Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

10 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 10 Marsa 2011

Thailandy: Niaiky ny praiminisitra fa Britanika izy

Praiminisitra Thailandy teraka tao Angletera Uni i Abhisit Vejajjiva izay niaiky tamin'ny fotoam-pivorian'ny parlemanta fa mbola tsy niala amin'ny maha olom-pirenena Britanika azy : “…Tsy mahaliana anao raha  mitazona ny zom-pirenena Thailandey aho, kanefa “ mahaliana anao raha manana zom-pirenena Britanika kosa aho, havaliko anao mivantana fa”. “nanontany ianao raha efa niala...

Fanehoam-pitiavana ny teny Portigey amin'ny endriny isan-karazany

Tamin'ny 21 Febroary 21 , nahatsiaro ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindreny ny Global Voices miteny Portigey miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny pitsopitsony amin'ny fahasamihafana ara-pitenenana sy ara-kolotsaina. Vakio ny fandinihan'ny tontolon'ny bilaogy eo amin'ny boky tantara voalohany natokana ho an'ny teny Portigey, Milagrário Pessoal - asasoratra vao haingana novokarin'ny...

Côte d'Ivoire: Inona no vahaolana amin'ny krizy taorian'ny fifidianana?

Tsy misy fiovana mihitsy ny krizy iainan'i Côte d'Ivoire taorian'ny fifidianna filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 28 novambra 2010 izay nifanandrinan'i Laurent Gbagbo sy i Alassane Ouattara izay samy milaza fa nandresy.  Misesisesy ny trangan-javatra tsy ampoizina [fr] , ary tahaka ny tsy hisy vahaolana mihitsy izany. Ohatry ny hijanona...

Filipina: Ireo hevitra manoloana ny fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana

Mandeha ny adihevitra eo anivon'ny mpitoraka bilaogy Filipina izay mikasika ny soso-kevitra hananganana ny ‘Fikambanana bilaogera eto an-toerana [nasionaly]”. Nanomboka ny 31 janoary izany  raha nanontany ny lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy i Janet Toral hoe “ Mankasitraka ny Fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana ve ianareo?‘ Ny tanjon'ny fikambanana dia: [Mba]...