Thailandy: Niaiky ny praiminisitra fa Britanika izy

Praiminisitra Thailandy teraka tao Angletera Uni i Abhisit Vejajjiva izay niaiky tamin'ny fotoam-pivorian'ny parlemanta fa mbola tsy niala amin'ny maha olom-pirenena Britanika azy :

“…Tsy mahaliana anao raha  mitazona ny zom-pirenena Thailandey aho, kanefa “ mahaliana anao raha manana zom-pirenena Britanika kosa aho, havaliko anao mivantana fa”. “nanontany ianao raha efa niala tanteraka amin'ny maha olom-pirenena Britanika ahy aho, Mibaboka aho fa mbola tsy niala amin'ny maha olom-pirenena Britanika satria mazava tsara ny lalàna fa raha misy ady momba ny fizakàna zom-pirenena , dia ny lalàna Thailandy no tokony ampiasaina”.

“Mazava ny tiako ahatongavana. Teraka tao Angletera aho nefa mihevitra ny tenako toy ny Thailandey. Nianatra tao Angletera aho nefa  naniry hiverina hiasa sy hivelona aty Thailandy, mba hiasa ho an'ny tombotsoan'ny firenena ary tsy mihevitra zavatra hafa intsony.”

Thai Prime Minister Abhisit Vejajjiva. Image in public domain, from Wikimedia Commons.

Praiminisitra Thailandey Abhisit Vejajjiva. Sary efa fananan-ny rehetra, nalaina tao amin'ny Wikimedia Commons.

(Fandikana natolotry ny bilaogera Bangkok Pundit)

Lasa praiminisitra Thailandey i Abhisit tamin'ny taona 2008. Ny fanekena fa olom-pirenena Britanika dia tsy nanaisotra azy ho mpikambana ao amin'ny parlemanta rehefa mizaka zom-pirenena Thailandey ny ray aman-dreniny ary izany no nahatonga azy hanan-jo hisahana ny asam-panjakana.

Ny mpanohitra no nametraka fanontaniana voalohany momba ny zom-pirenen'i  Abhisit satria mihevitra ny hitondra ny praiminisitra eny amin'ny Fitsarana ady heloka be vava iraisam-pirenena  izy ireo noho ny famonoan'olona faobe nataony. Mbola tsy nankato ny satan'ny CPI i Thailandy fa ny Fanjakana Britanika no efa nanao sonia.

Voampanga ho nanome baiko ny miaramila mba hanaparitaka amin-kerisetra ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta tao Bangkok i Abhisit ny taona lasa izay nahatonga maty am-polony sy maratra.

Tony tao amin'ny Thailand : fa nahoana i Abhisit no nisalasala nilaza ny zom-pireneny Britanika:

Amin'ny maha olom-pirenena Britanika ahy, dia toa hadalana raha misy olona miala amin'ny zom-pireneny! Raha ny fantatro dia tsy misy lalàna Britanika ahafahana manao ‘izany na dia tianao aza. Fa nahoana ianao no maniry izany?

Ny adihevitra amin'ny hoe Britanika ve sa tsia i  Mark A Vejjajiva dia tsy misy dikany. Britanika izy. Mety  mizaka zom-pirenena roa izy, tsara izany, tsy misy zavatra ratsy amin'izany.

Ny antony mahatonga azy hilaza fa tsy olom-pirenena Britanika izy dia  satria voalohany, nanahy izy fa mety hisy lalàna Thailandey manambara fa ny olona tsy manana ny zom-pirenena Thailandey dia tsy afaka manao politika  fa indrindra koa nanahy izy fa mety nosamborina teo anivon'ny Fitsarana Ady heloka bevava iraisam-pirenena  raha nisintaka an'i Thailandy , raha nahomby avokoa ny fitoriana azy manokana . Ary fantatsika rehetra ny tsy fankahalan'i Mark mandray andraikitra.

Robert Amsterdam, mpisolo vava ny Filoha Thailandey voaongana sy ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra, izay olona nametraka fitoriana an'i Abhisit tao amin'ny CPI(Fitsarana Ady heloka be vava iraisam-pirenena):

Voalohany, eo ny tantara lavan'ny  Thailandey izany nanome fahafaha-maina ny manam-pahefana ara-panjakana tamin'io karazana famonoan'olona io, sy ny fikasana ankehitriny hanadio io raharaha vao haingana io, ny Fitsarana Ady heloka be vava iraisam-pienena no mbola fanantenana mba hitondra ireo jeneraly Thailandey sy ireo mpanao politika eny amin'ny fitsarana. Faharoa, eo ny fisalasalan'ny  fampitam-baovao Thailandey hangataka ny marina, ny fisalasalan'izy ireo hanao fanadihadiana , sy (momba ny   fahalalam-baovao amin'ny teny anglisy) ny zoto izay narovan'izy ireo ny tsy fanasaziana ny fitondrana , zava-dehibe ny manangona ny marina mba hitsipahana ny laingan'ny governemanta ary hampiseho ny fampanantenana  poakaty nataony momba ny  “fihavanam-pirenena.”

Tasty Thailand dia mino fa i Abhisit dia afaka mampiasa ny zom-pireneny  Britanika mba  handositra ny Thailandy amin'ny hoavy:

Ny marina tsotra amin'ity raharaha ity, dia tsy te hiala amin'ny maha olom-pirenena Britanika azy izy satria, raha sanatria, miharatsy ny toe-draharaha ao Thailandy dia tsy maintsy mandositra ny firenena tahaka an'i Thaksin izy, fa tsy tahaka an'i  Thaksin izay niangaviana matetika ny hiala an'i Angletera , fa i Abhisit, izay olom-pirenena Britanika, dia manana zo hijanona ao.

Tulsathit Taptim, nanoratra ny gazety The Nation, dia mino fa ny resaka zom-pirenena Britanika dia hitohy hanohintohina an'i Abhisit:

Izay nambaran'i Abhisit tao amin'ny Parlemanta tamin'ny Talata  dia efa voarakitra. Azontsika fehezina ve fa mahafantatra tsara izy ny mety hisamborana azy noho ny fanomezam-baovao tsy marina na ny filazana lainga? Nanokatra fanadihadihana vaovao ho azy  ny resaka  zom-pirenena .

Andro vitsivitsy lasa, nanontany tamin'ny fomba ofisialy ny mpanohitra mba hanamarinana raha nampiasa ny zo maha olom-pirenena azy i Abhisit taloha. Horonan-tsary mampiseho ny faneken'i Abhisit tao amin'ny parlemanta afaka jerena ao amin'ny aterineto (24 Febroary  2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.