- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Fahatezerana tao amin'ny Parlemanta noho ny fivoahan'ny telegrama vaovao tao amin'ny Wikileaks

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nitarika fahatezerana tamin'ny Parlemanta Indiana [1] nahitana ny mpanohitra nangataka fanazavana tamin'ny praiminisitra, ary tonga tamin'ny fitakiana ny fialàny ny fivoahana andia-telegrama Indiana farany avy amin'ny Wikileaks, manambara ny fisiana fanangolena ny depiote nandritra ny fametraham-pitokisana volana jolay 2008  nofinidin'ny governemanta UPA ankehitriny. Voatery nanao fanambarana [2] mandà izay voalaza ny praiminisitra Manmohan Singh sady nanontany [misalasala ny amin'ny] ny fahamarinan'ny telegrama sy fahazoana matoky izay voalaza ao anatiny. ,- noho ireo karazana hafetsena nitondra tamin'ny fifandimbiasana haingana, farany anefa dia nanao fanambarana [2] mandà ireo voalazany izy ary tamin'izany fotoana izany nisy ny fanontaniana momba ny fahatokisana sy ny fahamarinan'ny telegrama . Efa tratran'ny fanontaniana sesilany momba ny fanafintohinana isan-karazany nitranga tao amin'ny antokony noho ireo karazana fisolokiana manko ny Praiminisitra.

[3]

Fotoanan-ny Wikileaks any India

Ankoatra ny Parlemanta, hatramin'ny namoahan'ny Hindu [4] ireny telegrama ireny dia nafana ny adihevitra teo amin'ny mpiserasera izay misy ny rikoriko, misy ny manebaka ary misy ny mamazivazy.

@Chellaney [5]: [6]Arakaraky ny hamakian'ny olona ny telegrama Wikileaks, no mahabetsaka ny isan'ireo tsangan'olona hita. Ohatra, nisaotra an'i Kalam i Mulfoed noho ny fandresen-dahatra nataony tamin'ny resaka nokleary

@omkara2 [7]: @vikramchandra [8] maro ireo firenena hazan’ ny wikileaks..tsy misy nanao fihetsika toy ny nataon'i India..sinema re izany..izay mampiavaka an'i India

@m2shooter [9]: Tokony holazain'ny Wikileaks ny vidin'i India, efa atao lavanty noho ny kolikoly ny firenena.

@twitchdude [10]: Mahagaga !! nahoana ny telegrama tsy nohamarinina sy tsy azo hamarinina no mahatonga korontana tahaka izao. #wikileaks #india

@pradeepphadke [11]: Ny tsy fahalalana na inona na inona dia toetra mampiavaka ny mpitarika – toa an'i MM Singh! izy no Praiminisitry ny demokrasia goavana indrindra manerana izao tontolo izao nefa tsy mahalala na inona na inona mihitsy!!

@dibgal [12]: ahoana no ilazan'olona fa manana ny fandaharam-potoana manokana ho an'i India ny wikileaks? iray amin'ireo naman'ny raiko izay mpanao politika mafana fo dia niteny sahala amin'izany ihany koa. mahasanganehana

@jhunjhunwala [13]: Tratran'ny krizy nokleary i Japana. Ao India, tsy fantatra izay tokony hifampiraharahana voalohany – 2G, CWG sa Wikileaks amin'izao. Tratran'ny krizy TSY FANTATRA isika

@coolfunnytshirt [14] : Raha nanontaniana momba ny fatiantok'i India tao SA, nilaza ny Praiminisitsika fa fomba fitadiavam-bola sy tsy voamarina ny amboara iraisam-pirenena. #wc11 #cwc2011 #wikileaks

Nisy ny adihevitra momba ny filazana koa fa sahirana [15] ny sekretaram-panjakana Amerikana Hillary Clinton tamin'ny fanendrena an'i  Pranab Mukherjee ho minisitry ny vola.

@Bansal_Anurag [16]: Tsy faly ny Amerikana tamin'ny fanendrena an'i  Pranab Mukherjee ho minisitry ny vola: WikiLeaks, izahay koa tahaka izany. Ahoana no itovizan'ny fihetseham-po miampita kontinanta….Mahagaga

@KanchanGupta [17]: Ny didim-pitsarana! Lasan'i Pranab Mukherjee ny loka Golden Pumpkin tamin'ny fisisihan'ny telegrama tafavoakan'ny WikiLeaks hizaka ny tsimatimanota diplomatika!

Na dia izany aza, tsy ny olona rehetra no niara-paly tamin'izay hita ao amin'ny Wikileaks. Vitsy tamin'ireo mpi-tweet no nahatsapa fa mila tsiambaratelo ny governemanta raha miasa saingy nopotehin'ny Wikileaks izany fanao izany.

@IntelliCzar [18]: WikiLeaks..vato mamingana ny zon'ny governemanta hiasa mangina..izay eritreretiko fa tena ilaina raha hitondra firenena lehibe sy maro karazana tahaka an'i India malala.