- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Tahotra sy korontana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Tahotra, korontana, tebiteby ary hakivina – nampiasaina hitantarana ny zava-manjaka ao an-tseranam-piaramanidin'ny renivohitra Libyana nandritra ny andro faramparany avokoa ireo voambolana ireo. Tafiditra anatin'ny tsy fahafantarana izay ho avy i Libya hatramin'ny nisian'ny fitroarana hikomy [1] amin'ny mpitondra ity firenena iray ity, dia ny fikomiana amin'ny Kolonely Muammar Al Gaddafi ny alin'ny 16 Febroary 2011  (#Feb17 [2]).

Teratany vahiny an'arivony, mpiasa vahiny ny ankamaroany, miezaka ny handositra ny firenena, no tafangona ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli hitsofoka amin'izay zotram-piaramanidina tsotra na an'ny masoivoho tratrany ao.

Ity lahatsary avy amin'ny Al Jazeera [3] ity no mamelabelatra ny korontana iainan'ny mpandeha ao amin'io seranam-piaramanidina io:

Tora-po avy amin'ny Twitter

Indreto ary ny filazalazana sasantsasany ny zavamisy ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli eo anivon'ny krizy tantarain'ny tontolon'ny Twitter nanomboka ny 24 Febroary 2011:

@acarvin [4] “The airport is just a zoo. There's about 10k people there, all trying to get out.” -Ewan Black to the BBC, regarding Tripoli airport.

“Tena fitehirizam-biby ny seranana. Eo ho eo amin'ny iray alina eo ny olona ao, miezaka ny hivoaka avokoa izy rehetra ireo.” -Hoy i Ewan Black amin'ny BBC, raha mitazana ny seranam-piaramanidin'i Tripoli.

@SiconianGirl [5] Tripoli Airport chaos thousands of people stranded no facilities only 1 toilet no food and all roads to Airport closed #Libya Will B Freed

Mihitsoka tsy misy foto-drafitr'asam-pikarakarana, zara raha misy efitra fidiovana iray, tsy misy sakafo fa hosokafana avokoa ny lalana mikatona mizotra ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao #Libya no zavamisy iainan'ny olona an'arivony ao

@aseemrastogi2 [6] Dangerous times ! Amateur video captures chaos at Tripoli airport http://bit.ly/hdAG8H [7]

Fotoana mampidi-doza! lahatsary nalain'olo-tsotra tao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli http://bit.ly/hdAG8H [7]

Ny 25 Febroary 2011:

@vali_nasr [8] Tripoli airport has an air of ‘Dante's Inferno’ http://tinyurl.com/4rgljrz #Libya

Miendrika ‘Afoben'i Dante’ ny fiainana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli #Libya

@Addickbitch_hut [9] Tourist at Tripoli airport – ‘Your worst nightmare of pop concerts and football hooligans all mixed into one. It was unbelievable.’

[hoy] ny mpizahantany iray ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli – Mitambatra ho iray ny nofiratsinao indrindra ao amin'ny fampisehoan-kira sy ny jiolahim-boton'ny baolina fandaka. Tsy mampino.

Toy izao ny tao amin'ny Facebook ny Zoma 25 Febroary, Shahrizal Dzulkifli [10] no mitantara ny niainany raha niezaka ny handositra an'i Libya izy:

now in Tunisia after managed to get out of Libya via plane after 12 hours of agonizing, scary, cold and brutal situation at the Tripoli airport…now waiting for next transit…maybe to Rome…Million thanx to Malaysian Embassy and Tunisia Airways for bringing us out….

Efa eto Tonizia rehefa niezaka ny hitsoaka an'i Libya rehefa nandeha voromby rehefa niaritra ny mafy sy ny hatsiaka, nitaintaina toy ny hiala aina nandritra ny 12 ora tao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli… miandry ny fiampitana manaraka indray ankehitriny… angamba ho any Roma… ankasitrahana indrindra ny masoivoho maleziana sy ny Tunisia Airways nitondra anay nivoaka tao…

Tatitra fisian'ny vono-olona

Tsy ny fanahiana noho ny tsy fahafantarana na ho afa-mivoaka na tsia ihany no natrehin'ny mpandeha mangovitra sy tratran'ny fangidiam-panahy fa ny karazana heloka bevava re eny amin'ny seranam-piaramanidina. Tamin'ny 4 Febroary 2011:

@Matchbox20 [11] #Libya policemen r blackmailing #Egyptians & taking their money at #Tripoli airport to let them go & catch their flghts, Please Spread.

Mampitahotra ireo Ejipsiana ny polisy eto Libya, maka ny volany eto amin'ny seranana vao mandefa azy ireo; hanatratra ny zotram-piaramanidina, aparitaho azafady.

Jurunilai Pemimpin Umno [12] no manome amin'ny antsipiriany ny fandaniana vaovao atrehin'ny vahiny am-pandosirana ao amin'ny Facebook:

LIBYA – ” Signs of the decay and the end of regimes that I've seen elsewhere is happening now. People are asking for bribes. If you want to do anything in the airport, it will cost you. A $20 taxi ride to Tripoli airport now costs $200 “.

Hitako ankehitriny ny mariky ny fikoroso fahana sy ny fiafaram-pitondrana hitako any an-toeran-kafa. Mitady tsolotra ny olona. Lafo avokoa izay zavatra rehetra tianao atao ao amin'ny seranana. Ny saran'ny fiarakaretsaka $20 handehanana ao amin'ny seranana dia efa mitentina $200 ankehitriny.

