Tonizia: Iza no tokony ho melohina tamin'ny famonoana ilay pretra poloney?

Nanohina sy nahaontsa ny vahoaka Toniziana ny nahare ny vaovao mikasika ny famonoana ilay pretra poloney tao akaikin'ny renivohitr'i Tonizia tamin'ny faha 18 Febroary. Nilaza ny minisitry ny raharaham-bahiny poloney fa noraisin'izy ireo ho toy ny “vono olona nataon'olon-tsotra” io vono olona io ary tsy misy ifandraisany amin'ny raharaham-panjakana ankehitriny ao Tonizia, kanefa maro ireo vinavinan-kevitra hita ao amin'ny bilaogy Toniziana sy haino aman-jery sosialy izay mametra-panontaniana hoe iza no tompon'andraikitra tamin'io vono olona io ary inona no mety anton'izany?

Tena mbola marefo tokoa ny fanjakana Toniziana eo amin'ny fitantanan-draharaha ao an-toerana, fa nampihena ny faharetan'ny didy jadona ny  fikomian'ny vahoaka. Ankehitriny, nisy fanentanana hetsika tao amin'ny renivohitr'i Tonizia, izay notohanan'ny lahika sy ny vahoaka Toniziana afaka sy be fandeferana.

Polish Priest Marek Rybinski

Nisy namono ny pretra Poloney Marek Rybinski tamin ny faha 18 Febroary, tao Manouba, akaikin'ny renivohitr'i Tonizia

Nandefa tweet i Nour (@ZoneInterdite):

L'assassinat d'un père chrétien… pays de tolérance, c'est inacceptable!!

Tsy azo ekena ny famonoana ny Ray am-panahy Kristianina iray… firenen'ny fandeferana ity

Nanampy izany i Mourad (@deepreal):

toutes mes condoléances pour tous les chrétien de la Tunisie suite à l’assassinat du père Marek Rybinskisalésien

Manolotra teny fampiononana ho an'ireo Kristianina rehetra ao Tonizia ny tenako noho ny famonoana ny Ray am-panahy Marek Rybinsky

Na dia teo aza izany, ary rehefa tonga eo amin'ilay fanontaniana hoe iza no nahavanon-doza tamin'izany zavatra izany, dia nifanohitra ny fomba fijerin'ny Toniziana. Matetika rehefa miresaka vono olona toy ity dia ny voaendrikendrika voalohany indrindra dia ny Islamista.

Nanameloka an'io famonoana olona io ary nanome tsiny ireo “Fasista mpampihorohoro” ny Minisitry ny atitany tao amin'ny takelaka Facebook:

علمت وزارة الداخلية ببالغ الاستياء نبـأ اغتيال القسّ البولوني الجنسية
Marek Mariusz Rybinsky
البالغ من العمر 34 سنة والذي يعمل بالمدرسة الخاصة نهج ابن الجزار بمنوبة وذلك على أيدي مجموعة من الإرهابيين الفاشيين ذوي الاتجاهات والمرجعيات المتطرّفة
Tamin-katezerana mafy no nandraisan'ny Minisitry ny atitany ny famonoana ilay pretra Poloney Marek Mariusz Rybinsky, 34 taona. Novonoin'ny vondron'olona Fasista mpampihorohoro mampiasa herisetra ny pretra, izay niasa tao amin'ny sekoly tsy miankina tao  Mannouba [akaikin'ny renivohitr'i Tonizia].

Nandefa tweet i Abdrabbah Yassine (@ayassinov):

Et voilà que les extrémistes font de la bonne pub pour le tourisme en #tunisie

Manao dokambarotra ny fizahan-tany ao Tonizia ireo mpampiasa herisetra ireo

Tsy faly amin'izany i Ahlem HachichaChaker (@Ahlem_Hachicha):

à kan 1 réaction officielle contre ces débiles d'intégristes? assassinat d'1 père chrétien à la Manouba hier!!!!

Oviana ny fihetsika ofisialyho fanoherana ireo antoko tsy  mpampiasa herisetra sy tsy manan-tsaina ireo? Toy ity famonoana ny Ray  am-panahy Kristianina tao Manouba ity!!!

Ny sasany dia mandray ity vono olona ity ho toy ny lalao eo amin'ny resa-politika izay mahatonga ny olom-pinoana hanameloka ny Islamista sy hanimba ny hasin'ny firenena any amin'ny faritra akaikin'i Ben Ali. Eto, tafiditra ao anatin'io fanendrikendrehana io ilay antoko nitondra teo aloha RCD ( Le Rassemblement constitutionnel démocratique).

Nandefa tweet i Abdallah Belakhoua (@Abdallah__B) :

SCENARIO DEVOILE DES exRCD: CLASH DE CIVILISATIONS POUR COMPTER SUR L'EXTERIEUR ET LE BON VIEUX SLOGAN: ANTI TERRORISME

Nahitana ny fandraisana anjaran'ny mpikambana tao amin'ny RCD teo aloha io sehon-javatra io: ny fihenan'ny toe-pirenena eo amin'ny fahatokisana ny fisalovanan'ny firenena avy any ivelany, sy ilay teny filamatra taloha ”Fanoherana ny fampihorohoroana”

Hoy izy nanampy izany:

الذي قتل القس له هدف واحد وهو تخويف الغرب من الديمقراطية الناشئة في تونس و كذلك تحسين صورة النظام البائد… و لن ينجح
Ireo izay namono ny pretra ireo dia manana tanjona iray izay mampihoron-koditra ny tandrefana sy ny demokrasia vaovao ao Tonizia ary koa manatsara ny voninahitry ny fitondrana teo aloha… tsy hanjary anefa izany.

Ny mpanohitra ny Islamista  (@ilyasTunis) dia mahavita hatrany amin'ny fanendrikendrehana an-dRamatoa Leila Ben Ali, vadin'ny filoha Toniziana teo aloha ho nandray anjara tamin'io resaka io:

Jsuis contre les islamistes (Jsuis musulman) ms c vrai ke c facile de les impliquer. Je pence ke c les milices de Leila

Tsy mankasitraka ny Islamista aho (Silamo aho), kanefa  tsotra dia tsotra ny mampiditra ny Islamista amin'io resaka io. Araka ny hevitro dia ny foloalindahin-dRamatoa Leila no tokony ho melohina voalohany amin'io resaka io.

Hoy i Fadhel (@_fadhel):

les mots: integriste, islamiste, barbue. D mots de colons pour tt justifier (guerre:irak,afganistan..)

ireto teny: antoko mpampihorohoro, Islamista, lava volombava, dia teny mamaritra faneriterena avokoa izay manaporofo ny fisian'ny ( ady: Iraka, Afghanistan…)

Nad tupac (@gasscheb) nanamarika:

un prêtre égorgé, pkoi on accuse direct les islamistes? on a des preuves? ça pourrait pas un de ces milliers de prisonnier évadés?

Maninona moa isika no tonga dia manendrikendrika ny Islamista raha vao maheno hoe pretra nisy namono? Manana porofo ve isika? Tsy mety ve hoe iray amin'ireo voafonja aman-jatony nitsoaka ary no nanao izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.