- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Tandindonin-doza i Hossein Ronaghi, mpitoraka bilaogy voafonja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Ilay mpitoraka blaogy Iraniana Hossein Ronaghi Malki [1] dia manefa sazy 15 taona an-tranomaizina [2] any amin'ny trano tsara aron'ny Fonjan'ny Evin, tsy mahazo mifandray amin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy. Mojtaba Samienejad, mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady sekreteran'ny Trano Misahana ny Zon'olombelona any Iran, dia nilaza tamin'ny BBC Persiana fa mila fandidiana maika i Ronaghi ary efa ahiana mafy ny toe-pahasalamany. Nilaza izy fa nanamafy ny mpitsabo tao amin'ny tobim-pitsaboan'i Evin fa mila afindra any amina hopitaly izy hodidiana avy hatrany, nefa tsy nanao na inona na inona ny manampahefana.

Niaza koa i Samienejad fa Arash Arkan, gadra politika iray hafa izay nodimandry vao tsy ela akory izay noho ny tsy fahampiana fitsaboana tany am-ponja, dia tsy navela handao ny fonja noho ny antony ara-pahasalamana na dia teo aza ny fanafatrafaran'ny mpitsabo.

Avotsory Hossein [3] [fa] dia hetsika fanentanana amin'ny aterineto natombok'i Omid Habibnia, mpitoraka blaogy sady mpanao gazety. FreeHossein dia mitonon-tena ho ‘kaomity hanarahana ny raharahan'i Hossein”. Araka ity [4] fanentanana ity:

Hossein dia manana aretina amin'ny voa sy ny vava ary fijaliana be izany. Nanoratra taratasy izy momba ny fampijaliana azy ataon'ireo olon'ny Ministeran'ny Fitsikilovana mba hanerena azy hamboraka ny zava-drehetra amin'ny mpitsara, nefa nogiazana izany taratasy izany.

Hossein dia nosamborina tamin'ny Novambra 2009 ary nohidiana tanaty efitra mitokana efa ho herintaona mahery.

Manana mpankafy manodidiana ny 1500 eo ho eo ny pejy Facebook-n'ity fanentanana ity. Mafana fo mpanao politika maherin'ny 100 ihany koa no nanoratra [5] taratasy misokatra ary nangataka ny fitsarana Iraniana ny antony mahatonga azy ireo hasiaka be toa izany amin'i Hossein, mpianatry ny Anjerimanontolo Azad any Arak.

Nisambotra mpitoraka bilaogy maro ny manampahefan Iraniana nandritra ny taona vitsivitsy farany teo. Omid Reza MirSayafi [6] no mpitoraka bilaogy voalohany maty am-ponja tamin'ny 18 Martsa 2009 noho ny antony mampiahiahy. Ilay mpitoraka bilaogy malaza erantany Hossein Derakhshan [7] dia nosaziana 19.5 taona tamin'ny taon-dasa, ary Shiva Nazar Ahari [8], vehivavy mpitoraka bilaogy,dia nosaziana  karavasy 74 sy enin-taona an-tranomaizina.