16 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 16 Marsa 2011

Panama: Mpanao gazety voaroaka

  16 Marsa 2011

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.

Yemen: Hafatra Fandrahonana Ho Faty Nahazo Ilay Mpitoraka Bilaogy, Afrah Nasser

Mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Yemenita, Afrah Nasser, naharay hafatra fandrahonana tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka izany tao amin'ny bilaoginy “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy, niteraka valinteny feno ahiahy avy amin'ireo namana maro tao amin'ny aterineto.

Ireo mpitsoam-ponenana Palestiniana very any Lybie

  16 Marsa 2011

Anisan'ireo lahatsoratra momba ny Fihetsehana tany Lybie 2011 ity lahatsoratra ity. Ireo vahoaka any Libiae, izay mirotsaka an-tsehatra amin'ny ady ho an'ny  demokrasia ary manohitra an'i Muammar Gaddafi sy ny miaramilany,...