- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Manohy ny fitifirana an'i Zawiya ny tafik'i Gadhafi.

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra dia fitantarana manokana momba ny Fihetseham-bahoaka taona 2011 [1].

Tifitra tamin'ny alalan'ny fiara mivono vy sy fitaovam-piadiana mavesatra tao Al Zawiya [2], ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Libya, dia nanakoako tao amin'ny Twitter.

Amin'ireo vaovao vitsivitsy avy an'i Libya fa nisy mpanao gazety voatana ao amin'ny hotely ao Tripoli miandry an'i Kolonely Muammar Gaddafi mba hipoitra, nitatitra [3] ny vono olona ny Sky News, nilaza fa ny vahoakan'ny Zawiya dia miady ho fiarovana ny ainy. Mandritra izany, nanambara ny fanjakana Libyana fa i Zawiya dia “noafahana” tamin'ny mpikomy.

Indreto fihetseham-po tao amin'ny Twitter: