataha aloha alalana ahafahana manao izany, izany an?) Tsy manana milina fanaovana printy ianao? Tsy olana izany. Fantatrao ve fa manana milina fanaovana printy ny Seven-Eleven? Tsindrinareo fotsiny ny numerao voatokana amin'ny “fanaovana printy” eo ambanin'ny afisy tsirairay eo amin'ny milina famoahana kopia maromaro ao amin'ilay magazay!
Raha namorona afisy iray ianao, dia tsondrio fotsiny eo amin'ny “post this energy saving poster” (ampidiro amin'ny aterineto ity afisy fanentanana hitsitsy herinaratra ity), raha mbola votsavotsa ianao amin'ny fampiasana aterineto, dia alefaso mailaka aty aminay fotsiny ilay izy!
Efa navoaka tao amin'ny bilaogy Tumblr , tamin'ny alalan'ny aterineto ireo sary famantarana ireo ka ny voalohany indrindra dia nivoaka tamin'ny faha 12 Martsa taona 2011.
Mahazo alalana hijery ireo afisy ireo avokoa ny mpamaky rehetra:
このサイトにあるポスターはデザイナーたちの心意気によって、パブリックドメインドメインになっている。つまり、誰に許可を取ることなく、印刷、編集、転載など、自由かつ無制限に使っていいんだ。これらのポスターが少しでも早く、たくさんの人の行動に結びつくことを願っている。
#newday_GEISAI
Hetsika ara-kolontsaina iray lehibe noforonin'ilay manan-talenta Takashi Murakami ny GEISAI tamin'ny taona 2001. Ny andiany faha 15 dia tokony ho atao ny 13 Martsa taona 2011, ao anivon'ny kongresy Tokyo Big Sight.
Tao anatin'ny fanambarana milaza ny fanafoanana izany, dia nanolotra sosokevitra i Murakami :
ka ny lohahevitra tamin'izany dia ny fanohanana ireo niharam-boina sy ireo very fanantenana tanteraka taorian'io horohoron-tany io, hanampy ahy hampiditra sary famantarana amin'ny aterineto ao amin'ny vohikala fampidirana sary ao amin'ny Twitter ve ianareo?
Io hetsika ara-kolontsaina GEISAI io dia tokony ho voalohan-daharana eo amin'io fihetsiketsehana io ary io hevitra io no nahatonga anay nisafidy ny soso-kevitra etsy ambany sy angatahanay ny rehetra mba hanomboka handefa ny sary famantarany aty aminay!
Ny teny fototra dia atao hoe #newday_GEISAI
/search?q=%23newday_GEISAI”>#newday_GEISAIHisy foana ny ampitso.
Mbola hiposaka ny masoandro.
Andro iray hafa,
Io no lohahevitray.