Ary tamin'ny 25 Febroary 2011:

@sneakinghorze [13] “We had to bribe #Libyan security, who controlled certain streets of #Tripoli, in order to make it to the airport,” ;Maged Ahmed, #Cairo,

“Tsy maintsy manome tsolotra ny mpitandro ny filaminana #Libyana izahay, izay mifehy ny lalana sasany eto #Tripoli, ahafahana mankany an-tseranana”;Maged Ahmed

@gwkell [14] Tripoli airport staff asking for ‘special payments’ stall Libya evacuations – Travel Daily UK: Tripoli airport s… http://bit.ly/feLqzw [15]

Mitady ‘sara manokana’ ny mpiasan'ny seranana Tripoli ahafahana mivoaka an'i Libya – Travel Daily UK

@itv_news [16] FCO: “Officials at Tripoli airport charge fees for services, such as aircraft handling. In the current situation, these fees have increased”

Andoavan-tsara amin'ny manampahefana eto Tripoli ny karazan-tolotra atao, toyny fanamoriana voromby. Amin'ny toe-draharaha tahaka itony moa dia nitombo izany sara izany.

Dia feno fanamby

Voalaza ihany koa fa mampalahelo ny fihetsika ataon'ny orinasa sy ny orinasam-pitaterana an'habakabaka mitatitra ny mpiasany amin'ny mpandeha; Ny mpandeha hafa kosa mahatsiaro avelan'ny mpitondra fanjakana avy aminy irery miatrika izao toe-draharaha izao:

@ks1141 [17] Egypt Air in Tripoli bumped off pregnant Asian woman even tho she has a valid business class ticket! Still stuck at airport in Tripoli. [24 February]

Ailikiliky ny Egypt Air lavitra ny vehivavy aziatika bevohoka na dia hita izao aza fa manana tapakila manankery sokajy afera izy ireo! Mbola tavela ato an-tseranan'i Tripoli.

Jamie Holden [18] (via Facebook ny 25 Febroary):

Can you imagine what it was like for brits at Tripoli airport to be told by UK oil company charter evacuation flights that, if you weren't oil co personnel you had to pay!!!!!!!!! Totally unbelievable! Rip-off Britain. This one needs a Parliamentary investigation & who-ever made this decision should spend a long holiday at Her Majesty's pleasure!

Azonao eritreretina ve ny mahazo ny Britanika ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Tripoli ilazan'ny orinasan-tsolika Anglisy manao asam-pamoahana amin'ny alalan'ny zotram-piaramanidina hoe raha tsy mpiasan'ny orinasan-tsolika ianao dia tsy maintsy mandoa vola!!!! Tsy mampino. Angletera mitanjaka. Mila fanadihadiana parlemantera izany ary izay nanao izany fanapahan-kevitra izany dia tokony hitsangatsangana maharitra any amin'izay mahafinaritra ny Mpanjakavavy[migadra?]!

Suresh Goyal [19] (ao amin'ny Facebook 25 Febroary):

Most countries’ envoys are at Tripoli airport facilitating rescue operations. Not a single Indian officer, says a Libya returnee, If a Kottayam-based Libya returnee is to be believed, the Army has taken hostage many Indians. Little or no help from the Indian mission

Ny ankamaroan'ny firenena mandefa iraka manokana hanamora ny asam-panavotana. Tsy ahitana manampahefana Indiana, hoy ny tafaverina avy any Libya iray, raha araka ny niverina avy tany Libya nipetraka tany Kottayam iray dia maro ny Indiana ataon'ny tafika takalon'aina. Kely na tsy misy ny iraka mpanavotra Indiana [Karana]

@theprovince [20] Canadian evacuation plane leaves #Libya empty. No Canadians were at airport in Tripoli, official says: http://bit.ly/hIEtRW [21] [25 February]

Tsy nisy olona ny voromby kanadiana nanao asam-panavotana avy tany #Libya. Tsy nisy Kanadiana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Tripoli, hoy ny tompon'andraikitra: http://bit.ly/hIEtRW [21]

Ny sasany indray dia nidify ny seranam-piaramanidina Libyana tanteraka fa mandeha kosa any amin'ireo firenena manodidina azy:

@Towntwinner [22] RT @britishabroad: #Libya We have teams at Tripoli airport, on HMS Cumberland, and Egypt/Libya border. For assistance call 021 3403644/45 [25 February]

Manana ekipa izahay ao amin'ny seranan'i Tripoli, ao amin'ny HMS Cumberland, ary amin'ny sisintany manasaraka an'i Libya amin'i Ejipta. Raha mila vonjy dia antsoy ny 021 3403644/45 [25 Febroary]

@allawati [23] Landed in Alex. Burg al Arab airport has hundreds of Tunisians fleeing Libya. They drove east from Benghazi to fly west to Tunisia [25 February]

Nidina teto an-tseranam-piaramandin'i Alex. Burg al Arab izay manana toniziana anjatony mandositra an'i Libya. Mandeha miatsinana avy any Benghazi ry zareo no manidina miakandrefana ho an'y Tonizia [25 febroary]

Mampitsiry fanantenana ho an'ireo tafahitsoka ao an-tseranana ny fandrenesam-baovao fiaviana voromby maromaro. Iray amin'ny loharanom-baovao sarobidy indrindra amin'izany ny vohikala RadarVirtuel.com [24] izay manome eo noho eo ny fifamoivoizana an'habakabaka rehetra. Manome ny antsipiriany amin'ny sidinan ny toerana misy ny voromby amin'ny fotoana itenenana, ny ora fiaingana sy fahatongavana, ary ny toeram-piaingana sy ny toerana itodiana rehetra io vohikala io:

@clandestinooooo [25] 1 avion de l'Armee de l'Air Francaise CTM0209 vers Tripoli http://www.radarvirtuel.com/ [22 February]

Fiaramanidin'ny tafika frantsay iray CTM0209 mizotra mankany Tripoli [22 feboary]