- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Fitifirana ireo mpitolona amin'ny bala tena izy (Video)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Bahrain 2011 [1].

@ba7rainiDXB Mohamed Alshamlan shot in the leg with live ammunition by the Khalifi Army, X-ray picture #Bahrain #Feb14 [2]

@ba7rainiDXB Mohamed Alshamlan voatifitry ny miaramila Khalifi teo amin'ny tongony tamin'ny bala tena izy, sary rayon X #Bahrain #Feb14

Nitobatobaka manerana ny vohikalan'ireo media sosialy ireo tatitra fitifirana [3] tany amin'ny faritra maro tany Manama, renivohitr'i Bahrain nandritra ny 18 Febroary 2011 tolakandro. Ireo Video nalaina tany amin'ny faritra samihafa dia tsy vitan'ny sady mampiseho ny fotoana nisy ny fitifirana, fa koa ireo nijaly noho izany taoriana (FAMPITANDREMANA: sary mampihoron-koditra).

Ny video voalohany mampiseho tarehy fantampantatra avy amin'ny lahatsoratra teo aloha [3]: ny niharan-doza niresaka tamin'ny mpanadihady dia nilanja olona naratra niala avy teny amin'ny tolona. Avy amin'ny fitantarana ny video [4]:

Niharan-doza niresaka tamin'ny mpanao tati-baovao taorian'ny fanafihana ny tolona nataon-dry zareo ary mbola notafihana indray
Tsy mazava ny dikateny”
“Nandeha teny izahay, nihirahira tamim-pahatoniana, nanagan-tanana mihitsy aza izahay (olon-kafa:niteny hoe nanana voninkazo mihitsy aza izahay), tsy nisangisangy ry zareo, nanana fitaovam-piadiana, tsy mba hoe basy na fitaovam-piadiana fitàna amin'ny tanana, fa tena fitaovam-piadiana ara-bakiteny miaraka amin'ny tongony telo, dia nanomboka nitifitra ry zareo, nitsoaka ny olona! Nisy olona teo alohako tonga dia maty tsy tra-drano raha voatifitra teo amin'ny lohany, niezaka ny nibata azy sy nitondra azy niala teo aho, fa tena tohina tanteraka”

Hita mihazakazaka mitsoaka ny tolona [5] ny olona ary miha-mazava ny anton'izany noho ny fahenoana feo-mbasy mipoaka, niteraka fitsoahana indray mandeha indray, anisan'izany ny ankizy.

Ity horonantsary ity [6] dia mampiseho mpitolona mandeha mankany amin'ny Boribory Fiodinana Pearl (Lulu) mihirahira hoe “Tony, Am-pahatoniana” raha heno ireo feom-basy.

Ity horonantsary manaraka ity [7] dia mampiseho fomba fijery hafa an'ilay hetsika, ahitàna ny sarin'ny fotoana taorian'izany: ny mpitolona sasany mihinjitra amin'ny tany, ra manodidina azy, raha mihiakiaka an-katahorana kosa ireo havany akaikin'ny vatamangatsiakany. (FAMPITANDREMANA: sary mampihoron-koditra)