- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Politika

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Tonizia 2011 [1].

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly. Tamin'ny Zoma, teo amin'ny 100,000 ireo mpanohitra [2] nifamory teny an-dalamben'i Tunis renivohitra mba hilahatra hanohitra ny governemtana vonjimaika tarihan'i Ghannouchi.

[3]

Ireo mpanohitra eo anoloan'ny Ministeran'ny Atitany tao amin'ny Araben'i Hbib Bouguiba Avenue Sary nalain'i Khaled Nciri

Sarotra be ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hatoky an'i Ghannoushi [4] izay namana akaiky an'i Ben Ali fahiny ary mpikambana naharitra tao amin'ny governemantany hatramin'ny 1989, nanao ny asan'ny Praiminisitra hatramin'ny 1999 ka hatramin'izao.
Efa ny alimbe, tamin'ny 25 Febroary, nivadika tampoka ho fifandonana mahevy vaika teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana ilay hetsika am-pilaminana. Tsy mbola mazava tsara, inona no nitarika ny fifandonana, saingy tsy azo isalasalàna fa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ary nitifi-danitra tamin'ny bala fingotra mba hanaparitahana ny mpanao fihestiketsehana, nifamory tao amin'ny Araben'i Habib Bourguiba, akaikin'ny Ministeran'ny Atitany.

[5]

Polisy mpandrava korontana nampiasa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana – Sary nalain'i Khaled Nciri

Human Rights Watch(@hrw) [6] ihany no nanamarina ny fampiasàna baomba mandatsa-dranomaso:

Nandritra ny 90 min, nijery ny polisy nitifitra baomba mandatsa-dranomaso an'ireo mpanao fihetsiketsehana nanoloana ny Ministeran'ny Atitany ny HRW

Ao amin'ny pejy Facebook-ny ho an'ireo mpankafy azy, ny Ministeran'ny Atitany [7] dia mitatitra fa nanandrana hamaky ny tranoben'ny ministera ireo mpanao fihetsiketsehana:

عداد غفيرة من المتظاهرين عمدوا عشية يوم الجمعة إلى مهاجمة مقر وزارة الداخلية بشارع الحبيب بورقيبة بالعاصمة حيث القوا كميات كبيرة من الحجارة على مبنى الوزارة ومحيطها…
وحاول أعوان قوات الأمن الداخلي ووحدات الجيش الوطني تفريق المتظاهرين عبر إطلاق النار في الهواء وإلقاء القنابل المسيلة للدموع لكن المتظاهرين واصلوا بإصرار محاولاتهم اقتحام مبنى الوزارة.

Ny Zoma hariva, maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no nikasa tsotra izao hamaky ny foiben'ny ministeran'ny atitany tao amin'ny araben'i Habib Bourguba, ao an-drenivohitra, nitora-bato ny trano sy ny manodidina azy. Niezaka nanaparitaka azy ireo ny mpitandro filaminana sy ny tafika tamin'ny fanaovana tifi-danitra tamin'ny bala fingotra ary nampiasa baomba mandatsa-dranomaso, saingy tsy nihemotra izy ireo fa nisisika hatrany ny hamaky ny tranon'ny ministera.

Fanavaozana: Nitatitra ny Ministeran'ny Atitany fa polisy 21 no naratra tamin'ilay fifandonana ary marobe ny zavatra simba tamin'ireo toeram-pivarotana, tsena ary tobin'ny polisy.

