Tonizia : Tsy nankasitrahana ny fitsidihan'i Hillary Clinton

Fanadihadihana manokana mikasika ny Tonizia taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Tao anatin'ny roa volana izay naha-voaongana ny Filoha Toniziana teo aloha Ben Ali noho ny fihetsiketseham-panoherana revolisionera, tsy latsaky ny 4 ireo tompon'andraikitra Amerikana tonga tao Tonizia : ny sekreteram-panjakana mpanampy ho an'i Afovoany Atsinanana (Moyen-Orient) Jeffrey Feltman, ny sekretera lefitra momba ny raharaha politika William Burns, sy ireo loholona Joseph Lieberman ary i John McCain. Tamin'ny Alarobia hariva 15 martsa, anjaran'ny sekretam-panjakana Amerikana Hillary Clinton no tonga tao amin'ny renivohitra rehefa avy any Ejypta izy.

Tany Ejipta, nandà ny fanasana hihaona an'ny Ramatoa Cliton ny Vondron'ny tanora revolisionera tamin'ny 25 janoary ,noho ny fihetsika tsy mendrika nataony tamin'ny fanombohan'ny revolisiona sy ny fanatonan'ny fanjakana Amerikana an'i Moyen-Orient,” araka ny  fanambaran'ny Mpiara-dia [amin'ny teny anglisy]. Tsy dia nisy fahasamihafana maro loatra ny tao Ejypta ny fihetsik'ireo vahoaka tamin'ny fahatongavan'i Hillary Clinton tao Tonizia.

Protests against Clinton's visit in Tunisian capital Tunis. Image by Emir Ben Ayed, copyright Demotix (17/03/11).

Mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitsidihan-dRamatoa Clinton ao Tunis. Sary Emir Ben Ayed, copyright Demotix (17/03/11).

Nisy fihetsiketsehana manohitra ny fahatongavan'i Hillary ny Alarobia sy ny Alakamisy. Toy ny fihatsaram-belatsihy no fahitan'ireo mpanohitra izany, satria mpiara-dia akaiky ny fanjakana Ben Ali ny governemanta USA.

Nanoratra i Bassem Bounenni  :

Toniziana an-jatony no nanao fihetsiketsehana tao Tonizia mba hilaza ny tsy fankasitrahany ny fitsidihan'ny sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton. “Clinton mandehana”, “tsy mila Amerikana aty Tonizia”, hoy ny fiventson'ireo mpanao fihetsiketsehana manakaiky ny minisiteran'ny Atitany, sady milanja sora-baventy manohitra ny Amerikana.

Nanampy koa i Kacem Jlidi fa:

Tsy ny tsy fahafantarana ny fahatongavany sy ny tanjony  ihany fa  ny fahanginan'ny haino aman-jery tamin'ny andro nahatongavany koa, izany rehetra izany no nanosika ireo tanora Toniziana hidina andalam-be tao Hbib Bourghiba (ny làlana lehibe ao amin'ny renivohitra), manoloana ny masoivoho Amerikana ao Tonizia sy tao amin'ny seranan'ny Tunis-Carthage. Nisy ny fihetsiketsehana telo andro mialoha (15, 16 ary 17 martsa).

Nitatitra koa izy fa nampiasa hery ireo polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina :

Niafara tamin'ny fanafihana feno herisetra nataon'ireo polisy ny fihetsiketsehana nilamina ! Voalaza fa nidaroka sy nisambotra ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy, ary koa nisy alika nampiasaina mba hampitahorana ireo vahoaka, nosimban'ireo polisy koa ny soram-baventy nolanjain'izy ireo.

Nihevitra ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Amerikana fa misy tetika miafina aorian'io fitsidihan'i Hillary Cliton io. Ao amin'nyTwitter, nametraka ity fanontaniana ity i Nizar Moalla (@NIZARMO) tamin'ny 17 martsa:

@NIZARMO: mieritreritra ve ianao fa hitsidika an'i Tonizia sy Ejypta i  Hillary Cliton mba hanamorana ny fampiasan'izy ireo ny toby tafika an-habakabaka amin'ny Libya??

Ni-twet koa i Kais Sellami (@kaissellamy) io andro io:

@kaissellamy: matahotra aho fa eto i #clinton mba hifampiraharaha ny toby tafika an-habakabaka ao #Tunisie mba hanafihana ny #libye ary toy izany koa ny ao #egypte

Ni-tweet i Sami Khalifa (@S_Khal):

@S_khal: Tokony holazaina amin'i H Clinton fa mila ny demokrasianay izahay fa tsy izay tiany atao amintsika #tunisie

Ni-tweet ny Freedomtunisia (@freedomtunisia):

@freedomtunisia: mitady mpanao didi-jadona vaovao i Clinton ho an'i Tonizia na ho an'i Ejipta. Mialà … #sidibouzid #feb17 #jan25

Ny alin'ny 17 martsa, niseho tamin'ny fandaharana adihevitra tao amin'ny fahitalavitra tsy miankina Toniziana Nessma TV i Hillary Clinton . Tsy afa-po ireo izay nanaraka ny fandaharana, nihevitra fa toy ny zavatra ivelany sady tsy miresaka ny tena lohahevitra.

Ni-tweet i Iadh Jomaa (@iadh65) :

@iadh65: #Tunisie #Clinton valiny manafosafo amin'ny fanontaniana manafosafo. […]

Nanoratra i Kacem Jlidi :

Nandritra ny fiadian-kevitra, ny zavatra tsapa, dia mody mitsiky ara-diplaomasia i H Clinton sady manonona ireo teny izay fantany fa tiantsika hohenoina, ary nanome fampanantenana sy nangataka ny hihaino anay mba ahafahany mandinika izany sy hijery izay azon'ny governemantany atao.

Nampiany hoe :

Ho an'ireo izay nanaraka ny vaovao tao amin'ny Twitter sy facebook, afaka nanamarika ianareo fa efa fantatra mialoha fa hanao fanambarana manoloana an”ireo bilaogera Tonizina i H Cliton. Toa niangavian'ny masoivohon'i Etazonia sy Microsoft mba hanome ny lisitr'ireo bilaogera fantany i Nessma ; efa nanana ny lisitr'ireo bilaogera tena mahay koa moa ny Nessma TV (…) Tokony ho sarotiny ve izy ireo tamin'ny fisafidianana olona mba ahafahany mifehy ny fanontaniana mety hitranga ? Fanontaniana toy izany :

-  Ahoana no fanazavan’ ny Ramatoa Clinton ireo grenady mandatsa-dranomaso sy ireo fitaovam-piadina ary bala tena izy nampiasaina tamin'ireo Toniziana sy Ejipsiana  ARY vita tany USA sy Isiraely ?

- Nahoana ny governemanta Amerikana no mihatsara-velatsihy hanohana ny mpanao didy jadona sy hilaza ny hitondra ny demokrasiany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.