Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bahrain: Vitsy ny mpanao fihetsiketsehana manoloana ny Masoivohon'i Etazonia

Nisy mpanao fihetsiketsehina mpomba ny demokrasia vitsivitsy nivory teo ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia ny Alatsinainy (7 Martsa) niantso ny governemantan'i Etazonia hampitsahatra ny fanohanany ny fitondrana.

Ireto misy fihetsehim-po sasany ao amin'ny Twitter:

@angryarabiya Mahoana no ny fanjakana no tian'ny Masoivohon'i Etazonia henoina ,  ary ny mpanao politika fa tsy ny vahoaka?? Te-hohenoina fotsiny izahay. #bahrain #feb14

@KawtharAlArab hetsi-panoherana eo anoloan'ny Masoivohon'ny #US any #Bahrain Amin'izao fotoana izao http://yfrog.com/h336eprj miantso ny mpitantana ny Firenena Mikambana mba hanapaka ny fanohanana ny mpanao didy jadona #14feb

Protester carrying anti-monarchy in front of US embassy

Mpanao fihetsiketsehina milanja fanoheram-panjakana eo alohan'ny Masoivohon'i Etazonia

@MaramAbdulaal Fihetsiketsehina manohitra ny fanjakana/mpomba ny demokrasia eo ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia ao #bahrain..iza no nifidy ny toerana? http://yfrog.com/h8vkeuj

Embassy security looking on at the anti-monarchy protesters

Mpiambina ny Masoivoho mijery ireo mpanohitra ny fanjakana

@girlpants29 Tsy dia misy dikany ny fitsambikimbikinana eo ivelan'ny masoivon'i Etazonia.Tsy hitanao angaha fa ny fifampiresahana amim-pahakingan-tsaina IHANY no afaka mitondra fanovana any #bahrain ka izany no ataovy!

@foxgluv Tena vitsy ny fandraisan'anjaran'ireo mpanohitra ny governemanta any Bahrain eo @ Masoivohon'Etazonia any Manama. 20 eo ho eo ihany ireo mpanao fihetsiketsehina raha be indrindra…

@SAIDYOUSIF #Bahrain an-jatony ireo mpanao fihetsiketsehina manoloana ny #US #Embassy any manama amin'izao fotoana izao #Feb14 #Lulu

ary ho valiny..

@vickymaus77 @SAIDYOUSIF #Bahrain an-jatony ao amin'ny Masoivon'ny Etazonia? Diso tsotra izao izany! tsy mihoatra ny 50 ny tany! azoko avy amin'ny s.o. izay teny an-toerana izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.