Nifarana ny andiany fahenina tamin'ny fifaninanana teo amin'ny “Bilaogy tsara indrindra nandritra ny taona”, ary efa nolazaina ny valiny. Amin'ity taona ity (toy ny tamin'ireo andiany maro teo aloha), dia nozaraina ho ambaratonga telo ny fifaninanana rehetra. Ny ambaratonga voalohany – dia ny fanendrena amin'ny ankapobeny, ny faharoa – dia fifidianana amin'ny alalan'ny SOMESO sy ny fifantenana ireo mpandray anjara ara-tsokajy tafakatra amin'ny dingana famaranana, ary fahatelo sady farany, misy komity manokana misafidy ireo mpandresy. Fanampin'izany, samy manana ny mpitsarany avy ireo sokajy tsirairay ireo ao amin'ireo mpikambana ireo, olona iray notendrena sy mahafantatra tsara ilay votoatin-dresaka.
Ny bilaogy tsara indrindra tamin'ny taona 2010, dia ny bilaogy tsara indrindra araka ny safidin'ny mpitoraka bilaogy (mari-pankasitrahana natolotr'ireo mpitoraka bilaogy izay nandresy tamin'ny taona maro teo aloha) ary ny bilaogy tsara indrindra teo amin'ny sokajy “Ny Tiako” dia azon'i Mateusz Biskup, ny mpanoratra ilay bilaogy dia i Zapiski z Granitowego Miasta (“Lahatsoratra nalaina tao amin'ny City of Granite”).
Ny sokajy hafa:
- Ny tantaran'ny fiainako sy ny mombamomba ahy – ny mpandresy dia i Andzia i jej nieborak – tantaran'olona anankiroa izay voan'ny aretina homamiadana
- Eo amin'ny resaka asa – i PiotrWajszczak.pl no mpandresy – miresaka momba ny tsiambaratelon'ny varotra sy ireo ambaratonga isan-karazany eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra
- Politika sy ny fiaraha-monina – ny mpandresy dia i Tuudi – manazava ny tena dikan'ny hoe fahafahana, nosoratan'olona iray teratany Silesia izay mankasitraka fanavaozana ara-politika
- Fitsidihan-tany – i Klapki Kubota State of Mind no nandresy – fandehandehanana maneran-tany tao anatina fiara iray hita kisendresendra
- Kolotsaina – i O sztuce no nandresy- bilaogy manokana momba ny zava-kanto
- Sary, sary mihetsika, fampisehoana an-dapihazo mahatsikaiky – ny nandresy dia i Transfokator – olona mpametraka sary anaty bilaogy
- Literatiora – ny nandresy dia i Paczucha.blog – tantara momba ny fijaliana sy fahasambarana eo amin'ny fiainana
- Hafahafa sy ny tsy hafahafa - i Elka Gra no nandresy- nosoratan'olona efa tsy dia tanora loatra intsony kanefa mpiasa mavitrika ao amin'ny fitondran-draharaham-panjakana
- Ny fahatanorana – i Bieber Forever no nandresy- tantara ana tanora anankiroa izay mahalala tsara ny tena fiainana
Manokana
Nomena mari-pankasitrahana manokana ireo bilaogy izay nanosika ny fandrosoana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy poloney:
- noho izy mpitoraka bilaogy voalohany indrindra niresaka momba ny fahandroana sakafo
- noho izy nanaporofo fa afaka raisina ho toy ny traikefa novoizina ny fahaizana mahandro sakafo, ary tsy voafetra ao an-dakozia fotsiny ihany
- noho izy nampandroso ny kolontsaina eo amin'ny fandrahoana sakafo hatrany amin'ny faritra mpanao sakafo vita voatra tonga dia raisina
- noho izy manana fijery matihanina amin'ny asa no mahay maneho ny fomba fijeriny manokana eo amin'ny fanazavana ny fomba fanaovana sakafo izay mampandroso ny resaka varotra
Bez sloganu (tsy manana teny filamatra)
- noho izy namoaka ny bilaogy voalohany indrindra izay ahitana sarimihetsika nataon'ny pretra
- noho izy nampiseho fa tsy matahotra teknolojia vaovao ny Fiangonana
- noho izy nampiely izany tamin'ny fiteny iraisan'ny be sy ny maro ary famaliana ireo fanontaniana mahazatra
- noho izy tsotra sy manana fifandraisana mivantana amin'ny mpijery
Wrocław z wybory (Wrocław araky ny safidy)
- teo amin'ny fitaterana ny zavatra niainana tamin'ny tondra-dranon'ny andro ririnina tamin'ny taona 2010
- teo amin'ny fifaninanana amin'ireo haino aman-jery lehibe eo amin'ny fitaterana ny vaovao haingana dia haingana
- teo amin'ny fanaporofoana fa mifindra ny fitiavana ny toerana iainantsika
Tsara ny nandraisan'ny mpitoraka bilaogy poloney sy ny tontolon'ny bilaogy ny fifaninanana rehetra sy ny valin'izany.
Nanazava i Maciej Budzich:
Nahafinaritra sy nahataitra ahy ny rivotra nanodidina izany, ny hery izay tsara dia tsara, ny fahaiza-mandamina ny asa sy ny hatsaran'ireo bilaogy rehetra izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana tamin'ity taona ity.
Nanoratra tao amin'ny lahatsorany misy sarimihetsika ihany koa i Maciej hoe, isaorana ity fifaninanana ity, efa eo an-dalam-piforonana izao ny raki-tahiry tsara indrindra eo amin'ny kalitaon'ny bilaogy poloney ary io no toerana tsara indrindra ahitana tantara vaovao sy ahitana mpitoraka bilaogy vaovao.
Nanoratra i dash:
Amin'ny ankapobeny, tena tsara tokoa ny #blogroku [#blogoftheyear].
2 hevitra
Nahafinaritra dia nahafinaritra ahy tokoa ny mamaky ilay teny malagasy tamin’ity lahatsoratrao ity ry Erika ary saika tsy nisy nahitsiko intsony afa-tsy zavatra roa monja. Mazotoa indrindra!
Misaotra indrindra e! Mankasitraka. Nahafinaritra ahy koa ny nandika ilay lahatsoratra. Mazotoa e!