Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Libia.
Mpaka horonantsary Al Jazeera iray, Ali Hassan Al Jaber avy any Qatar, no nisy namono tamin'ny 12 Martsa tany Libia, raha nisy nanafika tany akaikin'ny tanànan'i Benghazi ny andiana mpitati-baovao avy amin'ny fahitalavitra amin'ny teny Arabo iray. Tao amin'ny Twitter izany vaovao izany dia niteraka fitobatobahana fahatohinana sy fanohanana ho an'ilay mpakasary maty.
Wadah Khanfar, tale jeneralin'ilay tambajotra Al Jazeera, dia nanambara ny fahafatesana tao anatin'ny fandaharana iray tamin'ny filazana fa, “Tsy hangina ny tambajotra taorian'ny nahafatesan'ny mpakasary.” Nilaza izy fa mety hitory ireo namono.
Avy amin'i Rawya Rageh, mpitati-baovao Al Jazeera ny iray tamin'ireo tweets farany indrindra:
@RawyaRageh: Nilaza ny talen'ny Tambajotra Al Jazeera fa nisy fanafihana nahafatesana mpakasary @AJArabic taorian'ny fanentanana be tsy manam-paharoa nataon'i #Gaddafi manohitra ilay tambajotra. #Libya
Nisy sarin'ilay nodimandry nozarain'i @Ammr izay miasa ho an'i Al Jazeera any Qatar:
@ammr: RT @Halawala: Allah yr7am Ali Hassan AlJaber, mpaka sary Qatari maritiora tany Libia , mandria am-piadanana http://yfrog.com/h2h9snqj
رحم الله شهيدنا علي حسن جابر
Indrisy anefa fa tsy i Al Jabber no mpiasa Al Jazeera voalohany maty tany am-panaovana ny asany.
Hoy i Nashwa Nasreldin, mpanatontosa ho an'ny tambajotra rahalahy iray amin'ny Al Jazeera English (AJE):
@nashwanasreldin: Allah yir7amak anao ry Ali. Izao ny sarinao dia ho anisan'ireo eo amin'ny rindrin'ny #aljazeera HQ any doha ary ny fianakavianao dia ho isan'ireo izay namoy ny malalany
@nashwanasreldin: Horaketina eo amin'ny tsangambato fahatsiarovana ny anaran'izy ireo any ivelan'ny tranobe ary misy tranom-bakoka kely hasiana izay fananany voavonjy. #aljazeera Lasa tao anatin'ny segondra vitsy.
@nashwanasreldin: Misy vondrona kely an'ireo vady sy zanaka izay nifankahita tany doha tamin'ny trangan'ny #alJazeera. Samy namoy vady/ray niasa tao avokoa izy ireo. Mampalahelo.
Abdullah Mussa, mpanatontosa ao amin'ny AJE any Libia amin'izao fotoana izao (ary namako ihany koa), dia manampy hoe:
@abdullahmussa: mpakasarin'ny #aljazeera maty voatifitra tany #Libya. Nandritra ny sakafo maraina androany no niresahako taminy farany, nampitony ahy izy ary niteny tamiko hoe aza matahotra #aja #aje
Andro iray talohan'io, namoaka rohy i Mussa mankany amin'ny tatitry ny AJE avy any Libia, manao hoe “Ny fotoana saika namoizako ny aiko… video tsy voatapatapaka havoakako rehefa tafavoaka an'i Libia aho ary manana fotoana hanamboarana azy…”
@AJEnglish: Mpiasan'ny Al Jazeera novonoina tany Libia: mpakasarin'ny tambajotra maty voatifitra tany Benghazi. http://aje.me/er5BZY
Mizàka ny zom-pirenena Qatari io mpakasary maty io. Mohammed bin Hamad, zanakalahin'ny emir eo amin'ny fitondrana any Qatar, dia nanambara tamin'ny Twitter:
@MbinH: Ali Al Jaber, tamin'ny alalan'ny fakantsariny sy ny herim-pony, dia nitondra tamintsika ny sarin'ny zava-marina mitranga any Libia. #RIP #AliAlJaber
Nandefa tweet koa i Mussa:
@abdullahmussa: Mihirahira ny vahoaka any #Benghazi: miaraka amin'ny fanahinay sy ny rànay, ho arovanay ianao #Aljazeera. #aja #aje
Fanohanana avy amin'ny mpiara-miasa maneran-tany
Satria mbola miampitampita ny vaovao momba iny famonoana iny, maro ny miaro an'i Al Jazeera, anisan'izany ireo mpanao gazety vahiny:
@nirrosen: fampiononana feno ho an'ireo mpitati-baovao mahery fo ao amin'ny al Jazeera noho ny famoizany ny malalany androany. eo am-pampiakarana sarin'ireo vahoaka any BenGhazi maneho ny fanohanany an'i Jazeera
@NickKristof: Novonoina androany tany Libia atsinanana ny mpakasarin'i Al Jazeera, Ali Hassan Al Jabir. Midera ny herim-pony, ary mandria am-piadanana.
@kevglobal: RT @SCClemons: Manome voninahitra an'i Ali Hassan Al-Jaber, mpakasarin'ny @AJEnglish & @AJArabic nisy namono. Tomany avy amin'i Wadah Khanfar. http://bit.ly/gkNzZE
Ny tambajotra, sy izay nahafantatra azy, dia mizara antsipiriany bebe kokoa momba an'i Al Jaber sy ny fomba nahafatesany…
@AJELive: Tony Birtley an'i Al Jazeera any Benghazi: voatifitra in-telo i Al Jaber, ary tratra tamin'izany ny fony; maty tany amin'ny tobim-pitsaboana izy http://aje.me/eqGe2F
@AJELive: Al Jaber, mizaka ny zom-pirenena Qatari, dia teraka tamin'ny 1955 ary nahazo diplaoma roa tamin'ny famokarana sarimihetsika avy tamin'ny Fianarana Zava-kanto tany Caire. http://aje.me/eorppC
@Dima_Khatib: Eny, nahafantatra an'i Ali Al Jaber aho fony mbola niasa ho an'ny Al Jazeera tany Doha. Lehilahy tena tsara fanahy. Mpiara-miasa mendri-panajana sy manaja ny hafa.
@Dima_Khatib: Misaotra anareo rehetra tamin'ny teny fampiononana sy firaisankina tamin'i Ali Al Jaber mpakasarin'ny Al Jazeera, manam-pahaizana ary koa raim-pianakaviana tany Qatar
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Libia.