- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Raharaha fakàna an-keriny niantraika tamin'ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Frantsa.

Sokajy: Amerika Latina, Frantsa, Meksika, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka
[1]

Ny Filoha Meksikana Felipe Calderón sy ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy teo am-pisakafoanana ny 26 jona 2010. Sarin i Gobierno Federal, nampiasaina tamin ny CC BY-NC-SA 2.0 license

Meksika sy Frantsa  dia manana olana lehibe ara-pifandraisana diplaomatika [2] noho ny fanamelohana ny fakana an-keriny natao-na teratany Frantsay tao Meksika.  Florence Cassez [3] no anarany, ary voasambotra tamin'ny taona 2006 izy, nampangaina ho nanao fakana ankeriny ary voasazy 60 taona an-trano-maizina.

Ny sakaizan'i Cassez dia mpitarika andian-jiolahy antsoina hoe “Los Zodiacos” (midika hoe ry zaravintana), ary ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo nalaina an-keriny no nanamarina fa anisan'ireo andian-jiolahy tokoa izy.

Tamin'ny taona 2009, namangy an'i Meksika ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy [4] ary nangataka ny fahafahan'i Cassez nandritra ny fivahiniany tany. Tokony naverina any Frantsa i Cassez saingy tsy nanaiky ny governemanta Meksikana, izay noteren'ny fikambanana nasionaly “manohitra ny fakana an-keriny”. Ny filazan'izy ireo dia mifototra amin'ny tsy fahatokisana fa mety hahenan'ny manam-pahefana Frantsay ny didim-pitsarana rehefa tonga any amin'ny taniny i Cassez. Nanazava ny fanerena nataon'ny fikambanana tamin”ny governemanta Meksikana” ny bilaogera AguaChile [5] :

Tao Meksika, indrindra, ONG mpanohitra ny fakàna an-keriny malaza tahaka an'i Isabel Miranda de Wallace”s Alto al Secuestro, Alejandro Martí's México SOS sy María Elena Morera's Causa en Común, dia  resy lahatra [6]amin'ny fiampangana an'i Cassez’ ary niantso ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy mba tsy hitsabaka amin'ny raharaha.

Amin'ity taona ity, ny “Taonan'i Meksika ao  France [7]” dia tokony hankalazaina misesisesy amin'ny fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-barotra mihoatra ny 350  nomanina amin'ity taona 2011 ity. Nanambara i Frantsa tamin'ny voalohany fa handroso izy ireo amin'ny fampisehoana ary hampiasa izany, ary etsy andaniny, mba  hanintona ny saina momba ny raharaha  Cassez. Nanambara ny manam-pahefana Meksikana fa tsy hanohana [8] ny fandehan'ny “Taonan'ny  Meksika” sy tsy hamindra an'i Cassez izy ireo.

Ao amin'ny Twitter, ireo olom-pirenena avy amin'izao tontolo izao dia nampiaka-peo. Nandefa hafatra i Juliamanda Garza (@juliagarza) [9] ho an'ireo gazety frantsay:

Monsieur #Sarkozy [10]: Ne “#Cassez [11]” pas la rélation Franco-Mexicaine! cc: @lemondefr [12] @Le_Figaro [13]

Andriamatoa #Sarkozy: Aza tapahina ny fifandraisan'i Frantsa-Meksikana ! cc:@lemondefr [12] @Le_Figaro [13]

Ny mpampiasa enrique-ana (@Desmorningchouu) [14] dia ni-tweet fa ny fanapahan-kevitr'i Sarkozy dia mifototra amin'ny fitadiavan-daza any amin'ny vahoaka:

Francia – Mexico Cassez objeto d discordia, ocacionado p politicos franceses q no encuentran como subir popularidad en elecciones proximas

Ny mpanao politika tsy mahita fomba hankalazana ny tenany amin'ny fifidianana ho avy no no mampisy disadisa eo amin'i Frantsa – Meksika

Nanao kivazivazy mahakasika ny raharaha i Santo García (@Santo_) [15]:

@Sarkozy [16] te cambio una Cassez por una Bruni?? jalas o te pandeas??

@Sarkozy [16] Hovaiko  ho Bruni [17] i Cassez? eny sa tsia?

Nampiseho hevitra feno fanantenana i Ximena Vega tamin'ny blaogy Vivir Mexico [18] [es], nanoratra  lesona azo raisina momba an'i  Meksika:

Me parece que una gran lección que México debe aprender de todo esto, además de que Sarkozy haría cualquier cosa por aumentar su nivel de popularidad de ese vergonzoso 38%, es que se deben vigilar los procesos de preservación de la escena del crimen y toma de declaraciones. Una policía federal y estatal mejor capacitada y más profesional puede ser la gran diferencia entre un juicio exitoso y, bueno, una crisis diplomática o un secuestrador en libertad.

Hitako fa ny lesona ngezabe notsoahina momba an'i Meksika, Ankoatra ny fitadiavan-kevitr'i Sarkozy mitady ny fomba rehetra hampitombo ny fankafizana avy amin'ireo olona vitsy mahamenatra 38% , dia tokony arahimaso ny famerenana ny zavamisy nanaovana ny heloka bevava, ary tahaka izany koa ny hanaraha-maso ny fanambarana sy ny filazana .Ny polisy federaly sy ny polisim-paritra tsara ofana kokoa sady voaofana kokoa, dia mahomby lavitra mihoatra ny valim-pitsarana sy ny krizy ara-diplomatika ary ny fanafahana mpaka an-keriny.