Ahmed Shafik, praiminisitra Egyptiana izay notendren'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, dia noterana hametra-pialàna androany taorian'ny nisehoany tamin'ny fandaharana iray ao amin'ny fahitalavitra ny Alarobia alina lasa teo (2 martsa). Ity fandaharana ity dia novelabelarin”i Zeinobia tahaka ny tantara ihany.
Ny alina lasa teo, “ON TV” dia nametraka tantara tamin'ny televiziona raha nandray ny adihevitra politika niaraka tamin'ny praiminisitra sy ny mpanohitra tao Egypta. Ity fizarana ity dia manomboka amin'ny 10 maraina ka mifarana amin'ny 2 ora antoandro, ora eto an-toerana.
Nandritra ny fizarana faharoa ny fisehoana, niaraka tamin'ireo mpanoratra Egyptiana roa sy mpanao gazety i Shafik, Alaa Al-Aswany sy Hamdi Kandeel, tompon'ny Naguib Sawiris, ary koa ireo mpakafy ny fisehoana, Yosri Fouda sy Reem Maged. Mafana ny adihevitr'i Aswany sy Kandeel niaraka tamin'i Shafik sady nitsikera mafy azy .
Nandritra ny dokam-barotra, maro ny olona niandry fa hifamono izy ireo.
Ny zava-dehibe amin'ity fizarana ity araka ny fahitan'ireo mpijery azy dia ny filazana zavatra betsaka momba an'i Shafik.
Voatsikeran'ireo mampiasa Twitter fa tsy mahalala fomba i Answany. Na dia izany aza, tsy nanakana azy ireo hitsikera an'i Shafik koa izany.
Taorian'ny fisehoana, mazava amin'ireo olona sasany ao amin'ny Twitter fa efa mananontanona ny fanesorana an'i Shafik eo amin'ny toerany.
Tsara ny manamarika fa mbola mitohy ny fihetsiketsehana mitaky ny fialàn'i Shafik hatrain'ny andro nialàn'i Mubarak tamin'ny 11 febroary, iny fisehoana farany iny dia toy ny fiafaran'ny tantara politikany.