Tantara tamin'ny 25 Febroary 2011
Jordan: Voavaly ny fangatahana hamaly an'i Libia
Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity. Nandritra ireo Fihetsiketsehina marobe niseho tany Tonizia ary avy eo tany Ejipta, nanao fihetsiketsehina tamim-pirahalahiana ireo Jordaniana, ary namoaka...
Tonizia: Iza no tokony ho melohina tamin'ny famonoana ilay pretra poloney?
Nanohina sy nahaontsa ny vahoaka Toniziana ny nahare ny vaovao mikasika ny famonoana ilay pretra poloney tao akaikin'ny renivohitr'i Tonizia tamin'ny faha 18 Febroary. Maro ireo vinavinan-kevitra hita ao amin'ny bilaogy Toniziana sy haino aman-jery sosialy mametra-panontaniana hoe iza no tompon'andraikitra tamin'io vono olona io ary inona no mety anton'izany.
Liban: mpanao didy jadona 128 mahery no toherina?
Raha mbola eo am-panoherana ny mpanao didy jadona any aminy ny tontolo Arabo, dia tsy dia tena mitovy loatra amin'ny an'ny rehetra ny zava-misy any Liban sady somary manahirana. Araka...
Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya
Raha ny azo avy amin'ny loharanom-baovao sasany, dia nandray anjara tamin'ny fandarohana baomba ny mpanao fihetsiketsehana Libiana ny mpanamory fiaramanidina Serba. Nadikan'i Sasa Milosevic ny fihetseham-po vitsivitsin'ireo Serba mponina amin'ny aterineto momba ity tsaho ity
Côte d'Ivoire: Famoretana tan-Kerisetra an'Ireo Hetsika an-Dalambe
Taorian'ny fitsaharana kely, mifantoka amin'i Cote d'Ivoire indray izao ny sain'ireo mpampita vaovao manerantany. Tato anatin'ny dimy andro dia niaina herisetra mivaivay indray ny firenena ary fihamafisan'ny resak'ireo mponin'ny aterineto Ivoariana.
Myanmar: Barcamp Yangon 2011
Mihoatra ny 4000 ny mpandray anjara nanatrika ny Barcamp Yangon 2011 tany Myanmar izay nametraka ity fotoana ity ho iray amin'ny Barcamp nahavory olona be indrindra tany amin'iny faritra iny. Voarara ny vohikala Xanga rehefa niresaka momba ny sivana an-tserasera ny Myanmar ny mpandray anjara iray (izay ampiantranoan'i Xanga ny bolongany).