- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya: #KenyaFeb28, Antso Eo Anivon'ny Aterineto Ho Amin'ny Fitiavan-Tanindrazana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Politika

Ny Alatsinainy 28 Febroary 2011 dia toa sahala amin'ny manana ny lanjany ho an'ireo mponin'ny aterineto ao Kenya. Tanatin'ny fotoana maromaro izao ireo Keniana no miresaka any anaty  Twitter [1], Facebook [2]ary hatrany anaty mailaka no mifanontany raha fotoana izao tokony hampiasan-dry zareo ny tenifototra  #KenyaFeb28 [3] ao amin'ny Twitter mba handaminana ny hetsi-panoherana mikasika ny olana ara-politika, na tokony hampiasa hatrany io sehatra io handrisihana ny fitiavan-tanindrazana.

[4]

Ny bilaogy ALkag [5]s amin'ny famaritana ilay antso ho amin'ny fitiavan-tanindrazana dia nilaza hoe:

Vondrona Keniana iray, ahitana ny avy amin'ny sehatra rehetra, firehana politika, foko, fivavahana, ary tontolo ara-toekarena no nanaiky ho avy hiaraka amin'ny 28 Febroary 2011 ary hanokana minitra vitsy amin'ny 1 ora tolakandro tsy diso (Ora any Afrika Atsinanana) mba hiventy ny toko telo amin'ny Hiram-pirenena.

Amin'ny 28 Febroary, hiaraka ireo Keniana ary hiray hina am-bavaka fa izany no Hiram-pirenena any Kenya, mba hanandratra ny firaisan'izy ireo ho vahoaka iray, ary hitadidy fa rehefa miaraka, mora amin'izy ireo kokoa ny mahatanteraka bebe kokoa. Amin'io fotoana io, ho avy miaraka daholo ny Keniana, tsy hoe hanao hetsi-panoheran-javatra inona akory fa hitsangana ho an'ny firaisam-pirenena.

Ushujaa [6] dia nanoratra hainteny iray mitondra ny lohateny hoe  “Ireharehanay fatratra ny maha Keniana”:

Ireharehanay fatratra ny maha Keniana.

Ireharehanay ny hakanton'ny firenenay
Ireharehanay ny fahasamihafan'ny kolotsaina sy ny fomban-drazana
Ireharehanay ireo maherifonay
Ireharehanay ireo nanao zava-dehibe ho anay
Ireharehanay ny maha olona mafàna ra anay
Ireharehanay ny maha gaigy anay
Ireharehanay ny foko sy ny fiteninay (lantom-peo)….

Amin'ny 28 Febroary 2011 dia hijery antsika izao tontolo izao satria hijoro ho TOKANA ny Keniana; 1 ora tolakandro, firenena 1, vahoaka 1, hiram-pirenena 1, miray anay vavaka 1 ho an'i Kenya 1
Isika no Kenya!

Nivoaka tamina bilaogy maro samihafa ilay hainteny, ohatra ny StoryMoja.co.ke [7], MentalAcrobatics, sy ny [8]Emanneul Ed [9] ho toy ny tompondaka amin'ny fanaingàna ny fitiavan-tanindrazana Keniana. Na ny ekipam-pirenena mpilalao baolina lavalava ao Kenya [10] aza dia namaly ny antso ary vohikala iray  ao amin'ny adiresy http://28feb.co.ke [11] no natsangana ho fanohanana ilay fandraisana andraikitra.

Ao amin'ny YouTube [12] dia misy lahatsary feno iray ahitàna antoko mpihira manohana ilay antso ho an'ny fitavan-tanindrazana KenyaFeb28 [12].

Na izany aza, manàla azy i Diasporadical [13] amin'ilay fanentanana amin'ny filazàna fa ny KenyaFeb28 dia “Fotoana iray fanararaotra tokony hanaovan-javatra betsaka hanampiana ity firenena ity nefa very maina fotsiny”:

… Toy ny fotoana fanararaotra nefa very maina no fijeriko ny KenyaFeb28 . Fotoana iray fanararaotra tokony hanaovan-javatra betsaka hanampiana ity firenena ity hiroso bebe kokoa nefa very maina fotsiny. Hiray isika ka hihira ny hiram-pirenena manontolo mandritra ny valo na folo minitra eo ho eo dia ahoana? Ny valiny hasetrin'ireo manohana sy angamba ny mpikarakara ny KenyaFeb28 aza dia holazainy anao fa hoe miankina aminao izay hitranga aorian'izao. Tsy mahafa-po ny fahitako io valinteny io. Fandraisana andraikitra iray ny KenyaFeb28, izay manao ho anton-draharaha ny fitaomana ny Keniana amin'ny fiantsoana azy ireo hiray hina ho anà hetsika tokana. Vantany vao namorona fisainana matanjaka be toy ny KenyaFeb28 ianao, dia tsy maintsy maniry ny hahita azy handeha hatrany amin'ny farany.  Tsy maintsy manana tetika goavana fa raha tsy izany dia ho lasa fahatsiarovana tsotra sisa ny amin'izy ity.

Tsy raharaha andro iray ihany ny fahaiza-mitarika.

Amin'ny fampiasàna ny tenifototra #KenyaFeb28 ao amin'ny Twiter, dia hahita fifanakalozan-dresaka mahaliana bebe kokoa isika:

AmThe Colonel [14]milaza fa:

#kenya28feb [15] dia endrika fahadisoam-panantenana ihany. mila olona hanazava amiko #thenwhat [16]

Ny valinteniny angamba mety ho hazavain'ny zava-misy hoe ireo mpikarakara ny KenyaFeb28 dia tsy manana akory ao an-tsain'izy ireo ny resaka geo-localication hijerena ny toerana hifamorian'ireo manohana sy ireo manohitra ilay fandraisana andraikitra, tahaka ny tranga nisy tamin'ny hetsi-panoherana tany Bahrain tao amin'ny Pearl Monument Manama [17]sy ny  Kianja Tahrir [18] tao Ejipta. Nafantoka fotsiny teo amin'ny aterineto ny antso .

Rimui [19] milaza hoe:

#Reason101 [20] ho an'ny #kenya28Feb [21] : vakio daholo ireo fisolokiana nataon'ny governemanta + mpandrindra ny PEV( 2008 Post Election Violence – Herisetra Taorian'ny Fifidianana)

Mbola mitohy ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny KenyaFeb2 ao amin'ny Twitter [3]sy ny Facebook [2].