- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Diary an-dahatsary ny herisetran'ny polisy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Tanora, Vonjy Voina

Raha mbola mitodika any Libya ny haino aman-jery sy ny fihodin'ny tantara any, dia mamely mafy ny mpanao fihetsiketsehana mitady demokrasia kosa ny ny fitondrana any Bahrain. Dimy no maty ny alarobia raha nanafika ny mpanohitra ny fitondrana izay nivory teo amin'ny tsangambato boriborin'i Pearl (Lulu) ao an-drenivohitra Manama ny mpitandro ny filaminana. Nambara ny fahalatsahan'ny firenena an-katerena mandritra ny telo volana tamin'ity hertinandro ity ary napetraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny ora voatondro. Maro ny mpiaro ny zon'olombelona, mafana fo politika ary mpanao fihetsiketsehana nosamborina raha misy ny hafa nambara ho nanjavona. Eo anatrehan'ny tsy filazan'ny haino amanjery azy ity , dia nandray ny fakantsariny ny olona ary mandrakitra izay tsy tian'ny gazety tohanan'ny fitondrana ho hitanao.

Indro ary ny diarin'ny fihetsiketsehana tany Bahrain araka izay navoakan'ilay mpamaham-bolongana Chan'ad Bahraini 2.0 [1] izay milaza:

[S]ince the start of this latest uprising on 14th of February, dozens of […] cases of excessive force have been captured on video. It has finally given solid proof of the type of abusive practices that the security forces — and by extension the regime in Bahrain — have been employing for years.

Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana tamin'ny 14 febroary dia fampiasana hery tafahoatra ampolony no voarakitra an-dahatsary. Ity no porofo mivaingana amin'ny fihoara-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana — ary raha itarina dia ataon'ny mpitondra ao Bahrain — izay efa fanaony an-taonany maro.

Fampitandremana: mampihoronkoditra ny lahatsary sasany. Ilaina ny ho malina raha mijery azy.

14 Febroary 2011

Voamariky ny famoretana mahery vaika ny andro voalohany nisiana fihetsiketsehana araka ny hita amin'ny sary avy any Diraz mampiseho polisy mitifitra amin'ny bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso amina mpanao fihetsiksetsehana tsy mitondra fitaovam-piadiana (lahatsary nivoaka tao amin'ny Youtube avy amin'i smohd92 [2]):

tany Daih, namely akaiky ny mpanao fihetsikesehana ny polisy misahana ny rotaka (lahatsary navoakan'i margadoosh [3]):

Tany Sehla, notafihan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana tsy tafiditra fihantsiana (lahatsary navoakan'i albahrain2011 [4]):

Sehla – sehatra teo ihany fa sary nalaina tamina joro hafa  (lahatsary navoakan'i alsehlawy12 [5]):

Tany Sitra nigidraka tamina mpanao fihetsiketsehana mitondra sainan'i Bahrain ny polisy (lahatsary navoakan'i retman96 [6]):

17 Febroary

Notafihan'ny fanjakana ny mpanao fihetsiketsehana tsy mitondra fitaovam-piadiana nilasy teo amin'ny tsangambato boriborin'i Pearl (Lulu) anrenivohitra  Manama amin'ny telo ora maraina (lahatsary simsim7501 [7]):

18 Febroary

Manama – Mpanao fihetsiksetsehana te-hanakaiky ny tsangambato boribory Lulu mihiaka “Fandriampahalemana! Fandriampahalemana!”. Notifirina tamin'izany ry zareo (lahatsary navoakan'i shaffeem [8]):

[Tandremo: SARY MAMPIHORONKODITRA]

13 Marsa

Mpanao fihetsiksetsehana tsy nitondra ifaovam-piadiana notifirina tamina bala fingotra imbetsaka (lahatsary navoakan'i ali9566 [9]):

Polisy nitifitra mpaka sary akaikin'ny Anjerimanontolon'i Bahrain (navoakan'i EncryptedReality2 [10]):

15 Marsa

tany Sitra, nidaroka mpanao fihetsiketsehana ny polisy misahana ny rotaka mialoha, araka ny fijery azy, ny nitifirany azy (navoakan'i NaserAlshea [11]):

16 Marsa

Tany Megsha mpanohitra tsy mitana fitaovam-piadiana mananga-tanana notifirina (lahatsary navoakan'i almeel1 [12]):

Tany Saar, polisin'ny rotaka nanao herisetra tamina mpamily teo amin'ny toeram-pisavana iray (lahatsary navoakan'i BHR142011 [13] — tsy misy feony):

Ireo lahatsary manaraka ireo indray dia mampiseho ny polisy misahana ny rotaka mamotika ankitsirano ny fiaran'olo-tsotra (lahatsary navoakan'i mjarexmja [14] sy EncryptedReality2 [10] ara-pilaharana):

Mbola misy lahatsary azo jerena ao amin'ny bolongana Chan'ad Bahraini 2.0 [1].