- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Ny ao Tokyo taorian'ilay horohorontany

Sokajy: Japana, Voina

Ny Zoma, 11 Martsa 2011 tamin'ny 2:46:23 tolakandro ora any an-toerana, horohorontany manana tanjaka 8.9 no niantraika tamin'i Japana [1], ny goavana indrindra voarakitry ny tantara.

Ora 5 no efa lasa taorian'ny nitrangan'ilay horohorontany, ary maro ireo olona ao Tokyo no miezaka mamonjy fodiana amin'ny alalan'ny dia an-tongotra. Nakatona ny fifamoivoizana an-dalamby ho an'ny androany.

@Kenji_Hall [2]:

mandeha an-tongotra toy ny olona rehetra eto Tokyo, naato ny fiaran-dalamby, feno ny fiarakaretsaka, fialaharana be ny eny amin'ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka, mila mianavaratra nefa tafahitsoka eto Tokyo ihany. #quake12

Filaharana miandry fiara fitateram-bahoaka, avy amin'i @durf [3]

Ilay mpampiasa Twitter @oohamazaki [4] dia manangona ho anaty sarintany araka izay tratrany ao amin'ny Google ny faritra misy asa fanavotana ao an-tanànan'i Tokyo.
より大きな地図で 東京都内避難場所 [5] を表示

Nody ny masoandro fa  ireo hotely, sekoly, trano fisakafoanana sy ny maro hafa dia mamoha ny varavarany.

@tsuyoshi_ide [6]:

【拡散希望】 新宿南口の文化服装学院が、非常食と宿泊受け入れ準備中です! #jishin #jisin #shinjyuku

Bunka Fashion College [7] ao akaikin'ny Fivoahana Atsimo amin'ny Shinjuku mbola manana sakafo ary miomana handray olona amin'ity alina ity.

@gmsq [8]:

【拡散希望】立教大学は一晩中教室を開放することを決定しました!宿泊可能です! 大学関係者以外の方ももちろん利用可能なので、お困りの方は立教大学までいらして下さい!僕宛にリプライいただければ、なにかお困りの際はお手伝いします! #rikkyo_raise

Iangaviana mba haely ny feo! Manokatra ny efitrano fianarana rehetra ao aminy ny Anjerimanontolon'i Rikkyo amin'ity alina ity. Afaka mankany daholo na iza na iza. @valio aho raha mila fanampiana ianareo.

Sary avy amin'ny mpiara-mamoaka lahatsoratry ny Global Voices amin'ny teny Japoney, Scilla Alleci: