
Lisi-pifidianana. Sarin'ny @2012writer : "Nifidy nilamina aho. Nikatona haingana tamin'ny 11 ora ny sekoly Don Bosco ao PV (Petionville) ary nisokatra tamin ny 6 ora. Tsy nisy filaharana."
Araka ny vaovao ao amin'ny Twitter momba ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filoha am-pirenena androany ao Haïti, filaharan-be tao amin'ny birao fifidianana, tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana ireo mpifidy tao amin'ny Lycée Petion sy tao amin'ny Lycée Croix des Bouquets , toe-javatra izay efa nahatonga olàna tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny volana novambra lasa teo. Fa maro ihany koa ireo nanara-maso tamin'ny valim-pifidianana. Manome isa maro an'ilay mpihira Michel Martelly ny fitsapa-kevitra natao herinandro mialoha izay mihoatra lavitra amin'ny mpifanandrina aminny Mirlande Manigat, mpampianatra eny amin'ny oniversité sy vadina Filoha taloha.
“Ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tao amin'ny vata-pifidianana tao amin'ny Lycée Cité Soleil izay nihiaka #tetkale,” dia ni-tweet tamin'ny mpanao gazety Miami Herald Jacqueline Charles (“tetkale” anisan'ireo anaram-bositr'i Martelly, miresaka an-kolaka momba ny fahasolany), ary sary nalefa tao amin'ny Twitter izay mampiseho ireo kandidà noraisin'ireo mpifidy tami-kafaliana :
![mart_saliendo @Telenoticiasrd: "Martelly saliendo de votar. Multitud en las afueras." [Martelly exits after voting. Crowd outside].](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2011/03/mart_saliendo.jpg)
@Telenoticiasrd: "Nankeny anivon ny vahoaka i Martelly rehefa avy nifidy".
@mhsaintluc, araka ny filazany, tsy nanafina ny fanohanany an'ny Ramatoa Manigat, sady nandefa ity manaraka ity izy:

@mhsaintluc: "Afaka nifidy ny olona sahaza hitondra fanovana izay efa nandrasan i Haiti aho!"
Niseho teto ny kandidà iray, tamin'ny fahatongavany tao amin'ny birao fandatsaha-bato.
Fanontanina mipetraka ao an-tsain'ny olona maro ny mahafantatra hoe iza amin'ireo kandidà no mahazo ny fanohanan'ny Filoha taloha tsy fantatra be eny ihany Jean-Bertrand Aristide, tonga teto an-tanindrazana ny Zoma, enintaona taorian'ny nahavoahongana azy tamin'ny alalan'ny fanongana-panjakana ka voatery azy nialokaloka. Mampiseho izay mety momba ny Ramatoa Manigat ity sary ity @cliffchevalier .

@cliffchevalier: "Trakitra nozaraina tao Haïti mampiseho fa i Aristide dia miantso mba hifidy an i Manigat. "Kay" midika hoe Manigat?"Ny voasoratra ao amin ny trakitra : "Nangataka ny Haisiana rehetra i Aristide mba hanova ny fon ny Antenimiera haisiana
Izay mifandraika amin'ny sora-baventy izay nivelatra tao Cité Soleil, tanànan'ny mahantra midadasika izay ahitana ireo mponina manohana an'i Aristide. Toy izao ny vakiny : “Efa ao sahady i Mama. Tongasoa, Dada !”