Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.
Omaly, iray volana taorian'ny 25 Janoary, nandeha nankany an-kianja Tahrir ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanao fankalazana sy hiantso fanonganana ny governemanta izay voatendrin'ilay filoha teo aloha, Hosni Mubarak. Manomboka miahiahy ny amin'ny hoavin'ny revolisiona nataony ireo Ejiptiana, ary tsy mbola azon'izy ireo antoka raha azo ametrahana fitokisana ny olona fahiny tao amin'ny fitondran'i Mubarak, izay mbola mitantana hatreto. Efa alimbe ny omaly, nanapa-kevitra ny mpanao fihetsiketsehana sasany fa hitorevaka sy hilasy ao amin'ny kianja Tahrir ary manoloana ny antenimiera.
Ny alina, tsy nandeha araka izay noeritreretin-dry zareo ny zava-drehetra. Nandefa bitsika i Manal mikasika ireo polisin'ny tafika niezaka nanadio tamin-kery ilay faritra.
Zeinobia nampitaha ny zava-niseho androany tamin'ny zava-nisy tamin'ilay andro voalohan'ny revolisiona.
Nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana nipetraka tao amin'ny kianja Tahrir sy tao amin'ny kabinetra HQ tao amin'ny làlana Kasr Al Aini ny polisin'ny tafika. Natao haza lambo ireo mpanao fihetsiketsehana ary ireo vavolombelona nahita maso dia nilaza fa nampiasaina hatramin'ny taser [Avy amin'ny mpandika: fitaovana mamoaka herinaratra manangoly] ka hatramin'ny karavasy, voatana ireo mafàna fo. Tsy misy mahazo miditra any izao, tsy mahazo alalana hanangom-baovao mikasika ny zava-mitranga ireo mpanao gazety. Misy tatitra milaza fa hita misy olona misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika miaraka amin'ny polisin'ny tafika, heveriko fa entina hampihorohoroana ny mpanao fihetsiketsehana izy ireny.
Ny sasany amin'ny mpampiasa Twitter etsy ankilany mino fa azo amarinina ireo hetsika ataon'ny polisin'ny tafika.
Na izany aza, tsy lanin'ny vavonin'i Ahmed Zaki Osman sy Zeinobia ny fanamarinana toy izany.
Zeinobia manampy hoe:
Eo indrindra isika, mba taiza ny resaka fandraràna tsy hivezivezy amin'ny alina tamin'ny 2 Febroary rehefa nanafika sy namono mpanao fihetsiketsehana ireo jiolahimboto??
Fihenjanana mampidi-doza io, ary iray tsy azo ekena koa.
Fanavaozana:
Ny tafika dia namoaka fialantsiny tao amin'ny pejy Facebook ofisialiny [Ar].
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.