Jordaia: Tiako i Jordania Satria …

Isaky ny Zoma dia niatrika fihetsiketsehana hatrany i Jordania tato anatin'ny volana maromaro hitakiana fanavaozana ny rafitra politika sy toekarena ao Jordania. Ny tenifototra #ReformJo ao amin'ny Twitter dia niasa be nandritra ny herinandro maro miaraka aminà sosokevitra sy fitakiana fanavaozana, mifantoka amin'ny famongorana ny kolikoly sy fanavaozana ny lalàm-pifidianana ao Jordania. Tsy mba sahala amin'ireo korontana tany amin'ny ankabeazan'ny tontolo Arabo, na izany aza, fa matetika no am-pilaminana tanteraka ireo hetsi-panoherana sy fifampidinihana ao Jordania. Ary ireo mpandàla fanovàna dia tsy niandry ela fa naneho ny firaiketam-pony amin'ny Mpanjaka ao Jordania, Abdullah II.

Tenifototra vaovao iray hoe #ILoveJordan no hita tamin'ny herinandro lasa, fotoana namoahan'ny vondrom-piarahamonina Twitter Jordaniana ny lisitr'ireo antony efa ho ampolony itiavan-dry zareo ny taniny. Maro tamin'ireo bitsika nandray anjara no tena navitrika tao amin'ny #ReformJo, nefa nientanentana koa nanamafy ny firaiketam-pon-dry zareo amin'i Jordania sy ny mpitondra azy.

Maro no nitanisa ny vahoakan'i Jordania ho antony itiavan-dry zareo ny fireneny:

Qais Karasdsheh dia nanoratra hoe:

#IloveJordan satria na aiza na aiza alehanao, misy olona fantatrao foana. Tsy firenena kely ity fa i Jordania goavambe.

Xiniaa nandefa bitsika hoe:

#ILoveJordan Satria mahafinaritra tsotra izao i Jordania; ny zavaboary ao, ny toe-tsaina amam-panahin'ny vahoaka, ary ny sakafo : ) http://ow.ly/48LGW

Rawan Shunnaq dia niaiky:

#ILoveJordan ilay firenena izay onenako anaty fahalemana miaraka amin'ny ankohonako sy ireo namako 🙂

Helen al-Uzaizi dia nanoratra hoe:

#ilovejordan satria ny tsirairay dia mpianakavy daholo

Na dia ny vadin'ny Mpanjaka Abdullah II aza, Queen Rania, dia nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-dresaka. Hoy izy nandefa bitsika:

#ILoveJordan satria #JO dia fianakaviana be iray midadasika. Tsy mahatsiaro irery velively mihitsy ianao. Misokatra ny varavaranay; misokatra ny fonay.

Naverina naely imbetsaka tokoa ilay bitsika, ary Khalil Wahhab nanampy hoe:

#ILoveJordan satria ny mpanjakavavitsika koa manaraka ilay tenifototra

Maro ireo hafa mitanisa antony mahatsikaiky itiavany an'i Jordania. Hiba Reziq nandefa bitsika:

#IloveJordan satria ireo mpitondra taxi ao aminy tsy mamela anao ho monamonaina mihitsy eny an-dàlana:) #Jordan #Jo

Osama al-Samadi dia nanisika sary ao anatin'ny bitsika nalefany:

#ILoveJordan satria tsy tsapako na aiza na aiza mihitsy izao @JOPictures #jo #tourism @visitjordan yfrog.com/h7v2qmoj

Raha ny hafa nifantoka kosa tamin'ny maha tanin'ny fahatoniana sy ny fandriana fahalemana an'i Jordania, i Reem B nandefa bitsika hoe:

#ilovejordan satria ianao afaka mivoaka misasakalina miantsena tsy matahotra ny amin'ny ainao.

Ary ny sasany manitrikitrika ny firaketam-pony amin'ny Mpanjaka Hashemite ao Jordania. Nibitsika i Anoud al-Fawwaz :

Tony Milamina & tsara fandray, manan-karena ara-tantara, itoeran'ny Ranomasina Maty Petra &Wadi Rum, & fanjakana tena manana toerana lehibe ho an'ireo Hashemites #ILoveJordan

Omar Biltaji nibitsika hoe:

#ILovejordan satria afaka mandeha any amin'ireo fitodiam-piaramanidina any ivelany aho ary miteny amin'ny olona fa hoe izaho dia Jordaniana ary ny mpanjakako dia i H.M. Abdullah II…

Reem B nanoratra hoe:

#ilovejordan satria manana Mpanjaka lehibe izy. Lehilahy miasa ho an'izay soa ho an'ny vahoakany. Olona tena hajaiko tanteraka sy omeko voninahitra tokoa. #JO

Nour al-Hassan namintina azy ity hoe:

#Ilovejordan satria fotsiny izao io no ahy.

Mitohy ny adihevitry ny Jordaniana momba ny fanavaozana ao amin'ny  #ReformJo, ary miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahana avy amin'ireo Jordaniana ho an'ny tany niaviany ao amin'ny #ILoveJordan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.