Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia tamin'ny alalan'ny antso fanaingana fanavaozana sy fanovana no namalian'ny ny vahoaka sasany tao Jordania izany.
Ireto ny sasany amin'ireo sora-baventy natsangan'ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanehoan-dry zareo ny fomba fijeriny:
Ary tany am-pifaranan'ny hetsi-panoherana tamin'ny fiandohan'ny folakandro, dia namonjy ireto saka kely voapotsitra tao anaty vahoaka ireto i @RaghdaButros ary manam-pikasana ny hanome azy ireo ny anarana Thawra (Fikomiana) sy I3tisam (Fanoherana):