- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Mbola mitohy ny rotaka rehefa nihoatra ny herinandro ny hetsi-panoherana mihantsy ny mpitondra Kolonely Gaddafi sy ny famoretana henjana dia henjana [1] ataon'ny mpitondra amin'ny mpanao fihetsiketsehana.

Milaza izany manontolo ny sioka iray avy amin'i @LaraABCNews [2]:

Miankina amin'izay misy anao eto #Libya no mety ho milamina na mikorontana ny faritra misy anao – miteny ny olona any Benghazi fa efa miverina miasa ry zareo, misokatra ny banky sy ny supermarkets.

Nitatitra [3] ny CNN ny fisian'ny fivoriana lehibe ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra, dia i Benghazi sy ny fivoahana eny amin'ny kioska [4] ny gazety vaovao laharana voalohany tao amin'ity tanàna ity. [4]

Hafa tanteraka kosa ny tantara ao an-drenivohitra Tripoli, izay lazaina ho toera-pamaharana farany mampatanjaka ny fitondrana naharitra efapolo taona an'i Muammar Al Gaddafi [5].

@LaraABCNews: [6] Hafa avy any #Tripoli: Vono-olona ny any…mila ny vahoaka manerantany hiara-mihiaka aminay izahay. Manampy antsika Andriamanitra, matahotra fatratra ny zanako

@bencnn: [7] Mpanamory fiaramanidina mpiady Libyana iray no niteny tamiko ny fitantaran'ny mpanamory namany iray any amin'ny toby akaiky an'i #Tripoli fa vonoina izay mpanamory mandà baiko. #cnn #Libya #feb17

@AliTweel: [8]Any #Tripoli manana namana roa nanjavona aho efa telo andro izao, miangavy mba hivavaka ho azy ireo. Feb17

@LaraABCNews: [9] izao no lazain'ny vehivavy iray miresaka momba an'i #Tripoli: Aiza ny Firenena Mikambana? Tsy mila sazy izahay…mila olona hanajanona ny famonoana izahay.

Raha manomboka miely ao Tripoli ny tafika dia nampanantena tao amin'ny kabariny i Gaddafi fa hanadio an'i Libya “isan-trano [10].”  Na dia izao aza, raha ny marina, ny ora farany ho an'ny fitondran'i Gaddafi, tena mampitaintaina ny ora. Indrindra ho an'izay manana fifandraisana any Libya.

@Cyrenaican: [11] nihalehibe tany amin'ireo olona manana havana maty ireo aho. Nigadra tany Libya ny raiko. Voakasika tsy misy anavahana ny fianakaviana rehetra

@Cyrenaican: [12] 42 taona no toy izany. Ny tena biby tsy miantra eo am-pamonoana. 42 taona tao anatin'izany hasiahana, fampijaliana sy fandrasarasana izany.

@AJELive: [13] solontenan'i AJE any Libya no mitatitra: Tsapan'ny olona fa “tratra ny fenitra roso toy tsa mimpody intsony” http://aje.me/hVJqZr #aljazeera #libya #feb17

Ny alakamisy 24 Febroary 2011 dia heno fa faritra maro ao amin'ny firenena no eo ambany fitantanan'ny mpanohitra manao fihetsiketsehana sy ny vondro-tafika nitsoaka an-daharana. Manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny tafika manoa an'i Gaddafi ny olona.

Raha tsy jerena izay eritreretinao momba ny fahombiazan'ny valan-tserasera [media sosialy] amin'ny fandaminana sy ny famelomana ny tolona nanerana ny “Afovoany Atsinanana” [faritra arabo], ireny fitaovana ireny, miaraka amin'ny fitaovana analozika sasany [14] dia efa nanaporofo ny ilàna azy amin'ny fanangonana tahirin-kevitra mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Araka ny fanazavan'ny tweep iray amin'ny tontolo ivelany:

@ChangeInLibya: [15] To Media: despite the fact some alarming info u cud get is fake, remember, it could be true. Never ignore anything you get outright

Ho an'ny gazety: na dia mety ho diso aza ny vaovao manaitra sasany voarainareo, tsarovy, mety ho marina iny. Aza misy tsinontsinoavina izay azonareo any ivelany any.

Indreto ny tatitra vitsivitsy ao amin'ny Twitter:

@marwame: [16] RT @mohamedmesrati: Nanafika ny moskea any Zawiya tamin'ny bala fitifirana voromby ny mpanohana an'i Qaddafi http://j.mp/fdzHmI #libya #feb17

@monaeltahawy: [17]Momba ny isan'ny maty any Zawia RT f@feblib 14 voamarina, io no azoko farany, io no tanànako #Libya

@libyanexpat: [18] @lebandrej mampiasa balafomanga ry zareo itifirana moske ary dia misy ny fanafihana tsy mijanona avy eny an-habakabaka sy an-tanety.

@BBCKimGhattas: [19] vehivavy britanika nandositra an'i #Libya tamin'ny alalan'ny seranam-piaramanidina, nolazain'io vehivavy io fa mandevina 20 ka hatramin'ny 30 isan'andro amin'ny mpiara-monina azy manodidina izy.

@SultanAlQassemi: [20]Tifina lehiben'ny fiaraha-monina Toaregy any Britaina Akli Chakka amin'i Al Arabiya: Namono miaramila Libyana 185 ny vondro-tafika Khamis sy ny Saif (Gaddafi) #Libya

Naka endrika lahatsary kosa ny fakana tahirin-kevitra.

ity lahatsary nampidirin’ ibntarabulus [21] ary natsangan'ny vondrona One Day on Earth [22], dia mampiseho fandevenana faobe any Tripoli.

Ity lahatsary [23] (MAMPIHORONKODITRA), antsoina hoe “Miaramila Libyana ao Derna novonoina fa tsy namono ny havany” dia nampidirina tao amin'ny Youtube avy amin'i MeddiTV [24] tamin'ny alarobia 23 Febroary 2011. Mampiseho eo ho eo amin'ny miaramila miondrika 30 eo ny lahatsary, maro amin'izy ireo no mifatotra ny tanany. Notifirina izy rehetra, ny sasany imbetsaka.

Ity lahatsary [25] (MAMPIHORONKODITRA), antsoina hoe “Miaramila novonoina – Sirt Libya (Nandà ny hitifitra ny mpiray tanindrazana aminy) جنود تم اعدامهم ,” mampiseho ihany koa izany.