- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Polisy vavy misahana ny andron'ny vehivavy erantany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Zon'olombelona

Tamin'ny Talata 8 Marsa 2011 – Andron'ny vehivavy erantany – Nidina an-dalambe hihaika ny rafitra Islamika ao amin'ny fireneny ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana (lahy sy vavy).

MetalBoys no nanoratra [1] sambany no nahitanympitandro ny filaminana  vehivavy miaraka amin'nykibay eny an-tanana sy sarontava manafina ny endriny tao Tehran. Dimy na enina isam-bondrona ry zareo.

Peikazadi no nanoratra [2] Midaroka ny mpanao fihetsiketsehana, ka anisan'izany ny vehivavy Iraniana mihiaka,  ireto mpitandro ny filaminana amin'ny lalana Azadi ireto tokony ho tamin'ny enina ora folakandro.

Mpanao fihetsiketsehana matahotra eto Tehran

Mpitandro ny filaminana eto Tehran

Mihazakazaka tsy mijanona

Mibaiko ny olona tsy hijanona eny an-dalana ny mpitandro ny filaminana.