- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kamerona: Resaka noho ny fandrarana ny SMS-to-Tweet

Sokajy: Kamerona, Fahalalahàna miteny, Teknolojia

Ho tsaroana noho ny lafiny haitao kokoa ny andro manerantany ho an'ny vehivavy 2011 any Kamerona.

Nanambara tao amin'ny valan-tserasera i Bouba Kaele,  tompon'andraikitra misahana ny dokambarotra ao amin'ny orinasan-tserasera Afrikana Tatsimo miorina any Kamerona MTN fa noraran'ny fitondrana Kameroney ny fampiasain'ny mpanjifan'ny MTN ny fidirana amin'ny twitter amin'ny alalan'ny SMS [1] [fr] :

[2]

Noho ny antony fiarovana, ny fitondrana Kameroney dia miangavy ny hampiatoana ny fampiasana ny twitter amin'ny alalan'ny SMS eo amin'ny tambajotra MTN Cameroon

Araka ny nolazain'i Edouard Tamba ao amin'ny bolongany [3], dia nampahafantarina  tamin'ny alalan'ny SMS avy amin'ny MTN Cameroon ny mpanjifa [fr]:

Cher client, pour des raisons indépendantes de notre volonté, l’accès au 8711 est désormais suspendu. Merci de votre compréhension

Ry mpanjifa hajaina, noho ny antony tsy miankina aminay dia atsahatra ny fidirana amin'ny 8711. Misaotra anao noho ny fahamoramponao.

Raha nanontaniana ny anton'ny fandrarana tamin'ny alalan'ny Twitter ny lehiben'ny serasera ao amin'ny MTN dia namalytoy izao i @GeorgesMpoudi [4] :

[5]

Tsy afaka mihoatra lavitra amin'ny filazana fa noho “antony fiarovana [fandriampahalemana] no nibaikon'ny fitondrana hampitsahatra ny SMSTweets ao amin'ny MTNCameroon

Nahatezitra ny fiaraha-monina an-tserasera Kameroney izao vaovao izao. Noforonin'i@Kasbig [6] avy hatrany ny teny fototra momba azy[fr]:

[7]

Manolo-kevitra anareo aho ry zalahy hampiasa ny teny fototra #SMSTweet raha hiresaka momba ity fampiatoana ity, satria tsy ho ela manko dia ho avy koa ny vohikala! #cmr11

Azo hazavaina ny hagagan'ny mpiserasera: satria tamin'ny 5 Marsa 2011 dia nisy ny fikarakarana ny valandresaka 9ideas [8] tany Douala, Kamerona. Ity fihaonana-valandresaka miompana amin'ny teknolojia ity dia notohan'ny MTN ankoatra ny hafa ary ny toerana dia nomena ny mpanavao-mpamorona Kameroney sy Afrikana hanoloran'ireo farany ny heviny ho fampandrosoana ny kaontinanta. Noresahina tamin'io fotoana io ny sivana amin'ny aterineto araka izay notantarain'i @champico [9] :

[10]

Niresaka momba ny sivana an'aterineto izahay (…) tao amin'ny 9ideas , ahiahy lasa aloha loatra araka ny hevitro #fail #govt

Ny vavahadin-tserasera Kameroney Mboablog dia namoaka ao amin'ny takelaka Youtube [11] ny lahatsarin'ny valandresaka 9ideas :

Diso fanantenana ary mihoatra noho izany aza i @mambenanje [12]:

[13]

Tena tezitra aoka izany aho… amin'i @MTNCAMEROUN izay nampiato ny tolotro #smstweet ao amin'ny 8711… Ilaiko mihitsy io mba hiverina

@etumnamboa [14] indray ampoka alahelo:

[15]

Nahoana no naato ny #SMSTweet nefa dia tsy misy mpanaraka firy? Inona ny fiarovana lazaina ao? #Tsyazonyilayizy #cmr11

Ny “antony fandriampahalemana” voalazan'ny mpitondra fanjakana moa araka ny hevitry ny maro dia mifandraika amin'ny fiokoana sy revolisiona mahazo fahatra manerana an'i Afrika hatramin'ny voalohan'ny taona. Efa nipaka any Kamerona ity rotaka ity tamin'ny 23febroary 2011 [16] na dia bitika aza miohatra amin'ireo any amin'ny faritra hafa any Afrika, izany no hevitr'i @mambenanje [17]:

[18]

@seunosewa @webtrendsng heveriko fa ny firoandroan'ny twitter momba ilay fitokonana tsy nahomby no nahatonga ny fitondrana handray fanapahan-kevitra handrara ny #smstweet

Saingy raha ny lazain'ny mpamaham-bolongana Dibussi Tande [19] dia diso hevitra tanteraka ny fitondrana Kameroney:

Obviously, the government has failed to learn the lesson from North Africa. (…) It was information obtained via mobile phones, regular SMS and email which ended up on Twitter and not real-time tweets from activists on the ground. Thus, banning the Twitter short code does little to change the balance of power online.

Mivandravandra fa tsy nahay naka lesona tamin'izay nisy tany Afrika Avaratra ny fitondrana. (…) Ny vaovao azo tamin'ny alalan'ny finday, ny SMS ary ny mailaka tsotra no tonga tany amin'ny Twitter fa tsy ny siokantserasera tonga eo noho eo avy any amin'ny mpitolona eny an-kianja. Tsy mampiova ny fifandanjan-kery an-tserasera ny fandrarana ny lahara-pohin'ny Twitter

Tsy lany loharanom-baovao noho izany anefa ny mpiserasera Kameroney. Ny mpamaham-bolongana Djia Think [20] no namoaka lahatsoratra momba ny  “OpenMesh, fitaovam-piadiana farany hitazonantsika ny fahafahamifandray” :

C’est dans l’optique de lutter contre ses coups portés à la liberté de communication que Shervin Pishevar proposait le 27 Février 2011, le projet OpenMesh qui consiste à former un réseau maillée, où les hommes joueront le rôle des routeurs Internet

Ao anatin'ny fikendrena hiadiana amin'ireo paika entina hanakatsakanana ny fahafaha-mifanerasera indrindra no nanoloran'iShervin Pishevar tamin'ny 27 Febroary 2011 ny tetikasa OpenMesh, izay miompana amin'ny tambajotra misisika, izay ny olona no manao ny asan'ny routeurs aterineto.