- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: ‘Nanapoaka Sarom-bilany’ Hanohitra Ny Sekoly (Lahatsary)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanoherana, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].

Sekoly Ambaratonga (ambony) faharoa maromaro no ‘nanapoaka sarom-bilany’ hihetsika hanohitra ny governemanta manerana an'i Bahrain tamin'ny Talata 1 Martsa. Ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana milasy ao amin'ny Fihodinana ao Pearl (Lulu) [2] dia nivoaka ny sekoliny daholo teny anelanelan'ny andro fianarana, na lahy, na vavy, ka nanao filaharana teny ivelan'ny sekolin-dry zareo tao an-tanànan'i Isa , Hamad ary Jidhafs.

Ireo sekoly tao an-tanànan'i Isa dia nitodi-toha nankany amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana hangataka ny fialàn'ny minisitra sy haneho ny hatezeran-dry zareo momba ny rafitra ‘mpampianatra mpirotraka an-tsitrapo’ [3] izay napetraka rehefa nitokona ireo mpampianatra manohana ireo maritiora latsak'aina sy ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Fihodinana ao Pearl.

@mShareeda [4] noraketiko anaty lahatsary ry zareo http://yfrog.us/5hc0wz [5] tao amin'ny Sekoly Ambonin'ny tanànan'i Isa!!!! #bahrain

*Potsero ny rohy mba hijerena ny lahatsary

Ity lahatsary ity dia maneho ny anaran'ireo sekoly nanatevin-daharana ny hetsika sy nanao filaharana nankany am-bavahadin'ny Ministeran'ny Fanabeazana. Nampakarin'ilay mpampiasa YouTube MMulti2 [6].

http://www.youtube.com/watch?v=i5ALC1Waz9M [6]

Nirotsaka an-dalambe niaraka tamin'ny kitapony ireo mpianatra tao an-tanànan'i Hamad, miantso fanatsaharana ny politika fanomezana fizakana zom-pirenena ho an'ireo teratany vahiny, izay tena mivandravandra be any amin'ireo tanàna izay haingana be ny fanaraha-maso ny fangatahana tranom-panjakana homena ireo Arabo nomena zom-pirenena.

http://www.youtube.com/watch?v=tKiETTBTaFY [7]
Nampakarin'ilay mpampiasa YouTube AloOoOy93 [8]

Bitsika maro no maneho fahasorenana amin'ny hetsik'ireo mpianatra ary miteny fa tokony ho ny fianarana no hifantohan’ izy ireo fa tsy izay hetsi-panoherana.

@Teema_K [9] Fa dia inona loatra re no mitranga any an-tsekoly ankehitriny e!! Aiza ny Ministeran'ny Fanabeazana!! Mandra-pahoviana ny tsy firaharahiana!! Tokony hosaziana ireo mpampianatra ireo!

@Shirley_Riffa [10] Andraikitry ny mpampianatra ny mitarika ny mpianatra hiaina anaty fandriampahalemana sy firindràna ary tsy mamafy fisarahana eo amin'ny fiarahamonina.

@RshRsho [11] mpianatra tao “Al Had AlZaher” (ny tena anarany: Al-Ahd Al-Zaher) nandao ny sekoly mba hanao hetsika fanoherana! Iza no tompon'antoka amin'izao heloka bevava ara-panabeazana izao! #Bahrain http://bit.ly/dSutNB

Al-Ahd Al-Zaher Girls Secondary School students marching towards the Ministry of Education in Isa Town [12]

Al-Ahd Al-Zaher Tovovavy Mpianatra Amin'ny Ambaratonga Faharoa milahatra mamonjy ny Ministeran'ny Fanabeazana ao an-tanànan'i Isa

Ao amin'io sekoly io ihany, tovovavy iray 17 taona no voalaza fa niady taminà mpitsabo mpanampy iray tao an-tsekoly. Ny tranonkala mpomba ny governemanta, Peace Bahrain [13], dia namoaka sary ahitàna ny ratra nahazo ilay tovovavy.

Bruised nose of a student at Al-Ahd Al-Zaher Secondary Girls School fighting with the school's nurse who was protesting inside the school [13]

Oron'ny mpianatra iray mangana, tao amin'ny sekoly Ambaratonga Faharoa ho an-Jazavavy Al-Ahd Al-Zaher niady tamin'ny tao an-tsekoly

Sary nahazoana alàlana avy amin'ny tranonkala Peace Bahrain [13]

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].