- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Lahatsary mampiseho ny herisetra valin-kafatr'i Gaddafi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona

Raha miha-mandroso hanavatsava ny faritra mbola am-pelatanan'i Gaddafi ny Hery mpanohana ny demokrasia dia mbola miezaka haka indray ny faritra lasan'ny mpioko ny mpanao didijadon'i Libya. Tena voaporofo fa mahafaty ny famoretana. Efa nitatitra ny fanafihana ataon'ny tafika mpanohana an'i Gaddafi amin'ny olotsotra ny orinasam-baovao iraisampirenena. Ny tanàna amorontsirak'i Zawiyah (50 kilometatra monja andrefan'ny renivohitra Tripoli), Misurata, Ras Lanuf, Al-Bayda ary Ajdabiya no nahenoana tatitra fa darohana baomba mandritra ny alina ka maro no iharam-boina amin'izany. Anivon'ny tsy fanakanana tsy ahazoa-baovao na avy amin'ny aterineto na avy amin'ny gazety, dia misy ihany ny lahatsary tafaporitsaka, hanaovantsika topimaso izay mitranga any an-toerana. Indreto misy lahatsary voaangona.

Ao amin'ity lahatsary navoakan'i encryptedreality [1], ity no ahitana mpanolotena Ejipsiana izay dokotera mpandidy misahana ny lalandrà mitantara ny karazan-dratra nokarakarainy ao an-tanànan'i Al-Bayda sy i  Ajdabiya:

http://www.youtube.com/watch?v=NEvAdyA4Hwc [2]

encryptedreality dia namoaka ihany koa ity lahatsary mampiseho sivily notifirin'ny andia-tafika mpanohana an'i Gaddafi tany amin'ny faritra manakaiky ny seranatsolik'i Ras Lanuf:

http://www.youtube.com/watch?v=quUb5Pc0aTY [3]

Ity lahatsary hafa navoakan'i arrdvarks [4] wity dia noraisin-tsary akaikin'ny hopitalin'i Ras Lanuf izay tsy maharaka intsony mikarakara ny maratra sy ny maty.  Ny olona tafavory ivelan'ny fanorenana lehibe no niteny fa mampiasa fitaovam-piadiana mavesatra, angidimby ary fitifirana voromby hanoherana ny fiokoana ny mpanohana an'i Gadhafi:

http://www.youtube.com/watch?v=twTu4OXKoXg [5]

(Fampitandremana: mampihoronkoditra ny sary sasany .)

Tsy mazava loatra hoe aiza ho aiza sy oviana tany Libya ity lahatsary manaraka, navoakan'i newstweet ity [6]. Sary mampiseho mpanao fihetsiketsehana tifirina raha manatontosa vavaka ivelan'ny moskea ry zareo:

http://www.youtube.com/watch?v=76BgN3g1bKU [7]