- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Hazakazaka am-bisikilety midina an-tendrombohitra mahavariana anaty tanàna

Sokajy: Amerika Latina, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Meksika, Però, Shily, Fanatanjahantena, Zavakanto & Kolontsaina

Ao an-tanànan'i Valparaiso any Chile, no efa nisika hazakazaka am-bisikilety misosa midina tao anatin'ny folo taona farany; ny Amboara Valparaíso Cerro Abajo [1]. Ny manavaka azy amin'ny hazakazaka misosa midina amin'ny tanàna na toerana hafa dia ny toerana: any an'arabe sy tohatra ao an-tanàna no izoran'ny hazakazaka.

[2]Hazakazaka midina an-tendrombohitra Sarajevo [3] an i 3dh3m [4] CCBySA [5]


Indro misy lahatsary [6] mampiseho mpifaninana iray mbola manao fanandramana mialoha ny hazakazaka tena izy, mi-zig-zag eny an'arabe tarihin'ny tsipika plastika ary ankafizin'ny mpijery:

Ary hita fa tsy ny alika ihany no manelingelina ny lalan'ny mpitondra bisikileta fa tahaka ny hita amin'ity lahatsary manaraka ity [7] dia misy olona iray liana kokoa amin'ny fandraketana ny hazakazaka ka manadino ny miala amin'ny lalana:

http://www.youtube.com/watch?v=xiUja3r_EWU

Ary amin'ity lahatsary ity [8], ny mpihakazaka no kinga amin'ny fialana amin'ny sakana isan-karazany, mikintoantoanan'ny tohatra, mitsambikina amin'ny rindrina sy amin'ny solampy:

Saingy tsy any Chile ihany no misy ny hazakazaka midina an-tendrombohitra anaty tanàna: ity hazakazaka manaraka ity [9], noraiketina avy amin'ny fankantsary atao amin'ny satroka no mampiseho hazakazaka ao a-tanànan'i Sarajevo,  Bosnia sy Herzegovina:

Ary ahoana ny amin'ity iray [10] ity izay hita tao an-tanànan'i Taxco, Meksika, fa misy aza ny miditra an-tranon'olona?

Tsy voateryho lalao sy fanalana azy daholo akory: amin'ity fifaninanana [11] any Cuzco, Perou ity no ahitanao mpihazakazaka mianjera avy eny amin'ny bisikiletany: