- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Inona no tadiavin'ny vahoaka?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Raha nameno ny faritra ny fihetsiketsehana,  dia nampiaka-peo koa ny Saodiana. Efa nivezivezy ny fanangonan-tsonia omena ny Mpanjaka Abdulla [1], misy ny fangatahana mikatsaka ny fanovana politika maro.

Ny fangatahana, nomena anarana hoe ” Firenena manana ny zo sy ny lalàna fototra” dia azo jerena ao amin'ny aterineto [2], ahitana  fitakiana mitotaly valo, nosoratana tamin'ny fomba mendrika sy manara-dalàna. Nanomboka tamin'ny fangataha-pitahiana ho an'ny fitondram-panjaka sy ny firarian-tsoa ho an'ny Mpanjaka izany.

Toy izao ny tao anatin'ny fangatahana:

أن يكون مجلس الشورى منتخباً بكامل أعضائه، و أن تكون له الصلاحية الكاملة في سنّ الأنظمة و الرقابة على الجهات التنفيذية بما في ذلك الرقابة على المال العام، و له حق مساءلة رئيس الوزراء و وزرائه.
Tokony olona nofidiana avokoa ny mpikambana ao amin'ny Filan-kevitry ny Shura [3], ary tokony manana fahefana hametraka fitsipi-pifehezana sy hanara-maso ny solontena mpanatanteraka, anisan'izany ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, ary koa manana zo hamotopototra ny praiminisitra sy ny minisiterany.
فصل رئاسة الوزراء عن الملك على أن يحظى رئيس مجلس الوزراء و وزارته بتزكية الملك وبثقة مجلس الشورى.
Manasaraka ny asan'ny Mpanjaka amin'ny toerana maha praiminisitra, ny praiminisitra vaovao no tokony handray ny fankatoavan'ny Mpanjaka sy ny fitokiana avy amin'ny filankevitry ny Shurat.
العمل على إصلاح القضاء وتطويره ومنحه الاستقلالية التامة، وزيادة عدد القضاة بما يتناسب مع ارتفاع عدد السكان وما يترتب على ذلك من كثرة القضايا.
Atomboka ny asa amin'ny fanovana eny anivon'ny fitsarana, ny fandrosoany ary omena azy ny fahaleovantenany tanteraka, ampitomboina araka ny isan'ny mponina sy ny vokatry ny fitombon'ny mponina ny isan'ny mpitsara.
محاربةُ الفساد المالي و الإداري بكل صرامة و منع استغلال النفوذ أياً كان مصدره و مقاومة الإثراء غير المشروع و تفعيلُ هيئة مكافحة الفساد لتقوم بواجبها في الكشف عن
الفساد و مساءلةُ من يقع منه ذلك و إحالته إلى القضاء.
Sorohina ny kolikoly ara-bola sy ara-pitantanana ary sakanana amin'ny fomba hentitra ny  fihoara-pahefana sy ny fanangonan-karena tsy ara-dalàna tsy ijerena izay lohanarony na ny fanoherana noho ilay izy, mametraka rafitra miady amin'ny kolikoly, natokana hanadihady momba ny kolikoly sy hanaitra ny fatsarana.
الإسراع بحلّ مشكلات الشباب و وضع الحلول الجذرية للقضاء على البطالة و توفير المساكن لتتحقق لهم بذلك الحياة الكريمة.
Mametraka fepetra ahafahana mamaha ny olan'ny tanora,  mikaroka-bahaolana hanafoana ny olana fototra momba ny tsy fisian'ny asa  ary ny fanomezana trano ipetrahana mba ahafahany miaina ara-dalàna.
تشجيع إنشاء مؤسسات المجتمع المدني و النقابات و إزالة كافة العوائق التنظيمية التي تحول دون قيامها.
Fandrisihana ny fametrahana ny rafitra ho an'ny fiarahamonim-pirenena sy ny sendikà ary foanana ny lalàna rehetra manakana ny fananganana azy ireo.
إطلاق حرية التعبير المسؤولة وفتح باب المشاركة العامة وإبداء الرأي، وتعديل أنظمة المطبوعات ولوائح النشر

.

