Ny sisintany misy eo amin'i Tonizia sy i Libya dia nahatazanana ny firohotry ny mpitsoa-ponenana maro be hatramin’ ny nisian'ny fitroarana tao Lybia. Sady lava no sarotra ny dia mamonjy sisintany, ary ho ny ankamaroany dia tsy mbola tsy mifarana eo ny fahasarotana. Vahoaka marobe aman-jatony no niandry sady niaritra ny andro mangatsiaka mba hiampita hankao Tonizia. Maherin'ny 75000 ny olona nandositra ny herisetra tao Lybia mba ho any Tonizia, nanomboka ny 20 febroary, ary mbola maro ireo ho avy. Ny toe-draharaha ao amin'ny sisintany Libya-Tonizia dia miditra ao anatin'ny krizy miantraika lalina amin'ny mahaolona, hoy ny UNHCR.
Nalefan'i IFRC ao Ras Jdir ity horonan-tsary ity tamin'ny 1 martsa.
Maro tamin'ny mpitsoa-ponenana tafahitsoka eo amin'ny amin'ny toeram-piampitàna Ras Jdir any Tonizia no Ejypsiana nipetraka tao Libya. Manaramaso akaiky ny zava-nitranga any an-tsisintany ny mpiray tanindrazana ao Ejipta.
Nampirisika ireo Ejipsiana mba hanery ny governemantany hamerina ireo izay mbola tafahitsoka eo am-piampitàna ao Ras Jedir i Hani Mohammed (@palestinoo7) :
٧٥ الف مصري يستغيثون في منطقة العبور راس جدير ببنقردان تونس، الرجاءالإسراع في إيصال هذا النداء الى الحكومة المصرية، الوضع بدء يتفاقم هناك وهنالك خوف من وقوع أزمة إنسانية
Shady Al-Mahmoudi(@ShadyAlmahmoudi) ni-tweet:
الانباء القادمه من الاصدقاء التونسيين..تتحدث عن كارثه انسانيه للمصريين الهاربين من القذافي في راس جدير الحدودية..والاعداد تفوق امكانياتهم
Wael Ghonim, lohandohan'ny mpanohitra Egyptiana, (@Ghonim)ni-tweet:
Misaotra ry rahalahy sy ranabavy Toniziana noho ny fandraisanareo ny namana Ejipsiana. Nampiseho firaisan-kina taminy ianareo noho ny tsy firarahian'ny governemanta!
Ny fiantsona hamonjy ireo mpitsoa-ponenana ao Ras Jdir dia niparitaka tamin'ny fampitam-baovao,sy ny fampielezan-kevitra amin'ny fanangonana fanampiana .
Niantso ny ONG iraisam-pirenena i Hamdi Kadri(@hamdi_kadri)mba hijery ny fandehan'ny toe-draharaha:
Appel aux ONG du monde entier : la situation se dégrade sur les frontières tuniso-libyènne. Appel à l'aide.
HHassine(@HBHassine) ni- tweet:
C'est le moment de faire preuve de solidarité, d'humanité et de responsabilité: à Ras Jdir,des milliers de gens ont besoin d'aide.Aidez-les!
Zied Mhirsi,(@zizoo), dokotera Toniziana nanolo-tena hanampy ireo Libyana izay nandositra ny herisetra:
On a surtout besoin de ressources humaines pour gerer ces milliers d'arrivant. Venez a Ras Jedir et donnez de votre temps.
Niangavy ny tafika Toniziana koa izy mba hanampy azy ireo:
L'armee tunisienne est en train de faire un super boulot. Les nations unies sont impressionnees.
Manahy ny hafa noho ny firongatry ny mpitsoa-ponenana sao manohintohina ny tombotsoan'i Tonizia mandritra ny tetezamita mbola marefo hatramin'ny nandosiran'ny Filoha Ben Ali.
Mathieu von Rohr solontenan'ny DER SPEIGEL(@mathieuvonrohr) amin'ny raharaham-bahiny:
Ny krizin'ny mpitsoam-ponenana ao Ras jdir dia lasa rahona hafa mitatao amin'i Tonizia – ilaina maika ny fanampian'izao tontolo izao.