- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mpitsoa-ponenana, Politika, Vaovao Mafana

Ny 21 Febroary 2011, nandefa tweet manome rohy mankany amina lahatsoratra momba ny fanarahan'ny media iraisam-pirenena ireo hetsi-panoherana manerana ny ‘Tontolo Arabo’ kanefa manadino tanteraka ny any Afrika [1] i @kenyanpundit [2] : [1]

[3]

@davidisen [4] dia namerina nitoraka izany tweet izany ary nanampy fa samy tsy miraharaha an'i Gabon [5] ireo mpitati-baovao:

[6]

Izaho (ny mpanoratra) [7] no namaly an'i @kenyanpundit [8] fa manana antony azo ekena tsy handrakofany an'i Côte d’Ivoire [9] ireo mpanao gazety roa [tsy miteny frantsay]:

[10]

Any Afovoany Atsinanana ny mponina any dia miteny Anglisy, ary nanome ahy hevitra ny hanomboka fanentanana amin'ny tweet [11] mba hahazoana ny mpitatitry ny CNN Anderson Cooper [12] handrakotra an'i Côte d’Ivoire [9]:

[13]

@Darth_Sideous [14] dia nahita antony iray hafa mahatonga ny tsy firaharahian'ny gazety Amerikana ity [tsy misy SOLIKA]:

[15]

Nangataka ny hanajanonanay ny fanentanana i @Darth_Sideous satria tsy nisahirana hamaly na iray tamin'ireo tweetnay aza i @andersoncooper [16]:

[17]

Nisy media hafa nanao izany, ohatra ny France 24, “Aza mifototra amin'ny Tontolo Arabo fotsiny. ‘Mandriaka koa ny rà aty an-tananan'Abidjan [18]“:

[19]

@Darth_Sideous dia nisaotra ny TV5 Monde [20] tamin'ny fanokanana ny ampahany tamin'ny fandaharam-baovaony ho an'ny zava-misy any Côte d’Ivoire:

[21]

Tamin'ny andro fahatelon'ny fanentanana, raha mbola mitohy ireo herisetra hatramin'ny Asabotsy 19 Febroary 2011, @Belligiani [22] dia nilaza ny fara-heviny fa “tsy miraharaha an'i Côte d’Ivoire” ny media Amerikana:

[23]

Ny iray amin'ireo tweet voalohany izay milaza fa anatina ady an-trano [24] i Côte d’Ivoire dia avy amin'i @SenamBeheton [25] :

[26]

Ny Zoma 25 Febroary 2011, nitatitra ny mpiara-miasa ao amin'ny UNHCR fa 20,000 farafahakeliny ireo olona nitsoaka ny ady tany amin'ny Renivohitri’ Côte d'Ivoire, Abidjan [27]. Ora fohy taorian'ity famoahana ity lahatsoratra ity dia nitoraka tweet i @andersoncooper [16] :

[28]

Hitana azy ho to teny [29]” ireo Ivoariana!