- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nobodoina nymasoivoho Libyana ao Dubai ary nesorina ny saina!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Libia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny  Fihetseham-bahoaka 2011 any Libya.

Ho valin'ny famonoana izay nitranga tany Libya sy ny tsy fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany, ny mpanao fihetsiketsehana  ao Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, dia nankeny amin'ny masoivoho Libiana ny talata mba hitaky ny fanajanona ny fandatsahan-drà ary hanongana ny Kolonely Muammar Gaddafi.

@Rayyalmulla [1] Sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana Libiana teo akaikin'ny masoivohon'i Libya #dubai, #uae #libya #gadafi #arabrevolutions http://yfrog.com/h7q3gtj [2]

Protesters outside the Libyan Consulate in Dubai, UAE [2]

Ireo mpanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny masoivoho Libyana ao Dubai

Niditra ankeriny tao amin'ny konsiolà Lybiana ireo mpanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny fantsom-baovao Al-Arabiya izay nitatitra ny zavanisy teny an-toerana.

@nalshaikh [3] AlArabiya: Niditra ankeriny tao amin'ny masoivoho Lybiana ireo  mpanao fihetsiketsehana #Dubai & ary nanimba sy nanimbazimba ny sarin'i  #Gaddafi. #Feb17 #Libya

@MohannadKhairy [4] Tafiditra soamantsara  tao amin'ny masoivoho Lybiana ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanala ny sainam-pirenena sy hiantso ho amin'ny demokrasia malalaka sy  mendrika

Tweep Danya B Mohammed (@ceoDanya [5]) izay mihevitra ny tenany ho ” Filohan'ny Lybiana atsy ho atsy.” dia ni-tweet [nisioka an-tserasera] ny zava-nitranga nanomboka ny fidirana tao amin'ny masoivoho Libyana:

@ceoDanya [6] Ho an'ny rehetra eto Emirà Arabo mitambatra!! Iangaviko ianareo hiaraka amiko ho any amin'ny ambassady Libyana eto UAE mba hanohitra ny zava-misy, nefa mety ho samborina ianareo.

@ceoDanya [7] FANOHERANA TAO UAE !!!! Ya rab [Tompo ô! henoy ny vavakay, enga anie ny kelb (alika) mba tsy ho ao

Nanohy ny fampilazana tamin'ny alalan'ny tweeter tamin’ ireo mpanao gazety vahiny izy fa ireo mpanao fihetsiketsehana dia voahidy tao amin'ny masoivoho.

@ceoDanya [8] NOHIDIANDRY ZAREO TAO ANATIN'NY KONSIOLA NY VAHOAKA LIBYANA ETO UAE @ABC @CNN @andersoncooper @BBC HELP!!! We can't get OUT!!!

Na dia voahidy aza izy ireo, dia nanohy ny tolona mba hanala ny saina maitson'ny Libya izay napetrak'i Kolonely Kadhafi voalohany, maka tahaka ny fihetsika nataon'ny mpanao fihetsiketsehana nanala ny sainan'i Libya maitso ankehitriny nosoloiny ny lokontsaina taloha nataon'izy ireo tao   Benghazi [9].

@ceoDanya [10] Efa nesorina ny saina tao UAE!!! Kanefa dia mbola nohidian'izy ireo tao anatiny ihany izahay !! @SultanAlQassemi @ShababLibya

@allawati [11] Nesorina ny saina tamin'ny fitondrana tao amin'ny masoivoho Libyana ao Dubai http://twitpic.com/42in89 [12]

Libyan flags removed from the masts above the Libyan Consulate in Dubai, UAE [12]

Saina Libyana nesorina teo amin ny andry manoloana ny masoivoho Libyana ao Dubai, UAE

@ceoDanya [13] Nivoaka izahay ! ary hahazo ny fankatoavana ofisialy hanao fihetsiketseham-bahoaka izahay rahampitso #SAVELIBYA #Gadaffi. @SultanAlQassemi UAE

Voahidy mandritra ny ora roa alohan'ny namoahana azy ireo mpanao fihetsiketsehana.

@ceoDanya [14] Nanomboka tamin'ny  10:30 maraina ka hatramin'ny  3:00 tolakandro no voahidy tao amin'ny masoivoho nandritra ny adin'ny roa izy ireo! DUBAI #PROTEST LIBYAN NATIONALTIES

Ity lahatsoratra ity dia fintatarana manokana ataonay momba ny fihetseham-bahoaka 2011 any Lybia 2011