- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polonina: Nampahafantarina ireo bilaogy tsara indrindra tamin'ny taona 2010

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Polonina, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia

Nifarana ny andiany fahenina tamin'ny fifaninanana teo amin'ny “Bilaogy tsara indrindra nandritra ny taona”, ary efa nolazaina ny valiny. Amin'ity taona ity (toy ny tamin'ireo andiany maro teo aloha), dia nozaraina ho ambaratonga telo ny fifaninanana rehetra. Ny ambaratonga voalohany – dia ny fanendrena amin'ny ankapobeny, ny faharoa – dia fifidianana amin'ny alalan'ny SOMESO sy ny fifantenana ireo mpandray anjara ara-tsokajy tafakatra amin'ny dingana famaranana, ary fahatelo sady farany, misy komity manokana misafidy ireo mpandresy. Fanampin'izany, samy manana ny mpitsarany avy ireo sokajy tsirairay  ireo ao amin'ireo mpikambana ireo, olona iray notendrena sy mahafantatra tsara ilay votoatin-dresaka.

Zapiski z Granitowego Miasta [1]

Ny bilaogy tsara indrindra tamin'ny taona 2010, dia  ny bilaogy tsara indrindra araka ny safidin'ny mpitoraka bilaogy (mari-pankasitrahana natolotr'ireo mpitoraka bilaogy izay nandresy tamin'ny taona maro teo aloha) ary ny bilaogy tsara indrindra teo amin'ny sokajy “Ny Tiako” dia azon'i Mateusz Biskup, ny mpanoratra ilay bilaogy dia i Zapiski z Granitowego Miasta (“Lahatsoratra nalaina tao amin'ny City of Granite”).

Ny sokajy hafa:

Manokana

Nomena mari-pankasitrahana manokana ireo bilaogy izay nanosika ny fandrosoana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy poloney:

bez sloganu [12]

White Plate [13]

Bez sloganu [14] (tsy manana teny filamatra)

Wrocław z wybory [15] (Wrocław araky ny safidy)

Tsara ny nandraisan'ny mpitoraka bilaogy poloney sy ny tontolon'ny bilaogy ny fifaninanana rehetra sy ny valin'izany.

Nanazava i Maciej Budzich [16]:

Nahafinaritra sy nahataitra ahy ny rivotra nanodidina izany, ny hery izay tsara dia tsara, ny fahaiza-mandamina ny asa sy ny hatsaran'ireo bilaogy rehetra izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana tamin'ity taona ity.

Nanoratra tao amin'ny lahatsorany misy  sarimihetsika ihany koa  i Maciej hoe, isaorana ity fifaninanana ity, efa eo an-dalam-piforonana izao ny raki-tahiry tsara indrindra eo amin'ny kalitaon'ny bilaogy poloney ary io no toerana tsara indrindra ahitana tantara vaovao sy ahitana mpitoraka bilaogy vaovao.

Nanoratra i dash [17]:

Amin'ny ankapobeny, tena tsara tokoa ny #blogroku [#blogoftheyear].