Famahana ny fahalalahana miteny tompon'andraikitrasy fisokafana miresaka amin'ny olona, fanovàna ny fitsipika sy ny lalàna mifandraika amin'izany.
المبادرة إلى الإفراج عن مساجين الرأي و عن كل من انتهت محكوميته أو لم يصدر بحقه حكم قضائي دون تأخير. و تفعيل ” الأنظمة العدلية” بما فيها ” نظام الإجراءات الجزائية” و التزام الأجهزة الأمنية و “المباحث العامة” بتلك الأنظمة في الايقاف و التحقيق و السجن و المحاكمة و تمكين السجناء من اختيار محامين للدفاع عنهم و تيسير الاتصال بهم و محاكمتهم محاكمة علنية حسب ما نصت عليه تلك الأنظمة.
Atomboka ny famoahana ireo gadra noho ny hevitra sy ireo izay efa nahavita sazy ary koa ireo izay tazonina mbola tsy nandalo fitsaràna . Ny fametrahana ny “rafi-pitsarana ” ka ampidirina ho anisan'izany “ny lalàna momba ny heloka bevava” sy ny rafi-pitandroam-pilaminana sy ny biraon'ny fanadihadiana. Hanana fahefana momba ny fihazonana, ny famotopotorana ary ny fanagadrana sy ny fitoriana io rafitra io; ary hamela ny voampanga hifidy mpisolo vava hiaro azy sy hanamora ny fifandraisan'izy ireo. Tokony afaka manatrika  fotoam-pitsarana araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna.

Maherin'ny 1000 ireo Saodiana nanao sonia ny fangatahana ary mitombo izany isa izany. Ao amin'ny pejy [4] Facebook misy izany, maherin'ny 4500 ny anarana ao. Anisan'izany [5] ireo manampahaizana Islamika toy i Dr. Salman Alouda [6],sy Dr Yousef Alahmed, ao koa ny mpianatry ny oniversity, ny mpanoratra, ny tompon'andraikitra sy ny mpitolona ara-politika.

Nahatonga ary mbola nahatonga fihetseham-po lehibe tamin'ireo tanora Saodiana ny taratasy, maro ireo izany nanohy nametraka ny fangatahany tao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny teny fototra #saudimataleb. Ireto ambany ireto ny sombiny tamin'ireo fihetseham-po:

@AlanoudRaqeeb [7]
#saudimataleb الفساد المالي مستشري في رأس الهرم…دكتورة مضاوي الرشيد

“Ny kolikoly ara-pitantanam-bola no mitana ny laharana voalohany ” Dr. Madawi Alrasheed

@Baderibrahim [8]
انتهت التقسيمات القديمة:إسلامي وليبرالي،سني وشيعي.الانقسام اليوم هو:مع التغيير أو ضده #Saudi #Saudimataleb

Efa tsy ilaina intsony ny fanasokajiana taloha: Islamika, Liberaly, Sonita ary Shi'ita. Ny fanasokajiana ankehitriny dia : mankasitraka sa manohitra ny fanovàna ianao?

Fanampin'izany, nisy vola narotsaka tamin'ny anaran'i @SaudiMataleb [9] mba hanaparitahana izao tontolo izao ny fangatahana amin'ireo mpi-tweet Saodiana.

Nefa tsy nanaiky i @SHIFT_0 [10] :

#saudimataleb مع احترامي حنا شعب مصلحجي .. جتنا مصلحه الحكومه اقدع ناس .. مافيه مصلحه الحكومه ظالمه ويبيلها اصلاح

Na dia eo ary ny fanajako,  firenen'ny mpitady tombontsoa manokana isika. Raha ny governemanta no tombontsoa ho antsika, izy no tsara indrindra. Raha tsy mahita tombontsoa amin'ny governemanta isika, dia tsy rariny ka mila fanovàna !