- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Vitsy ny mpanao fihetsiketsehana manoloana ny Masoivohon'i Etazonia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Politika, Zon'olombelona

Nisy mpanao fihetsiketsehina mpomba ny demokrasia vitsivitsy nivory teo ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia ny Alatsinainy (7 Martsa) niantso ny governemantan'i Etazonia hampitsahatra ny fanohanany ny fitondrana.

Ireto misy fihetsehim-po sasany ao amin'ny Twitter:

@angryarabiya [1] Mahoana no ny fanjakana no tian'ny Masoivohon'i Etazonia henoina ,  ary ny mpanao politika fa tsy ny vahoaka?? Te-hohenoina fotsiny izahay. #bahrain #feb14

@KawtharAlArab [2] hetsi-panoherana eo anoloan'ny Masoivohon'ny #US any #Bahrain Amin'izao fotoana izao http://yfrog.com/h336eprj [3] miantso ny mpitantana ny Firenena Mikambana mba hanapaka ny fanohanana ny mpanao didy jadona #14feb

Protester carrying anti-monarchy in front of US embassy [3]

Mpanao fihetsiketsehina milanja fanoheram-panjakana eo alohan'ny Masoivohon'i Etazonia

@MaramAbdulaal [4] Fihetsiketsehina manohitra ny fanjakana/mpomba ny demokrasia eo ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia ao #bahrain..iza no nifidy ny toerana? http://yfrog.com/h8vkeuj [5]

Embassy security looking on at the anti-monarchy protesters [5]

Mpiambina ny Masoivoho mijery ireo mpanohitra ny fanjakana

@girlpants29 [6] Tsy dia misy dikany ny fitsambikimbikinana eo ivelan'ny masoivon'i Etazonia.Tsy hitanao angaha fa ny fifampiresahana amim-pahakingan-tsaina IHANY no afaka mitondra fanovana any #bahrain ka izany no ataovy!

@foxgluv [7] Tena vitsy ny fandraisan'anjaran'ireo mpanohitra ny governemanta any Bahrain eo @ Masoivohon'Etazonia any Manama. 20 eo ho eo ihany ireo mpanao fihetsiketsehina raha be indrindra…

@SAIDYOUSIF [8] #Bahrain an-jatony ireo mpanao fihetsiketsehina manoloana ny #US #Embassy any manama amin'izao fotoana izao #Feb14 #Lulu

ary ho valiny..

@vickymaus77 [9] @SAIDYOUSIF #Bahrain an-jatony ao amin'ny Masoivon'ny Etazonia? Diso tsotra izao izany! tsy mihoatra ny 50 ny tany! azoko avy amin'ny s.o. izay teny an-toerana izany!