- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Fanafihana mahery vaika!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Naparitaka [1] androany maraina (16 marsa) ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny fiodidinan'i Pearl ao Bahrain(Lulu), miaramila sy polisy no nanao fanafihana mahery vaika tamin'izy ireo.

Nitatitra ny Mpiserasera fa nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy tamin'ny basy tamin’ ireo mpanao fihetsiketsehana ny fiara mifono vy, ny angidi-by ary ny miaramila mandeha an-tongotra, ary nihaza ny mpanao fihetsiksetsehana hatrany amin'ny làlankely sy ny tanàna kely manodidina . Nobahanana ny lalàna mankany amin'ny fiodidinana, milaza ny tatitra sy ny sary fa ny hopitaly lehibe Salmaniya  dia nobahanan'ireo polisy manohitra ny fihetsiketsehana,  hanakanana ny fitsaboana ireo izay maratra. Hatramin'izao, nilaza ny fanadihadiana fa olona roa no maty ary maro ireo naratra izay mbola tsy fantatra ny isany.

Nanaparitaka andia miaramila 1000 i Arabia Saodita, ary ny an'ny Vondrona Arabo mihoatra ny  500 mba hanohana ny governemantan'i Barhain mba “hitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana.” Tsy fantatra raha tafiditra tamin'ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana androany maraina ireo andia miaramila ireo . Sarotra ny manamarina ny vaovao fa mitaraina ireo mpiserasera fa tapaka ny fifandraisan-davitra  ary mampiseho rakikira sy dihi-pitiavan-tanindrazana ny fahitalavitra ao Bahrain raha maro amin'ireo mpiserasera manohana ny governemanta no mbola manohy mandà ny zava-mitranga ao Barhain.

Ity horonan-tsary ity dia avy any Bahrain omaly, toerana manokana tsy fantatra.

http://www.youtube.com/watch?v=1az5lg289iw

Ity no malaza farany tao amin'ny Twitter:

Araho hatrany ny fitantarana avy any  Bahrain.