Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

02 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 02 Marsa 2011

Yemen: An'arivony ireo mihetsika amin'ny Androm-pahatezerana

An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nilahatra tao Yemen androany, tao anatin'ilay Androm-Pahatezerana hanamelohana ireo fanafihana ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Zoma tao Aden, ary hitakiana ny fampitsaharana ny fitondran'ny Ali Abdullah Saleh. Saleh mandritra izany dia niampanga an'i Israely sy Etazonia ho ao ambadiky ny onjam-panoherana misy any amin'ny faritra.

Lahatsary: Hazakazaka am-bisikilety midina an-tendrombohitra mahavariana anaty tanàna

Eny amin'ny toerana voajanahary matetika, ahitana ny mpitaingina bisikileta mifampitana amin'ny hazo, hantsana ary sakana maro samihafa no ahitana ny hazakazaka am-bisikileta atao amin'ny fidinana. Ireto lahatsary manaraka ireto dia nizotra tamin'ny toerana maro samihafa: Na afovoan-tanàna.

Iran: Fihetsiketsehana Ho Fanafahana Ireo Filohan'ny Mpanohitra (Lahatsary)

Nipoaka ny fihetsiketsehana tamin'ny Talata teo tany Iran, Shiraz, Isfahan, Tabriz, Mashhad sy tany aminà tanana maro noho ny faharenesana ny tatitra tamin'ity herinandro ity hoe nofonjaina ireo mpitarika ny mpanohitra Mir Hossein Moussavi sy Mehdi Karrubi, filazàna iray izay nolavin'ny manampahefana.

Oman: Mitohy ny fihetsiketsehana ao Sohar

Nahatratra ny faritr'i Oman ny onjan'ny fikomiana Arabo ka Omanis anjatony no nidina an-dalambe mba hitaky fanovana sy ny fanafoanana ny kolikoly ao amin'ny faritra maro ao amin'ity firenena entina Sultan ity. Nitohy ny fanoherana tao Sohar,  faritra indostrialy sady misy ny  seranan-tsambo Indostrialy, mpanao fihetsiketsehana maherin'ny  1000 no nibahana...