- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary

Sokajy: Karaiba, Haiti, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka.  Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly [1] ireo kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky [2] ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.

@melindayiti: Small crowd at Cite Soleil voting bureau, already open [3]

@melindayiti: "Olona vitsivitsy eo amin'ny biraom-pifidianana ao Cite Soleil efa misokatra". Ny Cité Soleil midadasika moa dia iray amin ny faritra mahantra sy mampidi-doza indrindra any Haiti.

@vivehaiti: "Urne vid pa idantifye donk poko gen vot nan lise danyel la." [Unidentified empty ballot box at the Lycee Daniel].
@samaxyalaat: "Just taping up the electoral lists, lycee petion downtown. Already an hour behind." [4]

@samaxyalaat: "Mba mijery ny lisi-pifidianana, lycee petion afovoan-tanana. Efa ora iray aty aoriana."

New York Times' bureau chief Randol Archibold (@rcaNYT): "Voting materials finally arrive at #Martelly polling place, 2 hrs late, calming crowd." [5]

Lehiben ny New York Times Randol Archibold (@rcaNYT): "Tonga ihany ny fitaovam-pifidianana ho an ny biraom-pifidianana ao place #Martelly, 2 ora ny fahatarana, milamina ny olona."

@Vladguerre: Members voting center at Lycee de Petion Ville counting the ballots before start the voting process.

@Vladguerre: "Mpikambana biraom-pifidianana Lycee de Petion Ville manisa ny vato mialoha ny fifidianana."

@Vladguerre: "A voter outside the Lycee de Petion Ville asking for opening the voting center,people wants to vote." [6]

@Vladguerre: "Mpifidy iray ao ivelany ao Lycee de Petion Ville miantso ny hisokafan ny biraom-pifidianana, te-hifidy ny olona."

[7]

@melindayiti: "Maro kokoa ny mpanara-maso sy ny mpiambina noho ny mpifidy ao Corail".

New York Times bureau chief Randol Archibold: "Other voting sites in #Haiti were calm while opening late and ballots were being cast." [8]

Lehiben ny New York Times Randol Archibold: "Milamina kosa ny toeram-pifidianana hafa any #Haiti na tara aza ny fisokafana."

@mhsaintluc: "Anbyans tansyon devan sant vot Ernts Desir" [Tense atmosphere in front of the Ernst Desir voting centre].
@esfaceblack: "HNP (Haitian Nat'l Police) proudly voting." [9]

@esfaceblack: "HNP (Polisy Haisiana) tsy menatra mifidy."