Maoritania: Mety hidina an-dalam-be ve ireo mpanohitra rahampitso [alarobia]?
Nisy hetsi-panoherana nokarakarain'ireo mpanohitra tao Maoritania tamin'ny zoma teo nitaky fanavaozana ara-politika sy fitsaharan'ny fanjakana tarihan'ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz. Mbola narahin'ny tanora fitokonana izany ny ampitson'iny (asabotsy). Nanao tatitra i @abbassbraham fa mbola hiverina hitokona eny an-dalam-be ireo mpanohitra rahampitso [alarobia].
Namakafaka mikasika ny fihetsiketseham-panoherana ny bolongana The Moor Next Door ary nasehony an-tsary ny antoko politika sy vondrom-piaraha-monina mandray anjara sy ireo manana ny anjara toerany efa tsy nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehan'ny 25 Febroary.
(RFD Fiaraha-mientan'ny Hery demokratika; UFP Firaisan'ny Hery ho amin'ny fandrosoana; RUF Fiaraha-mientana ho amin'ny Firaisana sy ny demokrasia; UPR Firaisana ho an'ny repoblika (mpanohana ny filoha Ould Abdel Aziz); ary ny APP Fikambanana progresista an'ny vahoaka (antokon'i Messaoud Boulkheir. “Mpikarakara ao amin'ny FB” ireo vondrona ao amin'ny vohikala Facebook (izay maro dia maro tokoa) sy ireo mpanara-dia azy namonjy ny fihetsiketsehana ka ny maro amin'izy ireo dia manana mpikambana aman'arivony (ny roa amin'izy ireo dia voatonona anarana).)
Nahoana no manohitra ny vahoaka?:
1. Ny mikasikasika izany. I Maoritania dia mitovy olana amin'ny fanjakana Arabo izay miaina anatin'ny hetsi-panoherana sy fikomiana izay antsoina hoe krizy politika ara-drariny (tonga teo amin'ny fitondrana aloha ny filoha tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ary avy eo mirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay tsy ekena ny valiny), olana eo amin'ny fiakaran'ny vidin-tsakafo sy ny kalitaon'ny fari-piainana tsy azo antoka ary ny fahatsapan-tenan'ny vahoaka ho toy ny verezin-jo. Tamin'io andro zoma io dia nahitana fanoherana sy fiovaovan'ny fanonjan'ny korontana izay miparitaka manerana ny faritra rehetra, vokatry ny tsy fahafaham-po azo avy amin'ny filoha. Maro ireo Maoritaniana no tofoka amin'ny governemanta anjakan'ny foloalindahy sy ireo antoko politika mpanara-baiko fotsiny. Tsikaritra mazava tsara ho nanimba ny ambaratonga famolavolana ny fiantombohan'ny demokrasia teo amin'ny firenena i Ould Abdel Aziz tamin'ny taona 2008 (na dia maro aza no nahatsapa ny faharefoana sy ny tsy fahaiza-mitondran’ ny filoha teo aloha). Olana ara-ekonomika, tondra-drano, saika mosary ary ny olana teo amin'ny tsy fisian'ny rano izay nanampy ny fikorontanan'ny mponina, indrindra indrindra fa teo anivon'ny tanora. Hita matetika ny fisian'ny hetsi-panoherana ao Maoritania, izay miseho amin'ny endrika maro sy mahery fihetsika. Miavaka amin'ny fanoherana teo aloha ny feo heno sy ny votoatin'ny hetsi-panoherana tamin'ity herinandro ity noho izy notarihana tanora izay manana farisiham-po betsaka fa tsy tarihan'ny lehiben'ny antoko politika.
Namaly ny voalaza tao amin'ny bolongana The Moor Next Door i Amar:
Tsara ity lahatsoratra ity. Manazava amin'ny alàlan'ny porofo mivaingana izy ary marina avokoa ny ankabeazan'izay voalazany eo amin'ny ny tontolo manodidina ny resa-politika maoritaniana.
Na dia izany aza, na aiza na aiza, ao anatin'ny lahatsoratra, dia tsy ahitana filazana mikasika ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny fanjakan'i AZIZ (mpikambana ao amin'ny fitondrana jadona, havana akaiky sy ireo mpandraharaha etc …) sy i Frantsa (ekipa frantsafrikana) nefa raha ny fantatra dia misy io rohy io?
