- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Fanaraha-maso Tsunami sy Tsaho Horohorontany

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Taorian'ilay horohorontany [1] nahatratra  8.9 tamin'ny maridrefy namely an'i Japana,  namoaka fampitandremana ny mety hisianà tsunami hamely faritra amorontsiraka 19 any Filipina ny Philippine Institute of Volcanology and Seismology (PHIVOLCS), na Ivontoerana Filipiana misahana ny Volokano sy ny Fihetsehan'ny tany.

Nanampy tamin'ny fanoroana hevitra ny olona ireo Filipiana mponin'ny aterineto ny amin'ny tokony handaozana ny faritra amorontsiraka ao amin'ny firenena. Nameno ny ezaka vitan'ireo  media mahazatra [2] ry zareo tamin'ny fanomezana fanavaozam-baovao matetika avy eny an-toerana.

Ohatra, ny Computer Professionals’ Union dia namorona ny pejy  Fanaraha-maso ny Tsunami ao Filipina [3] mampiasa ny kianjaben'ny ushahidi. Ity manarka ity ny sarintany google [4] iray maneho ireo faritra nahazo fampitandremana noho ny tsunami any Filipina.
Jereo ireo fartitra 19 ao Filipina nahazo fampitandremana noho ny tsunami [5] anatinà sarintany iray midadasika

Avy amin'ny alalan'ny pejy ofisialiny, ny governemanta [6] dia namoaka matetitetika ny fanavaozam-baovao momba ny zava-misy sy ny fiomanana ary ny ezaka asa fanavotana

Miainga avy amin'ny tatitra tany amboalohany, misy onja madinika maro mamely ireo tanàna any amin'ny ilany atsinanan'i Filipina saingy tsy mbola nisy tra-doza na faharavàna notaterina hatreto.

chresza15: [7] RT @abscbnnews: VAO AZO: Onja vaventy hita manerana ny morontsirak'i Isabela; Onja tsinjo voalohany koa tany  Ilocos Norte, Batanes #TVPatrol
iamtaraaa: [8] Onja 3 metatra no namely an'i Batanes, Filipina
whizkidmags: [9] RT @TourismPinas: ny tsunami izay namely an'i Davao tamin'ny 8:45 alina dia  0,44 metatra na 44 sentimetatra. Ny avo indrindra voarakitra dia tany Baler any amin'ny 70 sentimetatra. (avy amin'i @raffytima)

Ny #batanes [10] dia nanjary lohahevitra tao amin'ny twitter androany. Ny faritra tena faran'ny avaratra any Filipina no resahana eto, toerana nanaovana antso fampitandremana ny fisian'ny tsunami.

nonnycarlos60: [11] RT @ninacorpuz: Isaorana Andriamanitra fa tsy maninona i Batanes saingy ho an'ireo monina amin'ny faritra amorontsiraka dia manoro hevitra ny manampahefana ny mba tsy hiverenana any amin'ny toeram-ponenany aloha hatramin'ny rahampitso.
theperpetualkid: [12] Tsy misy maninona ireo havako any  Batanes, fa ilay tita-ko no niteny hoe miomana ry zareo sao sanatria. Any amin'ny faritra baska ry zareo, noho izany tsy manakaiky ny toram-pasika.

Ny #samar [13] koa dia lasa lohahevitra nironan'ny rehetra tao amin'ny twitter noho ny tatitra iray (izay voalaza taty aoriana fa diso) fa hoe nisy horohorontany namely ny faritanin'i Samar, any amin'ny faritra afovoan'i Filipina.

zaikenhuo: [14] azafady atsaharo ny filazàna fa hoe nihetsika ny tany tao Samar satria tsy nisy izany
KiiNDZ [15]: RT @JULIUS_SEGOVIA: RT @cesarAPOLINARIO: Ny Ben'ny Tanana'i Allen Samar milaza fa tsy misy zava-marina mikasika ny horohorontany any amin'ny faritaninay #gmanews
melsungit: [16] Raha tsy marina ny horohorontany ao Samar, nahoana ary ny Mpikaroka no handefa bitsika momba izany?
18_PM: [17] RT @AbsCbnChannel2: Tsy voamarina ny tsaho mikasika ny famelezan'ny horohorontany an'i Samar /mety ho diso. Fa dia inona no mahafaly ny olona hisangy ratsy amin'izany? #mivavaha
clarilove: [18] SAMAR resahana be ao amin'ny twitter satia fotsiny misy ny olona sasany mamafy vaovao tsy marina mikasika ny horohorontany! FA INONA KOA IZANY KOZY VORETRA IZANY E.

Mampiasa ny tenifototra #tsunami ihany koa ny Filipiana mba handefasana ny hafatra firaisankinan'izy ireo amin'ireo vahoaka any Japana.

fueledbycola: [19] faly fa tahaka ny tsy voan'ny horohorontany+tsunami isika. Eto dia manantena fa tsy hisy loza hafa intsony, ary fitrakàna malaky ho an'i Japana sy ny faritra hafa tratra.