Toniziana iray mpitoraka bilaogy no nanoritsoritra ny zava-nitranga [8] tao amin'ny Araben'i Habib Bourguiba araka izay nahatazànany azy avy eny am-baravarankeliny:

C'est le K-O à l'Av H.Bourguiba. C'est la 1ère fois que je vois ça (par ma fenetre). C'est pire que se qui s'est passé le 14 Janvier. Les manifestants ont tout brulés, meme le centre de police près de l'Hotel Africa (Le 7ème). On a secouru des jeunes qui fuyaient la police et d'autres étouffés par les bombes lacrymogènes

Ambony ambany tanteraka ny araben'i Habib Bourguiba. Tsy mbola nahita zavatra toy ity mihitsy aho taloha tany (avy ety am-baravarankeliko). Mbola ratsy lavitra noho izay nitranga tamin'ny 14 Janoary aza. Mandoro izay azony dorana ireo mpano fihetsiketsehana, hatramin'ny biraon'ny polisy eo akaikin'ny Africa Hotel mihitsy aza. Nanampy ireo tanora nihazakazaka nandositra polisy izahay ary ny sasany dia tena sempotra be mihitsy noho ny baomba mandatsa-dranomaso.

Kais (@KaisEG) [9] mandefa bitsika hoe:

Ça brule devant le ministère de l'interieur… (Source:mes yeux)

Mirehitra izao ny eo anoloan'ny Ministeran'ny Atitany…( loharano:  ny masoko roa)

Mathieu Von Rohr,(@mathieuvonrohr) [10] Iraka Misahana Raharaham-Bahiny ao amin'ny DER SPIEGEL mandefa bitsika hoe:

Mampalahelo ny mijery ny fitsimbadihan'ny hetsika am-pilaminana mankany amin'ny herisetra mahery vaika eto #Tunis. Ekena fa sahiran-tsaina sy sorena ny olona sasany, saingy tsy manampy mihitsy ny toy izao.

Hoy izy manampy: [11]

Misy hooligans izao dia mamaky toeram-pivarotana eto amin'ny araben'i Tunis.

Tsy namoizana aina ny fifandonana saingy nisy iray naratra mafy tokoa.
Vlademir Yebanov (@VlademirYebanov) [12] mandefa bitsika hoe:

encore du sang sur l'avenue bourguiba.. un blessé grave vient d'etre hospitalisé maintenant

Dia mbola rà latsaka indray ny eto amin'ny Araben'i Hbib Bourguiba .. olona iray naratra mafy no miditra ny hopitaly izao

Julien Collinet(@jcollinet) [13], mpanao gazety iray avy amin'ny  Canal+ dia mampitaha ny fifandonana ho toy ny any an-tanin'ady mihitsy:

Ambiance de guerre sur l'avenue Bourguiba

rivotra iainana any an-tany miady ireny no  eto amin'ny araben'i Habib Bourguiba

Nicola Beau, Frantsay iray mpanao gazety sady mpanoratra dia manolotra famaritana [14] ny araben'i Habib Bourguiba ao amin'ny bilaoginy, ny Sabotsy maraina nanaraka ny alin'ny Zoma nisian'ny fifandonana maherisetra:

” On ne reconnait plus notre Tunisie”? Ce matin samedi, un spectacle de désolation, avenue Bourguiban au centre de Tunis, où tout a été saccagé. Des casseurs? des provocateurs? Ou des jeunes en colère contre l'incapacité du pouvoir actuel à prendre simplement la parole? Une certitude, les forces de l'ordre n'ont pas fait dans le détail. Des jeunes se sont réfugiés, affolés, dans les chambres d’ hôtels. La peur était revenue.

” Tsy fantatra intsony ve ilay Toniziantsika”? Izao marainan'ny Sabotsy izao, rivotry ny faharavàna, araben'i  Habib Bourguiba eto afovoan'i Tunis, voaroba daholo ny zavatra rehetra. Mpanakorontana ve? Mpandranitra? Sa tanora misafoaka manohitra ny halemen'ny fahefana ankehitriny tsy afa-mifandray amin'izy ireo? Ny zavatra tokana azo antoka dia izao, tsy dia niraharaha ny antsipirihany toy izany ny polisy mpandrava korontana. Nandositra nitady fialofana tany anaty efitranonà trano fandraisam-bahiny ireo tanora raiki-tahotra. Miverina indray ny horohoro.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Tonizia 2011 [1].