- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho  ‘Andro iray Fisaonana [2]‘ an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14  Febroary 2011.

Ilay mpitoraka bilaogy Mahmood Al-Yousif no mamerina tsiahy amin'ity andro fisaonana ity amin'ny alalan'ny lahatsorany [3] farany:

Ndeha isika hitsahatra kely monja ka hisaotra azy ireny tamin'ny sorona nataon-dry zareo. Ary hanantena fa tsy ho very maina ny rà narotsak'izy ireo ka hanova ity firenena ity ho tsara kokoa ho an'ny isam-batan'olona monina eo aminy. Maty niady mba hahafahantsika miaina izay zo fototra maha-olona izy ireny: hiaina am-pahamendrehana. Miaraka amin'ny fanajàna ny zo maha-olombelona, ara-politika ary ara-toekarena. Ho an'ny lalampanorenana midi-droa izay mamaritra ny fifandraisan'ny governemanta amin'ny vahoaka. Ho an'ny fitovian-jo. Ho an'ny mangarahara. Ary ho an'ny famongorana ny kolikoly.

Ho an'ny fitovian-jo. Ho an'ny mangarahara. Ary ho an'ny famongorana ny kolikoly.

Mipao-tsatroka azy ireny sy izay efa nialoha làlana an-dry zareo aho.

Handry am-piadanana anie ry zareo, ary ity firenena ity sy ny vahoakany mba tsy hanadino azy ireny mandrakizay. Manantena aho fa ho voasokitra  mafy amin'ny Perla ao amin'ny àty lalin'ny ara-panahin'ny hetsika ny anaran'izy ireny ka dia tsy ho adino na oviana na oviana.

Mitafy mainty sady mamaky na mihaino Korany Masina no isan'ny mariky ny vanim-potoana fisaonana manerana ny Tontolo Silamo.

@GhadeerAlDaaysi [4] جمعة الحداد على أرواح الشهداء، اتمنى من جميع البحرينيين الاتشاح بالسواد. #Bahrain #UniteBahrain

Ny Zoma dia andro iray hisaonana ny fanahin'ireo maritiora, manantena aho fa hitafy mainty daholo ny Barhainis rehetra

Ny Fampielezam-peo sy Fahitalavi-pirenena ao Bahrain dia nanamarika ilay andro fisaonana tamin'ny fandefasana fandaharana momba ny Korany sy ny Silamo.

@SuhailAlgosaibi [5] شئ جميل ان يذاع القرآن الكريم في الراديو. Aleo tara toy izay tsy misy. #Bahrain #feb14 #lulu

Zava-dehibe ny fandefasan-dry zareo Korany ao amin'ny Fampielezam-peo

@JustNawaf [6] (On Bahrain TV) @yslaise fifandimbiasan'ny fandaharana ara-pivavahana sy ny Korany (hatreto) #Bahrain #Lulu #Feb14

Kiriko sy sorena noho ny tsy fahampian'ny fandrakofam-baovao mikasika ny hetsik'ireo mpanohitra governemanta ao amin'ny Fahitalavitra Bahrain TV, maro ireo mpanao fihetsiketsehana no manontany tena [2] raha hanomboka mba hanangona vaovao mikasika ny diaben'ny maritiora io Zoma io ry zareo.

@BAHRAINIAC [7] Nihevitra aho fa hoe andro fisaonana ofisialy nambaran'ny governemanta ve izy iny? Taiza ny BTV no tsy nandrakotra ny hetsika ho an'ireo maritiora? #bahrain #feb14

Na dia tsy nandrakotra manontolo ny diaben'ny maritiora aza, dia mba nandefa ampahan-tsary tamin'ilay diaben'ny maritiora ihany ny BTV tamin'ny fampahalalam-baovaony:

@Othman_Janahi [8] Tsara izany ry BTV.. Mba nalefan-dry zareo tamin'ny fampahalalam-baovao ny diaben'ny androany..

Ho an'ilay diaben'ny maritiora manokana, ilay mpitoraka bilaogy, Redha Haji, [9] tao amin'ny Flickr [10], dia nampakatra tahirin-tsary  mandoko ny hetsika manontolo tamin'ilay diabe , izay nizotra am-pilaminana. Nanomboka tamina toerana roa samy hafa ilay izy (Seef Mall sy ny sampanan-dàlana Salmaniya ) mankany amin'ny Fihodinana  Pearl (Lulu).

Martyrs' March from Salmaniya towards Pearl Roundabout courtesy of Redha Haji's Flickr [10]

Martyrs

Ny Pejy [11] Facebook -n'ny Bahrain Youth Initiative [ar], fandraisana andraikitra iray nataon'ireo tanora ao Bahrain hanandratana ny fampihavanam-pirenena sy ny fifampiresahana ary ny fifanakalozan-dresaka dia niantso famangiana hatao amin'ireo fianakavian'ny maritiora sy hitondràna ny teny fiaraha-miory amin'ny Sabotsy.

تنظم مبادرة شباب البحرين زيارة إلى أهالي ضحايا الاحداث الاليمة يوم السبت الموافق ٢٦ فبراير في الساعة ال ٤ عصرا حيث ستكون نقطة التجمع في مواقف مجمع سترة ومن يرغب بالمشاركة الالتزام بالوقت المذكور
للاستفسار ٣٩٢٦٢٦٦٥
info@bhryi.com

Ny Bahrain Youth Initiative dia mikarakara famangiana ireo tra-doza tamin'ireo hetsika nitranga tato ho ato amin'ny Sabotsy 26 Febroary amin'ny 4 ora tolakandro..

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].