- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany. Indreto manaraka ireto ny sasany tamin'ireo izay nifampizaran'ny mpamaham-bolongana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany:

Nitantara mivantana ny diabe [1] ny andrin'ny bolongana maraokanaVeteran Moroccan blogger Larbi, live-blogged the marches [1] [Fr]. He writes:

09h50 A Rabat, il fait beau et les manifestants commencent à se rassembler à Bab El Had. Premières photos via Riad:

9:50 any Rabat, tsara ny andro ary manomboka mivory eo Bab El Had ny mpanao fihetsiketsehana. Sary voalohany avy amin'i Riad:
[2]

Rabat, 20 Marsa – Via Larbi.org

[3]

Rabat, 20 Marsa — Via Larbi.org

Nilahatra am-pilaminana teny an-dalambe afovoan-tanàna ny olona analiny tao Casablanca. Nadia Lamlili no nizara izay nosaininy [4] rehefa tonga teny amin'ny fanaovana fihetsiketsehana izy:

J ai jamais vu une marche aussi bien organisée. J ai la chaire de poule

Tsy mbola nahita diabe nilamina tahaka izany aho. Nangovitra aho.

Sondriana ihany koa i Politiconaute. Nisioka an-tserasera izy [5]:

On s'applaudit nous meme… Lakada kousira hajiz lkhaouf… #20mars #20fev

Nifampitehaka izahay… Nianjera ny rindrin'ny tahotra…

Houda (@Houdac) raha nizara ny sary azony tamin'ny diabe tany Casablanca:

[6]

Mamfakinch! (tsy hihemotra izahay) sary @Houdac nivoaka Twitpic

[7]

Silmiya! Silmiya! (Milamina! Milamina!) – Sary @Houdac nivoaka Twitpic

Hiaka nandritra ny diaben'i Casablanca:

[8]

Mpanjaka manjaka fa tsy mitondra — sary @Houdac nivoaka Twitpic

Rehefa nandroso ny fotoana dia voamarika fa nisy zavatra tsy teo: Ny fidiran'ny polisy an-tsehatra. Nadia Lamlili ni-tweet [9]:

@nadialamlili : La police dans les rues perpendiculaires observe de loin. Une marche dans la dignite

@nadialamlili: Mitazan-davitra ny Polisy. Mendrika ny filaharana.

Samy nanombatombana ny isan'ny nandray anjara tamin'ny diabe ny haino aman-jery. @m20fev [10] nizara ity sary tamin'ny Twitter ity sady niteny hoe:

الدار البيضاء الان hado galik 3000, wa baz??

Casablanca izao. Ahoana no ilazany fa 3000 fotsiny izao??
[11]

sary m20fev nivoaka Twitpic

Nanomboka niparitaka ihany koa ny lahatsary avy amin'ny lafy valon'ny firenena tany amin'ny valan-tserasera isan-karazany any. Amin'ny ankapobeny dia nilamina ny fihetsiketsehana.

Ao amin'ity lahatsary avy any Marrakech navoakan'i marouane82 [12] ity dia mihiaka ny olona “Miala ny governemanta! Ravao ny parlemanta!”:

http://www.youtube.com/watch?v=svbTBpkjWDg [12]

Ary eto, diabe tany an-tanànan'i Kenitra mihiaka hoe “Tian'ny vahoaka hiala ny kolikoly!” (lahatsary navoakan'i mesbahih [13]):

Avy any Meknes ity lahatsary navoakan'i special20fevrier [14] ity:

Avy any an-tanànan'i Fez, ity lahatsary ity dia mapiseho ny hiakan'ny olona “Any anaty rako ny zoko, tsy mampaninona ahy izay ataony amiko” (naovakan'i mostouz [15]):

Farany sary somary mitsatotsatoka mampiseho ny olona an'aliny milahatra tsara an-dalambe avy ao Casablanca (navoakan'i kafkatim [16]):

http://www.youtube.com/watch?v=ghRL7F9lS8o [17]