Arabia Saodita: “Voarara ny fanaovana fihetsiketsehina ato anatin'ity firenena ity”

Namoaka fanambarana mandrara ny hetsi-panoheram-bahoaka ny filan-kevitry ny mpitondra fivavahana.

@Almatrafi dia nizara ilay fanambarana avy amin'ny fikambanan'ny Mufti Sheikh Abdul-Aziz Al al-Sheikh ao amin'ny Tweetmailaka [Ar]:

Manamarina ny filankevitry ny mpitondra fivavahana fa voarara ny fanaovana fihetsiketsehina ato anatin'ity firenena ity. Ny fomba mahitsy anatin'ny sharia (lalàna Islamika) amin'ny fanatanterahana ny tombontsoa iraisana dia ny fanoloran-kevitra, izay napetraky ny Mpaminany Mohammad,

Mitohy ny fanambarana:

Ny fanovana sy ny toro-hevitra dia tsy tokony avy amin'ny fihetsiketsehina sy ireo fomba mampisara-bazana sy mampisy fifandirana, izany no nampianarin'ireo mpanabe ara-panahin'ity firenena ity taloha sy ankehitriny sy nampitandremany

Nahatonga fihetsehim-po mifofofofo be avy amin'ny mpi-tweet Saodianina izany fanambarana izany, amin'ny teny fototra #saudimataleb sy #Kebaralolama. Ireto ny sasany:

@alduaa
لا اعلم ما التعريف الحقيقي لهيئة كبار العلماء والى اي جهة ينحازون ولا اعلم من اي عقليه ينحدرون#saudimataleb

Tsy dia fantatro loatra ny tena famaritana ny hoe  filankevitry ny mpitondra fivavahana na ny fiandanian'izy ireo na koa ny fisainana ananany!!

@yaseral
في زمن تساقط الاقنعه وانكشاف الحقيقه ….اتت هيئه كبار العلماء واسقطت جميع اقنعتها وفقدت مصداقيتها لدي الشعب #kebaralolama #saudimataleb

Amin'ny fotoana hidinan'ny saro-tava sy hipoiran'ny marina, tonga ny filankevitry ny mpitondra fivavahana nanala ny saro-tavany rehetra ary nanary ny fitokisana azy

@nouralnour55
الحج اكبر المظاهرات فهل يعنى تحريم التظاهر من هئيه كبار العلماء اليوم تحريما للحج #ksa #mar11 #saudi #Saudimataleb

Fihetsiketsehina lehibe indrindra ny Hajj, midika ve izany fa voarara koa izy?

@SaHeRManam
#SaudiMataleb #OnlyInSaudi هيئة كبار العلماء وشرايكم تكرمونا بسكوتكم وتاكلون رز بلبن افيد للصحه

Ry filankevitry ny mpitondra fivavahana, maninona raha manakombom-bava ianareo ary mankafy vary amin-dronono, izay tsara ho an'ny fahasalamanareo.

@onsaudirights
خسرت كبار العلماء فرصة غالية لاسترداد شيء من مكانتها #saudimataleb

Nanary ny fotoana fanararaotra hamerenana indray ny voninahiny ny filankevitry ny mpitondra fivavahana

@Sarah_Alshawi
سقطة يا هيئة كبار العلماء و ما اعظمها من سقطة. و ياليتني استطيع القول انها الاولى… الشكوى لله

Oadray izany fahadisoanareo ry filankevitry ny mpitondra fivavahana! Maniry aho hoe afaka hiteny fa voalohany iny nataonareo iny… Alefako any amin'I Allah ny fitarainako

Ary ny farany dia manontany i @SaudiLawyer:

((والهيئة إذ تؤكد على حرمة المظاهرات في هذه البلاد))!!٠ ممكن أحد يشرح لي لماذا فقط: (في هذه البلاد)؟ #Kebaralolama

“Nanamafy ny filankevitry ny mpitondra fivavahana fa voarara ny fanaovana fihetsiketsehina ato amin'ity firenena ity.” Misy afaka hanazava ahy ve ho'aho maninona no “ato amin'ity firenena ity” fotsiny?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.