08 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 08 Marsa 2011

Jordaia: Tiako i Jordania Satria …

Rivotra niaina atao amin'ny tontolonìny Twitter Jordaniana ny fitiavana satria nivadika ho lisitra nivezivezy ilazan-dry zareo ny antony itiavany ny fireneny tamin'ny alalan'ny tenifototra #ILoveJordan. Betsy Fisher nifantina sasantsasany tamin'ireny fanehoan-kevitra ireny.

08 Marsa 2011

Amman: Marika Famoronana Ho Amin'ny Fanovàna Tanatin'ny Hetsi-panoherana Tao Amman

Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia tamin'ny alalan'ny antso fanaingana fanavaozana sy fanovana no namalian'ny ny vahoaka sasany tao Jordania izany.

08 Marsa 2011

Panama: Hofoanana ny lalàna manova ny fehezan-dalanan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Ny 3 Martsa, nanome toky ny hanafoana ny lalàna izay manova ny fehezan-dalànan'ny fitrandrahana any Panama ny Filoha Ricardo Martinelli. Voarain'ireo Panamaniana tamin-kafailana ireo vaovao izay nahita ny fanovana ity fehezan-dalàna ity ho fanafihana ny tontolo iainana. Nipoitra avy hatrany tany amin'ireo tamban-jotra sosialy ireo fihetsehim-po.

08 Marsa 2011

Ogandà: vonjeo ny Mozean'i Ogandà

Miorina ao Kampala ny Mozean'i Ogandà, tranom-bakoka ara-poko, ara-tantara ary ireo nentin-drazana mikasika ny lova navelan'ny kolontsainan'i Ogandà. Niorina tamin'ny taona 1908 izy ity. Vao haingana ny minisitry ny fizahantany,...

08 Marsa 2011