- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Mitaky ny zony ny ‘Bedoun’ tsy manan-tanindrazana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Miditra amin'ny andro fahatelo ny fihetsiketseham-panoherana [1] ataon'ny mponina koesiana tsy manan-tanindrazana [2], fantatra ihany koa ho ‘bedoun’ (tsy manana zom-pirenena), mitady ny fampitovian-jo sy fizakana zom-pirenena izay nahaterahan'ny maro sady heveriny ho fonenany tokana. Ny fitondrana moa milaza fa tsy mponina ara-dalàna izy ireo – ary tsy ara-dalàna ihany koa ny fihetsiketsehany.

Ny zoma no nanombohan'ny fihetsiketsehana izay nahazoana olona manodidina ny arivo eo ho eo. nanaraka izany ny fifandonana tamin'ny polisy sy ny fisamborana ary ny fitaterana fa mpanao fihetsiketsehana iray no maty. Ny governemanta, kosa mandà [3] ny fisian'izany maty nandritra ny fihetsiketsehana izany.

Indreto ny hevitra sasany tao amin'ny Twitter miresaka momba ity toe-draharaha ity:

@Arabian_Babbler [4]: Miditra amin'ny andro fahatelo itakiany ny zo fototra sy ny fizakana zom-pirenena ny Koesiana tsy manan-tanindrazana http://tinyurl.com/6gv7ra3 #Kuwait

@fouad_marei [5]: #Kuwait: Koesiana ‘tsy manan-tanindrazana’ voalohany maty novonoina nandritra ny fihetsiketsehana fitakiana ny fizakan-jo sy fahafaha-monina ara-dalàna #bedoun #بدون

@Dima_Khatib [6]: Mitaky izay ananan'ny Koesiana ny tsy manan-tanindrazana, efa nonina teto #Kuwait nandritra ny fotoana maharitra antsoina hoe “bedoun”: zom-pirenena, fampianarana sy fitsaboana maimai-poana, asa

@moftasa [7]: Tonga voambam-basy ny Arabo tsy manan-tanindrazana fa mampiasa afomanga manazava ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana azy ireo. http://is.gd/qyrlmg

@arabtimeskuwait [8]: Mandà ny fisiana ‘fahafatesana’ ny ao amin'ny atitany – Andro fahatelo anaovan'ny Bedoun fihetsiketsahana http://www.arabtimesonline.com

@dubaijazz [9]: mitatitra ny Al Bayan fa maty ny mpanao fihetsiketsehana iray avy amin'ny Bedoun eto #Kuwait: http://bit.ly/giFUkg #Why [Nahoana?]

@hhusaini [10]: mitaky zom-pirenena, asa ary fonenana ny bedoun eto #kuwait http://af.reuters.com/article/energyOilNews/idAFLDE71H22B20110218

@buthaina [11]: te-hahalala bebe kokoa momba ny #bedoun eto #Kuwait ny #Journalists {mpanao gazety], Azonao jerena ny tatitra (teny anglisy.) @ Kuwaiti #AlWatan Gazety Arabo mivoaka isan'andro, avy amin'i Buthaina AlOthman in 91

@buthaina [12]: Olana natsangan'ny Printsy mitana fahefana eto #Kuwait taloha, Sheikh Sa'ad izay nitondra #Syrian & #Iraqi #Bedwins teto KUW nandritra ny taona 80s hifidy ny momba ireto #Bedoun ireto.

@buthaina [13]: tsy hanome valiny mivantana amin'i #AlWatantv ny depiote koesiana {#Kuwait #MP} #HassanJawher raha anontaniana momba ny fihetsiketseham-panoherana ataon'ny #Bedoun #Protest ao amin'ny distrikan'i #AlJahra izay entiny

@Somaiyyah [14]: Mendrika jenseya ny Bedoun teto nialoha ny taona '90 izay niara-niaritra ny mafy sy ny mangidy mbamin'ny tsara tamin'i Kuwait. Ny hafa kosa m3a ilsalama #mbamiteny

@FollowFawaz [15]: Na dia tsy manana sata ara-dalàna na fizakan-jo aza ny ‘bedoun’ niara-nonina tamin'ny vahoakan'i Kuwait dia nianoka ny tombontsoan'ny Koesiana kosa

@FollowFawaz [16]: Naparitaky ny mpitandro ny filaminana koesiana tamin'ny alalan'ny tifi-drano sy ny baomba mandatsa-dranomaso ny ‘bedoun’ mpanao fihetsiketsehana. Mponina tsy ara-dalàna eto Koety ny ‘bedoun’.

@haideralmosawi [17]: @mbhkewl @7nanii mendrika ny hanan-jo fototra ny Bedoun na tsy mendrika ny hizaka zom-pirenena aza. Ny ankizy moa dia i Koety no firenena tokana mba fantany

@Adoo7a [18]: Tahaka ny ahoana ny habetsany, ny Bedoun mpanao fihetsiketsehana? Omeo ahy ny isan-jatony?

@UnsuperDyke [19]: Mahadikidiky olona maro ny resaka momba ny Bedoun saingy resaka zon'olombelona izy ity. Efa andraikitsika izy ireo ankehitriny na avy aiza na avy aiza.

@AminaAlShirawi [20]: @Futtaim Ahitana ny adihevitra momba ny bedoun na aiza na aiza.. amerika, eoropa na toeran-kafa dia misy azy ity avokoa..

@Norrahsaur [21]: Ajanony ny hanihany rehetra momba ny bedoun fa tsy tsara.

@Fatma_BA [22]: Le-Bedoun ratsy ity; Afa-manakombona ny vavanao ve ianao azafady indrindra mandra-pahatongan'ny fetim-pirenena sy mandrakizay.. 🙂

Ao amin'ny YouTube i alhour313 no nampiditra [23] ity lahatsary mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana ity:

Almusawi73 ihany koa mizara ity lahatsary [23] avy amin'ny mpanao fihetsiketsehana ity: