Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

07 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 07 Marsa 2011

Kolombià: Mpianatra amin'ny Ambaratonga Ambony Miresaka Momba ny Fahasamihafàn'ny Lahy sy ny Vavy

Any Kolombià, ny governemantan'i Medellin dia nanomboka fanentanana iray ho fanairana ny rehetra amin'ny fahasamihafàn'ny lahy sy ny vavy any amin'ny sekoly ambaratonga ambony, ary ny ampahany amin'ny fanentanana dia ahitàna lahatsary ao amin'ny aterineto misy ireo mpianatra samihafa miresaka momba ny zavatra niainan-dry zareo.

Azerbaijan: Nisy mafana fo iray indray voasambotra, misy manontany ao amin'ny Facebook

GV Mpisolovava

Taorian'ny ireo zavatra nampiahiahy izay mety ho fikasana ofisialy ny fampihenam-bidy na ny famoretana ny fampiasana ny Facebook avy amin'ireo feo miovaova any Azerbaijan dia avy indray ireo vaovao mikasika ny fisamborana mafana fo iray hafa, Bakhtiyar Hajiyev.

Libanona: Fihetsiketsehana manohitra ny rafitra mifototra amin'ny sekta

Mihoatra ny 2500 ny Libaney nanao diabe tamin'ny alahady (27 Febroary 2011) tao an-drenivohitra Beirut manohitra ny rafitra miankina amin'ny sekta izay heverin'izy ireo ho fototry ny olana ao amin'io firenena io. Ato no hahitantsika hoe tahaka ny ahoana ny fihetseham-pon'ny Libaney an-tserasera. Efa misy koa ny miomana hanao fihetsiketsehana...

Libya: Lahatsary mampiseho ny herisetra valin-kafatr'i Gaddafi

Anivon'ny tsy fanakanana tsy ahazoa-baovao na avy amin'ny aterineto na avy amin'ny gazety, dia misy ihany ny lahatsary tafaporitsaka avy any Libya, hanaovantsika topimaso izay mitranga any an-toerana Zawiyah, Misurata, Ras Lanuf, Al-Bayda ary Ajdabiya.

Etazonia: Fihetsiketseham-panohanana ny zon'ny mpiasa (Lahatsary)

Nivezivezy nanerana ny valan-tserasera malaza any Etazonia ny tenim-piraisan-kina amin'ny zon'ny mpiasa sy ny fanahiana hanapotehana ny sendikà.

Libya: Lasa malaza fatratra ny “mihomehy” Zenga Zenga

Niely niampita vetivety tamin'ny aterineto ny kabarin'ilay tsy mifaditrovana Gaddafi"Zenga Zenga" . Miverimberina lasa hira, nahavitana hira isan-karazany ny sombin-kabary nitenenana tamin'ny vahoaka izany nampanantenan'ny "Guide" ny "hanadio an'i Libya isaky ny santimetatra, isan-trano, isan'efitrano, isaky ny arabe (Zenga Zenga)" ary mihamitombo any amin'ny fifampizaran-dahatsary ka mahamiramirana kokoa ny mpanohitra...

Shina: Fahatsiarovana an'ilay poety Adaladala teraka taorian'ny taona 80, Xiao Zhao

Tamin'ny 14 Febroary  2011, ilay poety Xiao Zhao  25 taona dia namono tena tamin'ny fitsambikinana teo ambonin'ny tetezana akaiky ny tranony ao amin'ny farintanin'i Hunan. Raha nisarika ny sain'izao tontolo  ilay olo-malaza Han Han teraka taorian'ny taona 80 ka nanjary iray tamin'ireo ” 50 be mpakafy indrindra eran-tany tamin'ny 2010″, ny andro...

Aostralia: Fanao “Tea Party” ho fanoherana ny hetran'ny karbôna

Raha mpanoro lalana ny tontolombolongana Oz,  dia ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny hetran'ny toetr'andro no fifidianana federaly manaraka ao Aostralia. Nanjary resaka nahatezitra sy famelezana olo-tokana ny niafarany. Nizaka maraina mangotraka ny praiminisitra Julia Gillard androany maraina  nandritra ny resadresaka tao amin'ny onja-peo raha hiroso hiady hevitra politika momba ny fikasany hametraka...