Ny mety mahatonga izany angamba dia ny fahitana ny haren'i Maoritaniana mankany Frantsa (solika, volamena, uranium, rafibaton'i Taoudeni tsy dia fahita loatra eto amin'ity tany ity) sy fifampiraharahana maro eo mamofopofona ”frantsafrika”.
Ankoatra izay, mety hahaliana tokoa raha ezahana ampifandraisana ny niforonan'ny fanjanahana Frantsay tao Maoritaniana tamin'ny fiantombohan'ny taon-jato faha 20 sy ny endrika vaovaon'ny “fanjanahana moderina” izay nampiasaina ankehitriny mba ahatratrarana ny tanjona napetraka teo aloha, kanefa kosa tsy ahitana fahasimbana loatra .
Mihevitra i Tidinit fa tsy handao ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz mihitsy ny ankamaroan'ny antoko politika ao Maoritania :
Toy ny efa nolazaiko teo aloha, raha tsy hoe hanao hadalàna tsy hay heverina toy ny famonoana vahoaka ny filoha Aziz, dia tsy hanary azy mihitsy i Frantsa, i Etazonia ary ny ankamaroan'ny antoko politika fa hanohana azy amin'ny fifidianana manaraka amin'ny taona 2014 noho ireo tombontsoa azon'izy ireo avy amin'Andriamatoa Aziz sy ny vola azony ary ny zavatra rehetra tadiaviny. Ankoatr'izay, roa taona latsaka izy no teo amin'ny fitondrana (nanimba ny sain'ny mpanohitra izy, noporofoiny fa olona tsy mahavita na inona na inona daholo izy ireo) ary mihevitra aho fa tsara raha mbola manohy ny fitondrana izy mandra-pahatongan’ ny fifidianana manaraka ary ho resy izy ra tsy mety ny ataony, handresy kosa izy raha mety ny ataony. Tofoka nohon'ny fiovam-pitondram-pahefana miseho amin'ny endrika fanonganam-panjakana ny vahoaka nanomboka tamin'ny taona 1978.
Hoy i Jackie Cohen hoe mety hanomboka hihatòny ny onjan'ny hetsi-panoherana ao Maoritania miseho amin'ny alalan'ny fikomiana sy fanonganam-panjakana ao amin'ny faritra:
Na izany na tsy izany, dia manamarika ny fahatonian'ny onjan'ny fikomiana amin'ny fanonganam-panjakana ao amin'ny faritra ny filaminan'ny manodidina sy ny hakelin'ny isan'ny mpandray anjara amin'ny fanaovana hetsi-panoherana ao Maoritania raha oharina amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina aminy ao afrika avaratra. Mety ho zavatra tsara izany raha ny fahitana ireo herisetra nianjady ny firenena toa an'i Libia. Ary vao maika aza tsara ny fisian'io fiovana io mba hampanjaka ny filaminana, tsy ho an'ny mponina voakasik'izany ihany fa ho an'ny vohikala Facebook ihany koa, izay lasa fitaovana ampiasain'ny vahoaka ahalalana vaovao, hany ka lasa mihoatra noho ny tokony ho izy ny asa aman'andraikitry ny vohikala facebook any amin'ny faritra atsinanana afovoany.
#Nandefa tweet i Mauritania:
@abbassbraham:
Hiverina hidina an-dalam-be ny tanora ao Mauritania rahampitso. Ho ratsy torimaso ny foloalin-dahy junta sy ny ambiny rehetra izany.
@abbassbraham Misy rohy ve miresaka izany? Miezaka mitàna ny voalohan-daharana i #Mauritania eo amin'ny fampiasana teny anglisy ao amin'ny takelaka Facebook , tsy hisy izany – mbola te hijery ny takelaka sasany ve ianao?
Atoroy anay hoe aiza ho aiza no misy an'i #Mauritania ao amin'ny sarin-tany http://ow.ly/1bxljY
Azo antoka fa fanomezana 11 tapitrisa no natolotr'i qatar ho an'i #mauritania izay halefa any amin'ny kaontin'i #aziz [President Mohammed Aziz] sy ny namany rehetra !
Mety hidina an-dalam-be ve ny vahoaka rahampitso?Aleo iandrasana dia ho hita eo.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...