Tantara tamin'ny 17 Marsa 2011
Frantsa : Fanahiana sy fanantenan'ny vondro-piarahamonina Japoney
Niteraka ahiahy tamin'ny ankamaroan'ny Japoney monina ivelan'ny tanindrazany, na izany eto Frantsa na any an-toeran-kafa, ny mahita sary mampihoronkoditra ny tsunami sy ny vaikany. Nanao izay hifandraisana amin'ny havany noho ny fisian'ny aterineto ry zareo ny tontolo andron'ny zoma 11 marsa
Okraina: Mampitaha an'i Fukushima sy i Chernobyl?
Ilay horohorontany niaro tsunami namely an'i Japana tamin'ny zoma 11 martsa lasa teo iny no niteraka fahasimbana goavana [ENG] ho an'ny foibe nokleary Fukushima-1, satria ny fijanonan'ny fomba fampangatsiahana dia niteraka trangan-javatra mampalahelo toy ny fipoahana matetika, afo, ary fiakaran'ny hafanana [ENG] teo amin'ny fitaovana mpamokatra herinaratra nokleary. Arakaraky ny fivoaran'ny zava-misy, dia mampiseho...
Syria: Hetsi-panoherana Ho Fanafahana Ireo Gadra Politika, 38 No Voasambotra
Tamin'ny 15 Martsa, nanaraka ny "Androm-pahatezerana" tao Syria, andian'olona 150 teo ho eo, mpanao fihetsiketsehana, no nifamory teo ivelan'ny Ministeran'ny Atitanytao Damaskaosy, nangataka ny hamotsorana ireo gadra politika rehetra. Raha kely indrindra dia 38 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo no voasambotra.
Bahrain: Nambara ny Fepetra Amin'ny Tany Latsaka an-katerena
Ny Talata 15 Martsa 2011, izay iray volana taorian'ny fiatombohan'ny fanoherana izay nitranga tao amin’ny Manama renivohitry Bahrain ny 14 Febroary, dia nanambara ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al-Khalifa fa hametraka Lalana momba ny Filaminam-pirenena, izay hanome fahefana feno ny tafika mba hiaro ny firenena.